I Kings 20

Ary Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, namory ny miaramilany rehetra, koa mpanjaka roa amby telo-polo mbamin'ny soavaly sy ny kalesy no niaraka taminy; dia niakatra izy ka nanao fahirano an'i Samada ary namely azy.
And Ben–hadad the king of Syria gathered all his host together: and there were thirty and two kings with him, and horses, and chariots: and he went up and besieged Samaria, and warred against it.
Ary nandefa iraka ho any amin'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, tany an-tanàna izy
And he sent messengers to Ahab king of Israel into the city, and said unto him, Thus saith Ben–hadad,
hanao aminy hoe: Izao no lazain'i Beni-hadada: Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy; ary ny vadinao aman-janakao, na dia ny tsara tarehy indrindra aza, dia ahy koa.
Thy silver and thy gold is mine; thy wives also and thy children, even the goodliest, are mine.
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely namaly hoe: Eny marina ny teninao ry mpanjaka tompoko ô: anao aho sy izay rehetra ananako.
And the king of Israel answered and said, My lord, O king, according to thy saying, I am thine, and all that I have.
Dia niverina indray ny iraka ka nanao hoe: Izao no tenin'i Beni-hadada: Naniraka tatỳ aminao aho nanao hoe: Ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny vadinao aman-janakao dia omeo ahy;
And the messengers came again, and said, Thus speaketh Ben–hadad, saying, Although I have sent unto thee, saying, Thou shalt deliver me thy silver, and thy gold, and thy wives, and thy children;
koa raha maniraka ny mpanompoko ho atỳ aminao aho rahampitso toy izao, ka savany ny tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao, dia horaisin'ny tànany sy ho entiny avokoa izay rehetra mahafinaritra ny masonao na inona na inona.
Yet I will send my servants unto thee to morrow about this time, and they shall search thine house, and the houses of thy servants; and it shall be, that whatsoever is pleasant in thine eyes, they shall put it in their hand, and take it away.
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nampaka ny loholona rehetra amin'ny tany ka nanao hoe: Masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila sotasota mihitsy ilehiny; fa efa naniraka tatỳ amiko izy haka ny vadiko aman-janako mbamin'ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko.
Then the king of Israel called all the elders of the land, and said, Mark, I pray you, and see how this man seeketh mischief: for he sent unto me for my wives, and for my children, and for my silver, and for my gold; and I denied him not.
Ary hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra taminy: Aza mihaino na manaiky.
And all the elders and all the people said unto him, Hearken not unto him, nor consent.
Ka dia hoy Ahaba tamin'ny irak'i Beni-hadada. Lazao amin'ny mpanjaka tompoko hoe: Izay rehetra nanirahanao tany amiko mpanomponao tamin'ny voalohany dia hataoko; fa izao zavatra izao kosa tsy azoko ekena. Dia lasa ireo iraka ka nitondra teny niverina tany amin'i Beni-hadada indray;
Wherefore he said unto the messengers of Ben–hadad, Tell my lord the king, All that thou didst send for to thy servant at the first I will do: but this thing I may not do. And the messengers departed, and brought him word again.
ary izy naniraka tany aminy ka nanao hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha ho ampy eran-tànan-ila akory ny vovok'i Samaria amin'ny isan-olona manaraka ahy.
And Ben–hadad sent unto him, and said, The gods do so unto me, and more also, if the dust of Samaria shall suffice for handfuls for all the people that follow me.
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely namaly hoe: Izao no holazainao aminy: Aoka izay vao misikina tsy mba hirehareha tahaka ny efa mamaha.
And the king of Israel answered and said, Tell him, Let not him that girdeth on his harness boast himself as he that putteth it off.
Ary rehefa ren'i Beni-hadada izany teny izany, raha mbola nisotro tao an-trano rantsan-kazo izy sy ireo mpanjaka, dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Milahara ianareo. Ary dia nilahatra hamely ny tanàna izy.
