I Chronicles 3

Ary izao no zanakalahin'i Davida, izay naterany tao Hebrona: Amnona, zanak'i Ahinoama Jezirelita, no lahimatoa; ary Daniela, zanak'i Abigaila Karmelita, no lahiaivo;
Now these were the sons of David, which were born unto him in Hebron; the firstborn Amnon, of Ahinoam the Jezreelitess; the second Daniel, of Abigail the Carmelitess:
Absaloma, zanak'i Maka, zanakavavin'i Talmay, mpanjakan'i Gesora, no fahatelo; Adonia, zanak'i Hagita, no fahefatra;
The third, Absalom the son of Maachah the daughter of Talmai king of Geshur: the fourth, Adonijah the son of Haggith:
Sefatia, zanak'i Abitala, no fahadimy; Jitreama, zanak'i Egla vadiny, no fahenina.
The fifth, Shephatiah of Abital: the sixth, Ithream by Eglah his wife.
Ireo enina ireo no naterany tao Hebrona; fa tao no nanjakany fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema kosa no nanjakany telo amby telo-polo taona.
These six were born unto him in Hebron; and there he reigned seven years and six months: and in Jerusalem he reigned thirty and three years.
Ary izao no naterany tany Jerosalema: Simea sy Sobaba sy Natana ary Solomona (ireo efa-dahy ireo no naterak'i Batsoa, zanakavavin'i Amiela)
And these were born unto him in Jerusalem; Shimea, and Shobab, and Nathan, and Solomon, four, of Bath–shua the daughter of Ammiel:
sy Jibara sy Elisama sy Elifeleta
Ibhar also, and Elishama, and Eliphelet,
sy Noga sy Nafega sy Jafia
And Nogah, and Nepheg, and Japhia,
sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta; dia sivy kosa ireo.
And Elishama, and Eliada, and Eliphelet, nine.
Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Davida, afa-tsy ny zanaky ny vaditsindranony sy Tamara, anabavin'ireo.
These were all the sons of David, beside the sons of the concubines, and Tamar their sister.
Ary ny zanakalahin'i Solomona dia Rehoboama, Abia no zanakalahin-dRehoboama, Asa no zanakalahin'i Abia, Josafata no zanakalahin'i Asa,
And Solomon's son was Rehoboam, Abia his son, Asa his son, Jehoshaphat his son,
Jehorama no zanakalahin'i Josafata, Ahazia no zanakalahin'i Jehorama. Joasy no zanakalahin'i Ahazia,
Joram his son, Ahaziah his son, Joash his son,
Amazia no zanakalahin'i Joasy, Azaria no zanakalahin'Amazia, Jotama no zanakalahin i Azaria,
Amaziah his son, Azariah his son, Jotham his son,
Ahaza no zanakalahin'i Jotama Hezekia no zanakalahin'i Ahaza, Manase no zanakalahin'i Hezetia,
Ahaz his son, Hezekiah his son, Manasseh his son,
Amona no zanakalahin'i Manase, Josia no zanakalahin'i Amona.
Amon his son, Josiah his son.
Ary izao no zanakalahin'i Josia: Johanana, lahimatoa, Joiakima, lahiaivo, Zedekia, fahatelo, Saloma, faralahy.
And the sons of Josiah were, the firstborn Johanan, the second Jehoiakim, the third Zedekiah, the fourth Shallum.
Ary ny zanakalahin'i Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia no zanak'i Jekonia.
And the sons of Jehoiakim: Jeconiah his son, Zedekiah his son.
Ary ny zanakalahin'Jekonia dia Asira, Sealtiela no zanak'i Asira,
And the sons of Jeconiah; Assir, Salathiel his son,
ary Malkirama koa sy Pedaia sy Senazara sy Jekamia sy Hosama ary Nedabia.
Malchiram also, and Pedaiah, and Shenazar, Jecamiah, Hoshama, and Nedabiah.
Ary ny zanakalahin'i Pedaia dia Zerobabela sy simey. Ary ny zanakalahin'i Zerobabela dia Mesolama sy Hanania ary Selomita, anabaviny,
And the sons of Pedaiah were, Zerubbabel, and Shimei: and the sons of Zerubbabel; Meshullam, and Hananiah, and Shelomith their sister:
ary Hasoba sy Ohela sy Berekia sy Hasadia ary Josaba-heseda; dimy izy.
And Hashubah, and Ohel, and Berechiah, and Hasadiah, Jushab–hesed, five.
Ary ny zanakalahin'i Hanania dia Pelatia sy Jisaia sy ny zanakalahin'i Rafaia sy ny zanakalahin'i Arnana sy ny zanakalahin'i Obadia ary ny zanakalahin'i Sekania.
And the sons of Hananiah; Pelatiah, and Jesaiah: the sons of Rephaiah, the sons of Arnan, the sons of Obadiah, the sons of Shechaniah.
Ary ny zanakalahin'i Sekania dia Semaia. Ary ny zanakalahin'i Semaia dia Hatosy sy Jigala sy Baria sy Nearia ary Safata; enina izy.
And the sons of Shechaniah; Shemaiah: and the sons of Shemaiah; Hattush, and Igeal, and Bariah, and Neariah, and Shaphat, six.
Ary ny zanakalahin'i Nearia dia Elioenay sy Hezekia ary Azrikama; telo izy.
And the sons of Neariah; Elioenai, and Hezekiah, and Azrikam, three.
Ary ny zanakalahin'i Elioenay dia Hodaia sy Eliasiba sy Pelaia sy Akoba sy Johanana sy Delaia ary Anany; fito izy.
And the sons of Elioenai were, Hodaiah, and Eliashib, and Pelaiah, and Akkub, and Johanan, and Dalaiah, and Anani, seven.