Psalms 12

Ho an'ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida. Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin'ny zanak'olombelona.
למנצח על השמינית מזמור לדוד הושיעה יהוה כי גמר חסיד כי פסו אמונים מבני אדם׃
Samy milaza lainga amin'ny namany amin'ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.
שוא ידברו איש את רעהו שפת חלקות בלב ולב ידברו׃
Holevonin'i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,
יכרת יהוה כל שפתי חלקות לשון מדברת גדלות׃
Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay;miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?
אשר אמרו ללשננו נגביר שפתינו אתנו מי אדון לנו׃
Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan'ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain'ny sasany.
משד עניים מאנקת אביונים עתה אקום יאמר יהוה אשית בישע יפיח לו׃
Ny tenin'i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin'ny memy ka mitsoriaka amin'ny tany eny, voadio impito.
אמרות יהוה אמרות טהרות כסף צרוף בעליל לארץ מזקק שבעתים׃
Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon'ity taranaka ity.
אתה יהוה תשמרם תצרנו מן הדור זו לעולם׃
Raha avy izay isandratan'ny tsinontsinona eo amin'ny zanak'olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon'izay azom-pahoriana mafy loatra.
סביב רשעים יתהלכון כרם זלות לבני אדם׃