And it came to pass, when Ben–hadad heard this message, as he was drinking, he and the kings in the pavilions, that he said unto his servants, Set yourselves in array. And they set themselves in array against the city.
Ary, indro, nisy mpaminany nanatona an'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hitanao va ireo olona maro be rehetra ireo ? Indro, hatolotro eo an-tananao ireo anio; dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
And, behold, there came a prophet unto Ahab king of Israel, saying, Thus saith the LORD, Hast thou seen all this great multitude? behold, I will deliver it into thine hand this day; and thou shalt know that I am the LORD.
Ary hoy Ahaba: Amin'iza? Ary hoy izy: Izao no lazain'i Jehovah: Amin'ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony. Dia hoy izy: Iza ary no hamely aloha ? Hianao ihany, hoy izy.
And Ahab said, By whom? And he said, Thus saith the LORD, Even by the young men of the princes of the provinces. Then he said, Who shall order the battle? And he answered, Thou.
Ary nandamina ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony izy, ka roa amby telo-polo amby roan-jato no isany; ary manarakaraka izany, dia nandamina ny olona rehetra izy, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka fito arivo no isany.
Then he numbered the young men of the princes of the provinces, and they were two hundred and thirty two: and after them he numbered all the people, even all the children of Israel, being seven thousand.
Ary nivoaka izy nony nitataovovonana ny andro. Fa Beni-hadada nisotro ho mamo tao an-trano rantsan-kazo, dia izy sy ireo mpanjaka roa amby telo-polo izay nanampy azy.
And they went out at noon. But Ben–hadad was drinking himself drunk in the pavilions, he and the kings, the thirty and two kings that helped him.
Ary ny zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-tokony nivoaka voalohany; ary Beni-hadada naniraka, ka dia nilazana hoe: Misy olona efa nivoaka avy any Samaria.
And the young men of the princes of the provinces went out first; and Ben–hadad sent out, and they told him, saying, There are men come out of Samaria.
Ary hoy izy: Ataovy sambo-belona izy, na ho avy hihavana, na ho avy hiady.
And he said, Whether they be come out for peace, take them alive; or whether they be come out for war, take them alive.
Dia nivoaka avy tao an-tanàna ireo zatovon'ny komandin'ny fanapahana isan-totony ireo sy ny miaramila izay nanaraka azy.
So these young men of the princes of the provinces came out of the city, and the army which followed them.
Ary samy nahafaty olona iray avy izy rehetra; dia vaky nandositra ny Syriana, ka nenjehin'ny Isiraely; ary Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, nandositra an-tsoavaly mbamin'ny mpitaingin-tsoavaly sasany koa.
And they slew every one his man: and the Syrians fled; and Israel pursued them: and Ben–hadad the king of Syria escaped on an horse with the horsemen.
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nivoaka, dia namely: ny an-tsoavaly sy ny an-kalesy, ka nahafatesany be dia be ny Syriana.
And the king of Israel went out, and smote the horses and chariots, and slew the Syrians with a great slaughter.
Ary ilay mpaminany nankany amin'ny i mpanjakan'ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Mahereza tsara, ary fantaro sy izahao izay ataonao; fa raha miherina ny taona, dia hiakatra indray ny mpanjakan'i Syria hiady aminao.
And the prophet came to the king of Israel, and said unto him, Go, strengthen thyself, and mark, and see what thou doest: for at the return of the year the king of Syria will come up against thee.
Ary hoy ny mpanompon'ny mpanjakan'i Syria taminy: Andriamanitry ny havoana ny Andriamanitr'izy ireo, koa izany no nahareseny antsika; fa aoka ange isika hiady aminy eny an-tany lemaka, raha tsy ho resintsika izy e.!
And the servants of the king of Syria said unto him, Their gods are gods of the hills; therefore they were stronger than we; but let us fight against them in the plain, and surely we shall be stronger than they.
