Psalms 135

Haleloia. Miderà ny anaran'i Jehovah; Miderà, ianareo mpanompon'i Jehovah,
הללו יה הללו את שם יהוה הללו עבדי יהוה׃
Hianareo izay mpitoetra ao an-tranon'i Jehovah, Eo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitsika.
שעמדים בבית יהוה בחצרות בית אלהינו׃
Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany.
הללו יה כי טוב יהוה זמרו לשמו כי נעים׃
Fa Jakoba nofidin'i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy,
כי יעקב בחר לו יה ישראל לסגלתו׃
Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin'ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.
כי אני ידעתי כי גדול יהוה ואדנינו מכל אלהים׃
Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin'ny lanitra, na etỳ ambonin'ny tany, Na any amin'ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra.
כל אשר חפץ יהוה עשה בשמים ובארץ בימים וכל תהומות׃
Mampiakatra zavona avy amin'ny faran'ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy,
מעלה נשאים מקצה הארץ ברקים למטר עשה מוצא רוח מאוצרותיו׃
Dia Ilay namely ny voalohan-terak'i Egypta, Na olona, na biby.
שהכה בכורי מצרים מאדם עד בהמה׃
Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra,
שלח אתות ומפתים בתוככי מצרים בפרעה ובכל עבדיו׃
Dia Ilay namely ny jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery,
שהכה גוים רבים והרג מלכים עצומים׃
Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan'i Basana, Ary ny fanjakan'i Kanana rehetra;
לסיחון מלך האמרי ולעוג מלך הבשן ולכל ממלכות כנען׃
Ary ny taniny nomeny ho lova, Eny, ho lovan'ny Isiraely olony.
ונתן ארצם נחלה נחלה לישראל עמו׃
Jehovah ô, mandrakizay ny anaranao; Jehovah ô, hihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana Anao.
יהוה שמך לעולם יהוה זכרך לדר ודר׃
Fa hanome rariny ny olony Izy Ary hanenina ny amin'ny mpanompony.
כי ידין יהוה עמו ועל עבדיו יתנחם׃
Ny sampin'ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan'ny tànan'olona;
עצבי הגוים כסף וזהב מעשה ידי אדם׃
Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
פה להם ולא ידברו עינים להם ולא יראו׃
Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Ary tsy misy fofonaina ao am-bavany.
אזנים להם ולא יאזינו אף אין יש רוח בפיהם׃
Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
כמוהם יהיו עשיהם כל אשר בטח בהם׃
Misaora an'i Jehovah, ry taranak'Isiraely; Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Arona;
בית ישראל ברכו את יהוה בית אהרן ברכו את יהוה׃
Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Levy; Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, misaora an'i Jehovah.
בית הלוי ברכו את יהוה יראי יהוה ברכו את יהוה׃
Isaorana avy any Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia.
ברוך יהוה מציון שכן ירושלם הללו יה׃