Psalms 1

Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira;
אשרי האיש אשר לא הלך בעצת רשעים ובדרך חטאים לא עמד ובמושב לצים לא ישב׃
Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina.
כי אם בתורת יהוה חפצו ובתורתו יהגה יומם ולילה׃
Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.
והיה כעץ שתול על פלגי מים אשר פריו יתן בעתו ועלהו לא יבול וכל אשר יעשה יצליח׃
Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin'ny rivotra izy.
לא כן הרשעים כי אם כמץ אשר תדפנו רוח׃
Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin'ny fitsarana, na ny mpanota eo amin'ny fiangonan'ny marina.
על כן לא יקמו רשעים במשפט וחטאים בעדת צדיקים׃
Fa fantatr'i Jehovah ny lalan'ny marina, fa ny lalan'ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin'ny fahaverezana.
כי יודע יהוה דרך צדיקים ודרך רשעים תאבד׃