Judges 17

Nisy lehilahy tany amin'ny tany havoan'i Efraima, Mika no anarany.
ויהי איש מהר אפרים ושמו מיכיהו׃
Ary hoy izy tamin'ny reniny: Ilay sekely volafotsy zato amby arivo nalaina taminao, izay nasianao ozona sady nolazainao teo anatrehako, indro, ato amiko ny vola; izaho no naka azy. Dia hoy ny reniny: Hotahin'i Jehovah anie ny zanako.
ויאמר לאמו אלף ומאה הכסף אשר לקח לך ואתי אלית וגם אמרת באזני הנה הכסף אתי אני לקחתיו ותאמר אמו ברוך בני ליהוה׃
Ary rehefa naveriny tamin'ny reniny ny sekely volafotsy zato amby arivo, dia hoy reniny: Atokako ho an'i Jehovah mihitsy ity vola avy amin'ny tanako ity ka hatolotro ho anao, ry zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, ary ankehitriny dia averiko ho aminao izy.
וישב את אלף ומאה הכסף לאמו ותאמר אמו הקדש הקדשתי את הכסף ליהוה מידי לבני לעשות פסל ומסכה ועתה אשיבנו לך׃
Ary rehefa naveriny tamin-dreniny ny volafotsy, dia naka volafotsy roan-jato ny reniny, ka nomeny ny mpanao an-idina hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina; dia natao tao an-tranon'i Mika izany.
וישב את הכסף לאמו ותקח אמו מאתים כסף ותתנהו לצורף ויעשהו פסל ומסכה ויהי בבית מיכיהו׃
Ary nanana tranon'andriamanitra Mika sady efa nanao efoda sy terafima; ary ny zanany anankiray no natokany ka tonga mpisorony.
והאיש מיכה לו בית אלהים ויעש אפוד ותרפים וימלא את יד אחד מבניו ויהי לו לכהן׃
Tamin'izany andro izany tsy nisy mpanjaka tamin'ny Isiraely: fa samy nanao izay nataony ho marina avy ny olona rehetra.
בימים ההם אין מלך בישראל איש הישר בעיניו יעשה׃
Ary nisy zatovo avy any Betlehema-joda, tamin'ny fokon'i Joda, ary Levita izy sady nivahiny tao.
ויהי נער מבית לחם יהודה ממשפחת יהודה והוא לוי והוא גר שם׃
Ary ralehilahy niala tao an-tanàna Betlehema-joda hivahiny any amin'izay azony hitoerana; ary nony nandeha izy, dia tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima tao an-tranon'i Mika.
וילך האיש מהעיר מבית לחם יהודה לגור באשר ימצא ויבא הר אפרים עד בית מיכה לעשות דרכו׃
Ary hoy Mika taminy: Avy aiza moa ianao? Dia hoy kosa izy taminy: Levita avy any Betlehema-joda aho ka mandeha hivahiny eny amin'izay azoko hitoerana.
ויאמר לו מיכה מאין תבוא ויאמר אליו לוי אנכי מבית לחם יהודה ואנכי הלך לגור באשר אמצא׃
Dia hoy Mika taminy: Mitoera atỳ amiko ianao, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko, dia homeko sekely folo volafotsy isan-taona sy fitafiana ary hanina. Dia niditra ilay Levita.
ויאמר לו מיכה שבה עמדי והיה לי לאב ולכהן ואנכי אתן לך עשרת כסף לימים וערך בגדים ומחיתך וילך הלוי׃
Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy ilay Levita, ka dia tonga tahaka ny zanany izy.
ויואל הלוי לשבת את האיש ויהי הנער לו כאחד מבניו׃
Dia natokan'i Mika ilay Levita, ka dia tonga mpisorony izy ary nitoetra tao an-tranon'i Mika.
וימלא מיכה את יד הלוי ויהי לו הנער לכהן ויהי בבית מיכה׃
Dia hoy Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy Jehovah, satria manana ity Levita ity ho mpisoroko aho.
ויאמר מיכה עתה ידעתי כי ייטיב יהוה לי כי היה לי הלוי לכהן׃