Romans 10

Ry rahalahy, ny irin'ny foko sy ny angatahiko amin'Andriamanitra ho an'ireny dia famonjena.
אחי חפץ לבבי ותפלתי לאלהים בעד ישראל אשר יושעו׃
Fa vavolombelon'ireny aho fa mazoto ho an'Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.
כי מעיד אני עליהם שיש להם קנאה לאלהים אך לא בדעת׃
Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra.
כי את צדקת אלהים לא ידעו ויבקשו להקים את צדקתם ובעבור זאת לצדקת אלהים לא נכנעו׃
Fa Kristy no faran'ny lalàna ho fahamarinana ho an'izay rehetra mino.
כי המשיח סוף התורה לצדקה לכל המאמין בו׃
Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin'ny lalàna no ho velona amin'izany (Lev. 18. 5).
כי משה כתב על דבר הצדקה מתוך התורה אשר יעשה אתם האדם וחי בהם׃
Fa ny fahamarinana izay avy amin'ny finoana kosa manao hoe: Aza milaza ao am-ponao hoe; Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina an'i Kristy izany,)
והצדקה אשר מתוך האמונה כה אמרת אל תאמר בלבבך מי יעלה השמימה הלא זאת היא להוריד את המשיח׃
na: Iza no hidina any amin'ny lalina? (dia ny hampiakatra an'i Kristy avy any amin'ny maty izany.)
או מי ירד לתהום זאת היא להעלות את המשיח מן המתים׃
Fa ahoana no lazainy? Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao (Deo. 30. 12-14), dia ny teny ny amin'ny finoana, izay torinay;
אבל מה היא אמרת קרוב אליך הדבר בפיך ובלבבך הוא דבר האמונה אשר אנחנו מבשרים׃
satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao.
כי אם תודה בפיך אשר ישוע הוא האדון ותאמין בלבבך אשר האלהים העירו מן המתים אז תושע׃
Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.
כי בלבבו יאמין האדם והיתה לו לצדקה ובפיהו יודה והיתה לו לישועה׃
Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy (Isa. 28. 16).
כי הכתוב אמר כל המאמין בו לא יבוש׃
Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy.
ואין הבדל בזה בין היהודי ליוני כי אדון אחד לכלם והוא עשיר לכל קראיו׃
Fa izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena (Joe. 3. 5).
כי כל אשר יקרא בשם יהוה ימלט׃
Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?
ועתה איך יקראו אל אשר לא האמינו בו ואיך יאמינו באשר לא שמעו את שמעו ואיך ישמעו באין מגיד׃
Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly! (Isa. 52. 7).
ואיך יגידו אם אינם שלוחים ככתוב מה נאוו רגלי מבשר שלום מבשר טוב׃
Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay? (Isa. 53. 1.)
אך לא כלם שמעו לקול הבשורה כי ישעיהו אמר יהוה מי האמין לשמעתנו׃
Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.
לכן האמונה באה מתוך השמועה והשמועה על ידי דבר אלהים׃
Fa hoy izaho: Sao tsy nahare izy? Tsia; fa Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny feony, Ary izay mino Ary tsy ho menatra, Ary ny teniny hatramin'ny faran'izao rehetra izao (Sal. 19. 4).
ואמר הכי לא שמעו אמנם בכל הארץ יצא קום ובקצה תבל מליהם׃
Fa hoy izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho hampialona anareo amin'izay tsy firenena, Dia amin'ny firenena adala no hampahasosorako anareo (Deo. 32. 21).
ואמר הכי ישראל לא ידע הנה כבר משה אמר אני אקניאכם בלא עם בגוי נבל אכעיסכם׃
Fa sahy mihitsy Isaia ka manao hoe: Hitan'izay tsy nitady Ahy Aho, Ary niseho tamin'izay tsy nanontany Ahy.
וישעיהו מלאו לבו לאמר נמצאתי ללא בקשני נדרשתי ללוא שאלו׃
Fa ny amin'ny Isiraely dia hoy izy: Mandritra ny andro no efa naninjirako ny tanako tamin'izay firenena sady tsy manaraka no mandà (Isa. 65. 1. 2).
ועל ישראל הוא אמר פרשתי ידי כל היום אל עם סורר ומרה׃