Psalms 110

Salamo nataon'i Davida. Izao no lazain'i Jehovah amin'ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
לדוד מזמור נאם יהוה לאדני שב לימיני עד אשית איביך הדם לרגליך׃
Ny tehin'ny herinao Havoak'i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin'ny fahavalonao Hianao.
מטה עזך ישלח יהוה מציון רדה בקרב איביך׃
Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin'ny andro anafihanao; Amin'ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.
עמך נדבת ביום חילך בהדרי קדש מרחם משחר לך טל ילדתיך׃
Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka.
נשבע יהוה ולא ינחם אתה כהן לעולם על דברתי מלכי צדק׃
Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin'ny andron'ny fahatezerany
אדני על ימינך מחץ ביום אפו מלכים׃
Hitsara any amin'ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona any amin'ny tany malalaka Izy.
ידין בגוים מלא גויות מחץ ראש על ארץ רבה׃
Hisotro amin'ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan'ny lohany.
מנחל בדרך ישתה על כן ירים ראש׃