I Samuel 11

Ary Nahasy Amonita niakatra ka nitoby tandrifin'i Jabesi-gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin'i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay.
Then Nahash the Ammonite came up, and encamped against Jabesh–gilead: and all the men of Jabesh said unto Nahash, Make a covenant with us, and we will serve thee.
Fa hoy Nahasy Amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: hopotsirina ny masonareo ankavanana rehetra, ka hataoko fandatsana ny Isiraely rehetra izany.
And Nahash the Ammonite answered them, On this condition will I make a covenant with you, that I may thrust out all your right eyes, and lay it for a reproach upon all Israel.
Fa hoy ny loholon'i Jabesy taminy: Omeo andro hafitoana izahay, mba hanirahanay olona ho any amin'ny fari-tanin'ny Isiraely rehetra, ka raha tàhiny tsy misy olona hamonjy anay, dia hivoaka hanatona anao izahay.
And the elders of Jabesh said unto him, Give us seven days' respite, that we may send messengers unto all the coasts of Israel: and then, if there be no man to save us, we will come out to thee.
Dia tonga tany Gibean'i Saoly ny iraka ka nanambara ny teniny teo anatrehan'ny vahoaka; dia nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ka nitomany.
Then came the messengers to Gibeah of Saul, and told the tidings in the ears of the people: and all the people lifted up their voices, and wept.
Ary, indro, Saoly tonga nandroaka ny omby avy tany an-tsaha ka nanao hoe: Inona izato nanjo ny olona, no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin'ny mponina tao Jabesy.
And, behold, Saul came after the herd out of the field; and Saul said, What aileth the people that they weep? And they told him the tidings of the men of Jabesh.
Dia nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka nirehitra mafy ny fahatezeran'i Saoly, raha nandre izany teny izany.
And the Spirit of God came upon Saul when he heard those tidings, and his anger was kindled greatly.
Dia naka omby roa izy, ka norasainy ireo, dia nampitondrainy ny iraka ho any amin'ny fari-tanin'ny Isiraely rehetra ka nataony hoe: Na iza na iza tsy mivoaka hanaraka an'i Saoly sy Samoela, dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana an'i Jehovah, ka nivoaka toy ny olona iray ihany izy.
And he took a yoke of oxen, and hewed them in pieces, and sent them throughout all the coasts of Israel by the hands of messengers, saying, Whosoever cometh not forth after Saul and after Samuel, so shall it be done unto his oxen. And the fear of the LORD fell on the people, and they came out with one consent.
Ary nandamina azy tany Bezeka izy, dia telo hetsy no isan'ny Zanak'Isiraely, ary telo alina no isan'ny lehilahy amin'ny Joda.
And when he numbered them in Bezek, the children of Israel were three hundred thousand, and the men of Judah thirty thousand.
Ary hoy izy tamin'ny iraka izay tonga teo: Izao no holazainareo amin'ny mponina ao Jabesi-gileada: Rahampitso ilay efa mafampana iny dia hisy famonjena ho anareo. Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin'ny mponina tao Jabesy; ka dia faly ireo.
And they said unto the messengers that came, Thus shall ye say unto the men of Jabesh–gilead, To morrow, by that time the sun be hot, ye shall have help. And the messengers came and shewed it to the men of Jabesh; and they were glad.
Ary hoy ny mponina tao Jabesy: Rahampitso no hivoahanay ho eny aminareo, dia hataonareo aminay izay rehetra sitrakareo.
Therefore the men of Jabesh said, To morrow we will come out unto you, and ye shall do with us all that seemeth good unto you.
Ary nony maraina, dia nozarain'i Saoly ho telo toko ny olona, ka tonga teo amin'ny toby tamin'ny fiambenana maraina izy ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan'ny andro; koa izay sisa dia niely patrana, ka tsy nisy olona tafaraka na dia hatramin'ny roa aza.
And it was so on the morrow, that Saul put the people in three companies; and they came into the midst of the host in the morning watch, and slew the Ammonites until the heat of the day: and it came to pass, that they which remained were scattered, so that two of them were not left together.
Ary hoy ny vahoaka tamin'i Samoela: Iza moa no nanao hoe: Saoly va no hanjaka aminay? Atolory ireny olona ireny hataonay maty.
And the people said unto Samuel, Who is he that said, Shall Saul reign over us? bring the men, that we may put them to death.
Fa hoy Saoly: Tsy hisy olona hatao maty anio; fa androany no nanaovan'i Jehovah famonjena teo amin'ny Isiraely.
And Saul said, There shall not a man be put to death this day: for to day the LORD hath wrought salvation in Israel.
Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka: Andeha isika hankany Gilgala hanavao ny fanjakana any.
Then said Samuel to the people, Come, and let us go to Gilgal, and renew the kingdom there.
Dia lasa ny vahoaka nankany Gilgala; ary tany Gilgala no nananganany an'i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan'i Jehovah; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely.
And all the people went to Gilgal; and there they made Saul king before the LORD in Gilgal; and there they sacrificed sacrifices of peace offerings before the LORD; and there Saul and all the men of Israel rejoiced greatly.