Psalms 143

Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, henoy ny fivavako, ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao; Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.
מזמור לדוד יהוה שמע תפלתי האזינה אל תחנוני באמנתך ענני בצדקתך׃
Ary aza dia mifandahatra amin'ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.
ואל תבוא במשפט את עבדך כי לא יצדק לפניך כל חי׃
Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo; Namely ny aiko ho lavo tamin'ny tany izy: Nampitoeriny tao amin'ny maizina aho, toy izay efa maty ela.
כי רדף אויב נפשי דכא לארץ חיתי הושיבני במחשכים כמתי עולם׃
Dia reraka ny fanahiko ato anatiko; Fadiranovana ny foko ato anatiko.
ותתעטף עלי רוחי בתוכי ישתומם לבי׃
Mahatsiaro ny andro fahiny ho Ary misaina ny asanao rehetra; Ny asan'ny tananao no eritreretiko.
זכרתי ימים מקדם הגיתי בכל פעלך במעשה ידיך אשוחח׃
Mananty tanana aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao.
פרשתי ידי אליך נפשי כארץ עיפה לך סלה׃
Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.
מהר ענני יהוה כלתה רוחי אל תסתר פניך ממני ונמשלתי עם ירדי בור׃
Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko.
השמיעני בבקר חסדך כי בך בטחתי הודיעני דרך זו אלך כי אליך נשאתי נפשי׃
Jehovah ô, vonjeo amin'ny fa-havaloko aho; Ao aminao no iereko.
הצילני מאיבי יהוה אליך כסתי׃
Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin'izay tany marina.
למדני לעשות רצונך כי אתה אלוהי רוחך טובה תנחני בארץ מישור׃
Noho ny anaranao, Jehovah ô, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin'ny fahoriana.
למען שמך יהוה תחיני בצדקתך תוציא מצרה נפשי׃
Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho.
ובחסדך תצמית איבי והאבדת כל צררי נפשי כי אני עבדך׃