John 18

Rehefa voalazan'i Jesosy izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin'ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran'izy sy ny mpianany.
When Jesus had spoken these words, he went forth with his disciples over the brook Cedron, where was a garden, into the which he entered, and his disciples.
Ary Jodasy koa, ilay namadika Azy, dia nahalala izany tany izany, satria mpankao matetika Jesosy mbamin'ny mpianany.
And Judas also, which betrayed him, knew the place: for Jesus ofttimes resorted thither with his disciples.
Ary Jodasy, rehefa nahazo ny miaramila iray toko sy mpiandry raharaha avy tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo, dia nankeo nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana.
Judas then, having received a band of men and officers from the chief priests and Pharisees, cometh thither with lanterns and torches and weapons.
Ary satria fantatr'i Jesosy izay rehetra hanjo Azy, dia nivoaka Izy ka nanao tamin'ireo hoe: Iza moa no tadiavinareo?
Jesus therefore, knowing all things that should come upon him, went forth, and said unto them, Whom seek ye?
Ary ireo namaly Azy hoe: Jesosy avy any Nazareta. Hoy Jesosy taminy: Izaho no Izy. Ary teo koa Jodasy, ilay namadika Azy.
They answered him, Jesus of Nazareth. Jesus saith unto them, I am he. And Judas also, which betrayed him, stood with them.
Ary raha Jesosy vao nilaza taminy hoe: Izaho no Izy, dia nianotra ireo ka lavo tamin'ny tany.
As soon then as he had said unto them, I am he, they went backward, and fell to the ground.
Ary Jesosy nanontany azy indray hoe: Iza moa no tadiavinareo? Dia hoy izy: Jesosy avy any Nazareta.
Then asked he them again, Whom seek ye? And they said, Jesus of Nazareth.
Jesosy namaly hoe: Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto;
Jesus answered, I have told you that I am he: if therefore ye seek me, let these go their way:
mba hahatanteraka ny teny izay nataony hoe: Tsy nasiako very izay nomenao Ahy.
That the saying might be fulfilled, which he spake, Of them which thou gavest me have I lost none.
Ary Simona Petera nanana sabatra, dia nanatsoaka azy ka nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran'ilay mpanompo.
Then Simon Peter having a sword drew it, and smote the high priest's servant, and cut off his right ear. The servant's name was Malchus.
Dia hoy Jesosy tamin'i Petera: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; ny kapoaka nomen'ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?
Then said Jesus unto Peter, Put up thy sword into the sheath: the cup which my Father hath given me, shall I not drink it?
Ary ny miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiandry raharaha tamin'ny Jiosy dia nisambotra an'i Jesosy ka namatotra Azy,
Then the band and the captain and officers of the Jews took Jesus, and bound him,
dia nitondra Azy tany amin'i Anasy aloha, fa izy no rafozan'i Kaiafa, mpisoronabe tamin'izany taona izany.
And led him away to Annas first; for he was father in law to Caiaphas, which was the high priest that same year.
Ary Kaiafa no ilay nanome saina ny Jiosy fa mahatsara raha maty ny olona anankiray hamonjy ny firenena.
Now Caiaphas was he, which gave counsel to the Jews, that it was expedient that one man should die for the people.
Ary Simona Petera sy ny mpianatra anankiray koa dia nanaraka an'i Jesosy; ary fantatry ny mpisoronabe izany mpianatra izany, dia niara-niditra tamin'i Jesosy ho ao an-kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe izy.
And Simon Peter followed Jesus, and so did another disciple: that disciple was known unto the high priest, and went in with Jesus into the palace of the high priest.
Fa Petera nijanona teo ala-trano teo am-bavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra anankiray, izay fantatry ny mpisoronabe, ka niteny tamin'ny mpiandry vavahady, dia nitondra an'i Petera niditra.
But Peter stood at the door without. Then went out that other disciple, which was known unto the high priest, and spake unto her that kept the door, and brought in Peter.
Ary hoy ny ankizivavy mpiandry vavahady tamin'i Petera: Moa ianao mba isan'ny mpianatr'io Lehilahy io? Hoy izy: Tsia.
Then saith the damsel that kept the door unto Peter, Art not thou also one of this man's disciples? He saith, I am not.
Ary ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha namelona afon'arina ka nijanona namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary Petera koa mba nijanona niara-namindro taminy.
And the servants and officers stood there, who had made a fire of coals; for it was cold: and they warmed themselves: and Peter stood with them, and warmed himself.
Ary ny mpisoronabe nanadina an'i Jesosy ny amin'ny mpianany sy ny fampianarany.
The high priest then asked Jesus of his disciples, and of his doctrine.
