Numbers 21

Ary raha ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo, fa efa mandeha amin'ny lalana mankany Atarima ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin'ny Isiraely.
וישמע הכנעני מלך ערד ישב הנגב כי בא ישראל דרך האתרים וילחם בישראל וישב ממנו שבי׃
Dia nivoady tamin'i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tananay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tanànany.
וידר ישראל נדר ליהוה ויאמר אם נתן תתן את העם הזה בידי והחרמתי את עריהם׃
Ary Jehovah nihaino ny feon'ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon'ny Isiraely levona izy sy ny tanànany; koa ny anaran'izany tany izany dia natao hoe Horma.
וישמע יהוה בקול ישראל ויתן את הכנעני ויחרם אתהם ואת עריהם ויקרא שם המקום חרמה׃
Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin'ny olona noho ny lalana.
ויסעו מהר ההר דרך ים סוף לסבב את ארץ אדום ותקצר נפש העם בדרך׃
Ary niteny nanome tsiny an'Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta amin'ny lalan'ny mpisafo-tany izahay ho faty atỳ an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony.
וידבר העם באלהים ובמשה למה העליתנו ממצרים למות במדבר כי אין לחם ואין מים ונפשנו קצה בלחם הקלקל׃
Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran'afo teny amin'ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely.
וישלח יהוה בעם את הנחשים השרפים וינשכו את העם וימת עם רב מישראל׃
Dia nankeo amin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an'i Jehovah sy ianao. Ifony amin'i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an'ny olona Mosesy.
ויבא העם אל משה ויאמרו חטאנו כי דברנו ביהוה ובך התפלל אל יהוה ויסר מעלינו את הנחש ויתפלל משה בעד העם׃
Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran'afo, ka ahantòny amin'ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany.
ויאמר יהוה אל משה עשה לך שרף ושים אתו על נס והיה כל הנשוך וראה אתו וחי׃
Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin'ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.
ויעש משה נחש נחשת וישמהו על הנס והיה אם נשך הנחש את איש והביט אל נחש הנחשת וחי׃
Ary ny Zanak'Isiraely nifindra ka nitoby tao Obota.
ויסעו בני ישראל ויחנו באבת׃
Ary nony niala tao Obota, izy, dia nitoby tao Ie-abarima, tany amin'ny efitra izay mifanolotra amin'i Moaba, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro.
ויסעו מאבת ויחנו בעיי העברים במדבר אשר על פני מואב ממזרח השמש׃
Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao amin'ny lohasahan-driaka Zareda.
משם נסעו ויחנו בנחל זרד׃
Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin'i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin'ny fari-tanin'ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin'ny Moabita, eo anelanelan'ny Moabita sy ny Amorita.
משם נסעו ויחנו מעבר ארנון אשר במדבר היצא מגבול האמרי כי ארנון גבול מואב בין מואב ובין האמרי׃
Koa izany no ilazana eo amin'ny Bokin'ny Adin'i Jehovah hoe: Vaheba any Sofa sy ny lohasahan-driaka Arnona,
על כן יאמר בספר מלחמת יהוה את והב בסופה ואת הנחלים ארנון׃
Ary ny tany kisolosolo amin'ny lohasahan-driaka, izay mandroso mankeo amin'ny tanin'i Ara ka mipaka amin'ny fari-tanin'i Moaba.
ואשד הנחלים אשר נטה לשבת ער ונשען לגבול מואב׃
Ary niala tao izy hankany Bera, dia ilay lavaka fantsakana nilazan'i Jehovah tamin'i Mosesy hoe: Angony ny olona, fa homeko rano izy.
ומשם בארה הוא הבאר אשר אמר יהוה למשה אסף את העם ואתנה להם מים׃
Dia nihira izao fihirana izao ny Isiraely: Miboiboiha, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo an-kira izy;
אז ישיר ישראל את השירה הזאת עלי באר ענו לה׃
Lavaka fantsakana izay nohadin'ireo mpanao lalàna, ary nolavahan'ireo manan-kaja amin'ny firenena. Tamin'ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala tany an-efitra izy, dia nankao Matana.
