Job 22

Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
ויען אליפז התמני ויאמר׃
Mahasoa an'Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
הלאל יסכן גבר כי יסכן עלימו משכיל׃
Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?
החפץ לשדי כי תצדק ואם בצע כי תתם דרכיך׃
Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin'ny fitsarana?
המיראתך יכיחך יבוא עמך במשפט׃
Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?
הלא רעתך רבה ואין קץ לעונתיך׃
Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin'ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon'ny mahantra.
כי תחבל אחיך חנם ובגדי ערומים תפשיט׃
Tsy nanome rano hosotroin'ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an'ny noana.
לא מים עיף תשקה ומרעב תמנע לחם׃
Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.
ואיש זרוע לו הארץ ונשוא פנים ישב בה׃
Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin'ny kamboty.
אלמנות שלחת ריקם וזרעות יתמים ידכא׃
Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;
על כן סביבותיך פחים ויבהלך פחד פתאם׃
Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?
או חשך לא תראה ושפעת מים תכסך׃
Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon'ny kintana, endrey ny hahavony!
הלא אלוה גבה שמים וראה ראש כוכבים כי רמו׃
Nefa hoy ianao: Ataon'Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?
ואמרת מה ידע אל הבעד ערפל ישפוט׃
Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin'ny lanitra Izy.
עבים סתר לו ולא יראה וחוג שמים יתהלך׃
Moa hizotra amin'ny lalana izay nalehan'ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan'ny olona ratsy fanahy.
הארח עולם תשמר אשר דרכו מתי און׃
Izay nesorina alohan'ny androny, ka nindaosin'ny riaka ny fanorenany,
אשר קמטו ולא עת נהר יוצק יסודם׃
Dia ireo izay manao tamin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon'ny Tsitoha atao ho anay?
האמרים לאל סור ממנו ומה יפעל שדי למו׃
Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy!
והוא מלא בתיהם טוב ועצת רשעים רחקה מני׃
Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:
יראו צדיקים וישמחו ונקי ילעג למו׃
Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon'ny afo.
אם לא נכחד קימנו ויתרם אכלה אש׃
Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao.
הסכן נא עמו ושלם בהם תבואתך טובה׃
Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin'ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
קח נא מפיו תורה ושים אמריו בלבבך׃
Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
אם תשוב עד שדי תבנה תרחיק עולה מאהלך׃
Ario eny amin'ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin'ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;
ושית על עפר בצר ובצור נחלים אופיר׃
Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao.
והיה שדי בצריך וכסף תועפות לך׃
Fa amin'izany dia hiravoravo amin'ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra.
כי אז על שדי תתענג ותשא אל אלוה פניך׃
Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.
תעתיר אליו וישמעך ונדריך תשלם׃
Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin'ny lalanao ny mazava.
ותגזר אומר ויקם לך ועל דרכיך נגה אור׃
Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.
כי השפילו ותאמר גוה ושח עינים יושע׃
Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan'ny tananao no hamonjena azy.
ימלט אי נקי ונמלט בבר כפיך׃