Koa izao zavatra izao no ataovy: Esory ny mpanjaka samy hiala amin'ny toerany avy, ka asio mpanapaka hisolo azy;
And do this thing, Take the kings away, every man out of his place, and put captains in their rooms:
ary ianao kosa dia makà miaramila ho anao toraka ny miaramilanao izay maty teo ary soavaly ho solon'ny soavaly sy kalesy ho solon'ny kalesy; ary hiady aminy eny an-tany lemaka isika, ka dia hahery noho izy tokoa. Ary nanaiky ny tenin'ireo izy, ka dia nataony izany.
And number thee an army, like the army that thou hast lost, horse for horse, and chariot for chariot: and we will fight against them in the plain, and surely we shall be stronger than they. And he hearkened unto their voice, and did so.
Ary nony niherina ny taona, dia nandamina ny Syriana Beni-hadada ka niakatra nankany Afeka hiady amin'ny Isiraely.
And it came to pass at the return of the year, that Ben–hadad numbered the Syrians, and went up to Aphek, to fight against Israel.
Ary ny Zanak'Isiraely rehetra kosa dia nalamina sy novatsiana, ka dia lasa hiady aminy; ary ny Zanak'Isiraely nitoby tandrifiny toy ny osy andiany kely roa toko; fa ny Syriana kosa nanenika ny tany.
And the children of Israel were numbered, and were all present, and went against them: and the children of Israel pitched before them like two little flocks of kids; but the Syrians filled the country.
Ary nanatona ilay lehilahin'Andriamanitra ka nilaza tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Satria ny Syriana nilaza hoe: Andriamanitry ny havoana ihany Jehovah, fa tsy mba Andriamanitry ny tany lemaka, dia hatolotro eo an-tananao ireo olona maro be rehetra ireo, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
And there came a man of God, and spake unto the king of Israel, and said, Thus saith the LORD, Because the Syrians have said, The LORD is God of the hills, but he is not God of the valleys, therefore will I deliver all this great multitude into thine hand, and ye shall know that I am the LORD.
Dia nitoby mifanandrify hafitoana izy roa tonta. Ary tamin'ny andro fahafito, dia raikitra ny ady; ary ny Zanak'Isiraely nahafaty ny miaramila an-tongotra iray hetsy tamin'ny Syriana indray andro.
And they pitched one over against the other seven days. And so it was, that in the seventh day the battle was joined: and the children of Israel slew of the Syrians an hundred thousand footmen in one day.
Fa ny sisa dia nandositra nankany an-tanàna Afeka; nefa nianjeran'ny manda ireny olona sisa ireny, ary fito arivo amby roa alina no isany. Ary Beni-hadada nandositra nankany an-tanàna ka niditra tao amin'ny efi-trano anatiny.
But the rest fled to Aphek, into the city; and there a wall fell upon twenty and seven thousand of the men that were left. And Ben–hadad fled, and came into the city, into an inner chamber.
Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, efa renay fa mpanjaka mamindra fo ireo mpanjakan'ny taranak'Isiraely. Koa masìna ianao, avelao hosikinanay lamba fisaonana ny valahanay, ary hasianay mahazaka ny lohanay, dia hankany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izahay; angamba hovelominy ny ainao.
And his servants said unto him, Behold now, we have heard that the kings of the house of Israel are merciful kings: let us, I pray thee, put sackcloth on our loins, and ropes upon our heads, and go out to the king of Israel: peradventure he will save thy life.
Dia nosikinany lamba fisaonana ny valahany, ary nasiany mahazaka ny lohany, dia nankany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Izao no fitenin'i Beni-hadada mpanomponao: Avelao mba ho velona ny aiko. Ary hoy izy: Moa mbola velona ihany va izy? Rahalahiko izy.
So they girded sackcloth on their loins, and put ropes on their heads, and came to the king of Israel, and said, Thy servant Ben–hadad saith, I pray thee, let me live. And he said, Is he yet alive? he is my brother.
Ary nataon'ireo olona ireo fa zara ho azy izany, dia namonjy nanantitra ny teniny izy ka nanao hoe: Rahalahinao hoe Beni-adada. Dia hoy izy: Mandehana, alao izy. Ary Beni-hadada nankany aminy, dia nasainy niakatra ho eo amin'ny kalesiny.
