Psalms 32

Nataon'i Davida. Maskila. Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
לדוד משכיל אשרי נשוי פשע כסוי חטאה׃
Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.
אשרי אדם לא יחשב יהוה לו עון ואין ברוחו רמיה׃
Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva,
כי החרשתי בלו עצמי בשאגתי כל היום׃
Fa efa navesatra tamiko andro aman'alina ny tananao; niova ny fahatanjahako toy ny azon'ny fahamainana amin'ny lohataona.
כי יומם ולילה תכבד עלי ידך נהפך לשדי בחרבני קיץ סלה׃
Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.
חטאתי אודיעך ועוני לא כסיתי אמרתי אודה עלי פשעי ליהוה ואתה נשאת עון חטאתי סלה׃
Izany no aoka hivavahan'ny tsara tsara fanahy rehetra aminao amin'izay andro hahitana Anao; eny tokoa, na dia tondraka aza ny rano be, tsy hahatratra azy izany.
על זאת יתפלל כל חסיד אליך לעת מצא רק לשטף מים רבים אליו לא יגיעו׃
Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon'ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy.
אתה סתר לי מצר תצרני רני פלט תסובבני סלה׃
Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.
אשכילך ואורך בדרך זו תלך איעצה עליך עיני׃
Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy, fa tsy mety manakaiky anao izy.
אל תהיו כסוס כפרד אין הבין במתג ורסן עדיו לבלום בל קרב אליך׃
Be ny fanaintainan'ny ratsy fanahy, fa izay matoky an'i Jehovah kosa dia ho hodidinin'ny famindram-po.
רבים מכאובים לרשע והבוטח ביהוה חסד יסובבנו׃
Mifalia amin'i Jehovah, ary ravoravoa, ianareo olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra.
שמחו ביהוה וגילו צדיקים והרנינו כל ישרי לב׃