Jesosy namaly azy hoe: Izaho niteny miharihary tamin'izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin'ny synagoga sy ny kianjan'ny tempoly, izay iangonan'ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin'ny takona;
Jesus answered him, I spake openly to the world; I ever taught in the synagogue, and in the temple, whither the Jews always resort; and in secret have I said nothing.
koa nahoana no manontany Ahy ianao? Ireo nihaino no anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo no mahalala izay nolazaiko.
Why askest thou me? ask them which heard me, what I have said unto them: behold, they know what I said.
Ary rehefa nilaza izany teny izany Izy, ny mpiandry raharaha anankiray izay nitsangana teo dia namely tahamaina an'i Jesosy ka nanao hoe: Izany va no famalinao ny mpisoronabe?
And when he had thus spoken, one of the officers which stood by struck Jesus with the palm of his hand, saying, Answerest thou the high priest so?
Jesosy namaly azy hoe: Raha niteny ratsy Aho, ambarao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?
Jesus answered him, If I have spoken evil, bear witness of the evil: but if well, why smitest thou me?
Ary dia nasain'i Anasy nentina tamin'ny fatorany ho any amin'i Kaiafa mpisoronabe Izy.
Now Annas had sent him bound unto Caiaphas the high priest.
Ary Simona Petera nijanona namindro. Dia nisy nilaza taminy hoe: Moa ianao koa mba isan'ny mpianany? Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsia.
And Simon Peter stood and warmed himself. They said therefore unto him, Art not thou also one of his disciples? He denied it, and said, I am not.
Hoy ny anankiray tamin'ny mpanompon'ny mpisoronabe havan'ilay nokapain'i Petera ny sofiny: Tsy efa hitako teo aminy tao anaty saha va ianao?
One of the servants of the high priest, being his kinsman whose ear Peter cut off, saith, Did not I see thee in the garden with him?
Dia nandà indray Petera; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.
Peter then denied again: and immediately the cock crew.
Ary Jesosy dia nentiny niala tao amin'i Kaiafa ho ao anatirova; ary maraina koa ny andro tamin'izay; nefa ireo tsy niditra tao anati-rova, fandrao ho voaloto, fa efa hihinana ny Paska izy.
Then led they Jesus from Caiaphas unto the hall of judgment: and it was early; and they themselves went not into the judgment hall, lest they should be defiled; but that they might eat the passover.
Ary Pilato nivoaka ho eo aminy teo ivelany ka nanao hoe: Inona moa no iampanganareo io Lehilahy io?
Pilate then went out unto them, and said, What accusation bring ye against this man?
Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy mba natolotray anao.
They answered and said unto him, If he were not a malefactor, we would not have delivered him up unto thee.
Ary hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka tsarao araka ny lalànareo. Hoy ny Jiosy taminy: Izahay tsy manam-pahefana hahafaty olona;
Then said Pilate unto them, Take ye him, and judge him according to your law. The Jews therefore said unto him, It is not lawful for us to put any man to death:
mba hahatanteraka ny tenin'i Jesosy izay nolazainy nanambara ny fomban'ny fahafatesana izay efa hiaretany.
That the saying of Jesus might be fulfilled, which he spake, signifying what death he should die.
Ary niditra tao anati-rova indray Pilato, dia niantso an'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy?
Then Pilate entered into the judgment hall again, and called Jesus, and said unto him, Art thou the King of the Jews?
Jesosy namaly hoe: Hevitrao ihany va no anaovanao izany, sa nisy hafa nilaza Ahy taminao?
Jesus answered him, Sayest thou this thing of thyself, or did others tell it thee of me?
Pilato namaly hoe: Moa aho Jiosy? Ny firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra Anao tamiko; inona moa no nataonao?
Pilate answered, Am I a Jew? Thine own nation and the chief priests have delivered thee unto me: what hast thou done?
Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako.
Jesus answered, My kingdom is not of this world: if my kingdom were of this world, then would my servants fight, that I should not be delivered to the Jews: but now is my kingdom not from hence.
Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko.
Pilate therefore said unto him, Art thou a king then? Jesus answered, Thou sayest that I am a king. To this end was I born, and for this cause came I into the world, that I should bear witness unto the truth. Every one that is of the truth heareth my voice.
Hoy Pilato taminy: Inona no marina? Ary rehefa nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin'ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
Pilate saith unto him, What is truth? And when he had said this, he went out again unto the Jews, and saith unto them, I find in him no fault at all.
Fa misy fanaonareo amin'ny Paska, handefasako anankiray ho anareo; koa tianareo va raha halefako ho anareo ny Mpanjakan'ny Jiosy?
But ye have a custom, that I should release unto you one at the passover: will ye therefore that I release unto you the King of the Jews?
Ary ireo niantso indray ka nanao hoe: Tsy Ilehio, fa Barabasy; koanefa jiolahy Barabasy.
Then cried they all again, saying, Not this man, but Barabbas. Now Barabbas was a robber.