Now the men did diligently observe whether any thing would come from him, and did hastily catch it: and they said, Thy brother Ben–hadad. Then he said, Go ye, bring him. Then Ben–hadad came forth to him; and he caused him to come up into the chariot.
Ary hoy Beni-hadada taminy: Ny tanàna izay nalain'ny raiko tamin'ny rainao dia hampodiko; ary manaova lalambe ho anao any Damaskosy, tahaka ny nataon'ny raiko tany Samaria. Ary hoy Ahaba: Halefako ianao amin'izany fanekena izany. Dia nanao fanekena taminy izy ka nandefa azy.
And Ben–hadad said unto him, The cities, which my father took from thy father, I will restore; and thou shalt make streets for thee in Damascus, as my father made in Samaria. Then said Ahab, I will send thee away with this covenant. So he made a covenant with him, and sent him away.
Ary nisy lehilahy anankiray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin'ny namany araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Masìna ianao asio aho. Fa tsy nety namely azy ilay lehilahy.
And a certain man of the sons of the prophets said unto his neighbour in the word of the LORD, Smite me, I pray thee. And the man refused to smite him.
Dia hoy izy taminy: Satria ianao tsy nihaino ny feon'i Jehovah, indro, fa raha vao miala amiko eto ianao, dia hisy liona hamono anao. Ary raha vao niala teo aminy izy, dia hitan'ny liona ka novonoiny.
Then said he unto him, Because thou hast not obeyed the voice of the LORD, behold, as soon as thou art departed from me, a lion shall slay thee. And as soon as he was departed from him, a lion found him, and slew him.
Ary nahita lehilahy hafa indray ralehilahy ka nanao hoe: Masìna ianao, asio aho. Ary ilay lehilahy namely azy, dia voa izy ka naratra.
Then he found another man, and said, Smite me, I pray thee. And the man smote him, so that in smiting he wounded him.
Dia lasa ilay mpaminany ka niandry ny mpanjaka teny an-dalana, ary nasiany fehiloha tamin'ny handriny tsy hahafantarany azy.
So the prophet departed, and waited for the king by the way, and disguised himself with ashes upon his face.
Ary nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina taminy ilay mpaminany ka nanao hoe: Izaho mpanomponao nankany anatin'ny ady; ary, indro, nisy lehilahy anankiray nivily ka nitondra lehilahy tany amiko sady nanao hoe: Hazony ity lehilahy ity; fa raha tahìny lasa izy, dia ny ainao no hisolo ny amy, na handoa talenta volafotsy iray ianao.
And as the king passed by, he cried unto the king: and he said, Thy servant went out into the midst of the battle; and, behold, a man turned aside, and brought a man unto me, and said, Keep this man: if by any means he be missing, then shall thy life be for his life, or else thou shalt pay a talent of silver.
Kanjo nony nikeninkenina tetsy sy teroa ny mpanomponao, dia lasa izy. Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely taminy: Ho tahaka izany ihany no hitsarana anao; ny tenanao no nilaza izany.
And as thy servant was busy here and there, he was gone. And the king of Israel said unto him, So shall thy judgment be; thyself hast decided it.
Ary nesoriny haingana ilay fehi-loha tamin'ny handriny; ka dia fantatry ny mpanjakan'ny Isiraely fa isan'ny mpaminany izy.
And he hasted, and took the ashes away from his face; and the king of Israel discerned him that he was of the prophets.
Dia hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Satria nalefanao niala teo an-tananao ny lehilahy izay nasaiko hovonoina tokoa, dia ny ainao no hisolo ny ainy, ary ny olonao no hisolo ny olony.
And he said unto him, Thus saith the LORD, Because thou hast let go out of thy hand a man whom I appointed to utter destruction, therefore thy life shall go for his life, and thy people for his people.
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely nandeha ho any an-tranony sady nalahelo no sosotra, dia tonga tany Samaria.
And the king of Israel went to his house heavy and displeased, and came to Samaria.