באר חפרוה שרים כרוה נדיבי העם במחקק במשענתם וממדבר מתנה׃
Ary nony niala tao Matana izy, dia nankao Nahaliela; ary nony niala tao Nahaliela izy, dia nankao Bamota;
וממתנה נחליאל ומנחליאל במות׃
ary nony niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin'ny tany Moaba, ao an-tampon'i Pisga, izay manatrika ny efitra.
ומבמות הגיא אשר בשדה מואב ראש הפסגה ונשקפה על פני הישימן׃
Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, hanao hoe:
וישלח ישראל מלאכים אל סיחן מלך האמרי לאמר׃
Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay, fa tsy hania ho amin'ny saha na ho amin'ny tanim-boaloboka izahay, ary tsy hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana; ny lalan'andriana ihany no halehanay mandra-pahafakay ny fari-taninao.
אעברה בארצך לא נטה בשדה ובכרם לא נשתה מי באר בדרך המלך נלך עד אשר נעבר גבלך׃
Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin'ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin'ny Isiraely teo izy.
ולא נתן סיחן את ישראל עבר בגבלו ויאסף סיחן את כל עמו ויצא לקראת ישראל המדברה ויבא יהצה וילחם בישראל׃
Ary ny Isiraely namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Amona ka hatrany Jaboka, dia hatramin'ny taranak'i Amona; fa mafy ny fari-tanin'ny taranak'i Amona.
ויכהו ישראל לפי חרב ויירש את ארצו מארנן עד יבק עד בני עמון כי עז גבול בני עמון׃
Dia nalain'ny Isiraely izany tanàna rehetra izany; ary nonenany ny tanànan'ny Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra.
ויקח ישראל את כל הערים האלה וישב ישראל בכל ערי האמרי בחשבון ובכל בנתיה׃
Hesbona no tanànan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan'i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.
כי חשבון עיר סיחן מלך האמרי הוא והוא נלחם במלך מואב הראשון ויקח את כל ארצו מידו עד ארנן׃
Izany no nanaovan'ny mpanao oha-teny hoe: Midira ao Hesbona ianareo; aoka hamboarina sy hatao mafy ny tanànan'i Sihona;
על כן יאמרו המשלים באו חשבון תבנה ותכונן עיר סיחון׃
Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona, sy lelafo avy tao an-tanànan'i Sihona, Ka nandevona an'i Aran'i Moaba sy ny tompon'ny havoan'i Arnona.
כי אש יצאה מחשבון להבה מקרית סיחן אכלה ער מואב בעלי במות ארנן׃
Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon'i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany ho babo ny zananivavy, ho an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita.
אוי לך מואב אבדת עם כמוש נתן בניו פליטם ובנתיו בשבית למלך אמרי סיחון׃
Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an'i Medeba.
ונירם אבד חשבון עד דיבון ונשים עד נפח אשר עד מידבא׃
Dia nitoetra tao amin'ny tanin'ny Amorita ny Isiraely.
וישב ישראל בארץ האמרי׃
Ary Mosesy naniraka olona hisafo an'i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay tany.
וישלח משה לרגל את יעזר וילכדו בנתיה ויירש את האמרי אשר שם׃
Ary niverina ny olona ka niakatra tamin'ny lalana mankany Basana; dia nivoaka Oga, mpanjakan'i Basana, hihaona aminy, dia izy sy ny vahoakany rehetra, hiady tao Edrehy.
ויפנו ויעלו דרך הבשן ויצא עוג מלך הבשן לקראתם הוא וכל עמו למלחמה אדרעי׃
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona.
ויאמר יהוה אל משה אל תירא אתו כי בידך נתתי אתו ואת כל עמו ואת ארצו ועשית לו כאשר עשית לסיחן מלך האמרי אשר יושב בחשבון׃
Dia namely azy sy ny zananilahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy.
ויכו אתו ואת בניו ואת כל עמו עד בלתי השאיר לו שריד ויירשו את ארצו׃