Jeremiah 40

Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, taorian'ny nandefasan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, azy niala tany Rama, tamin'ilay nampanalany azy fony izy mbola nigadra tao amin'ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay nentina ho babo tany Babylona.
הדבר אשר היה אל ירמיהו מאת יהוה אחר שלח אתו נבוזראדן רב טבחים מן הרמה בקחתו אתו והוא אסור באזקים בתוך כל גלות ירושלם ויהודה המגלים בבלה׃
An'ny lehiben'ny mpiambina dia naka an'i Jeremia ka nanao taminy hoe: Jehovah Andriamanitrao nanambara izao loza izao, izay nanjo ity tanàna ity.
ויקח רב טבחים לירמיהו ויאמר אליו יהוה אלהיך דבר את הרעה הזאת אל המקום הזה׃
Ary Jehovah nahatonga izany ka nanao araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin'i Jehovah sy ny tsy nihainoanareo ny feony, dia izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.
ויבא ויעש יהוה כאשר דבר כי חטאתם ליהוה ולא שמעתם בקולו והיה לכם דבר הזה׃
Ary, indro, ankehitriny vahako izao ny gadra amin'ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao kosa ny hiaraka amiko hankany Babylona, dia andeha, fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano.
ועתה הנה פתחתיך היום מן האזקים אשר על ידך אם טוב בעיניך לבוא אתי בבל בא ואשים את עיני עליך ואם רע בעיניך לבוא אתי בבל חדל ראה כל הארץ לפניך אל טוב ואל הישר בעיניך ללכת שמה לך׃
Ary raha tsy mbola nety nandeha izy, dia hoy Nebozaradana: Miverena indray any amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, izay voatendrin'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tanànan'ny Joda ka tomoera aminy ao amin'ny olona, na mandehana any amin'izay tianao haleha na aiza na aiza. Dia nomen'ny lehiben'ny mpiambina vatsy sy fanomezana izy ka nalefany handeha.
ועודנו לא ישוב ושבה אל גדליה בן אחיקם בן שפן אשר הפקיד מלך בבל בערי יהודה ושב אתו בתוך העם או אל כל הישר בעיניך ללכת לך ויתן לו רב טבחים ארחה ומשאת וישלחהו׃
Ary Jeremia nankany amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, tany Mizpa ka niara-nonina taminy tao amin'ny vahoaka izay sisa velona tamin'ny tany.
ויבא ירמיהו אל גדליה בן אחיקם המצפתה וישב אתו בתוך העם הנשארים בארץ׃
Ary raha ren'ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan'i Babylona efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin'ny zaza amim-behivavy ary ny malahelo sasany teo amin'ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babylona,
וישמעו כל שרי החילים אשר בשדה המה ואנשיהם כי הפקיד מלך בבל את גדליהו בן אחיקם בארץ וכי הפקיד אתו אנשים ונשים וטף ומדלת הארץ מאשר לא הגלו בבלה׃
dia tonga tany amin'i Gedalia tany Mizpa izy, dia Isimaela, zanak'i Netania, sy Johanana sy Jonatana, zanak'i Karea, sy Seraia, zanak'i Tanometa, sy ny zanak'i Efay Netofatita ary Jazania, zanak'ilay Makatita, dia izy ireny sy ny olom-peheziny avy.
ויבאו אל גדליה המצפתה וישמעאל בן נתניהו ויוחנן ויונתן בני קרח ושריה בן תנחמת ובני עופי הנטפתי ויזניהו בן המעכתי המה ואנשיהם׃
Ary Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nianiana taminy sy tamin'ny olona-peheziny nanao hoe: Aza matahotra hanompo ny Kaldeana; monena amin'ny tany, ka manompoa ny mpanjakan'i Babylona, dia hahita soa ianareo.
וישבע להם גדליהו בן אחיקם בן שפן ולאנשיהם לאמר אל תיראו מעבוד הכשדים שבו בארץ ועבדו את מלך בבל וייטב לכם׃
Ary ny amiko, dia, indro, honina any Mizpa aho hanompo ny Kaldeana izay ho avy etỳ amintsika; fa ianareo dia manangona divay sy voankazo masaka fahavaratra ary diloilo, ka ataovy ao amin'ny fitehirizanareo, dia monena amin'izay tanàna nidiranareo.
ואני הנני ישב במצפה לעמד לפני הכשדים אשר יבאו אלינו ואתם אספו יין וקיץ ושמן ושמו בכליכם ושבו בעריכם אשר תפשתם׃
Ary koa, ny Jiosy rehetra izay tany Moaba sy tany amin'ny taranak'i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin'ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan i Babylona efa namela ny Joda hisy sisa sady efa nanendry an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, ho mpanapaka azy,
וגם כל היהודים אשר במואב ובבני עמון ובאדום ואשר בכל הארצות שמעו כי נתן מלך בבל שארית ליהודה וכי הפקיד עליהם את גדליהו בן אחיקם בן שפן׃
dia niverina ny Jiosy rehetra avy tany amin'ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany amin'ny tanin'ny Joda ho any amin'i Gedalia tao Mizpa, ka nanangona divay sy voankazo sesehena masaka fahavaratra izy.
וישבו כל היהודים מכל המקמות אשר נדחו שם ויבאו ארץ יהודה אל גדליהו המצפתה ויאספו יין וקיץ הרבה מאד׃
Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha dia tonga tany amin'i Gedalia tany Mizpa
ויוחנן בן קרח וכל שרי החילים אשר בשדה באו אל גדליהו המצפתה׃
ka nanao taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa Balisa, mpanjakan'ny taranak'i Amona, dia naniraka an'Isimaela, zanak'i Netania, hamono anao? Nefa tsy nino azy Gedalia, zanak i Ahikama.
ויאמרו אליו הידע תדע כי בעליס מלך בני עמון שלח את ישמעאל בן נתניה להכתך נפש ולא האמין להם גדליהו בן אחיקם׃
Ary Johanana, zanak'i Karea, nilaza mangingina tamin'i Gedalia tao Mizpa nanao hoe: masìna ianao, aoka aho handeha hamono an'Isimaela, zanak'i Netania, fa tsy hisy olona hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin'ny Joda?
ויוחנן בן קרח אמר אל גדליהו בסתר במצפה לאמר אלכה נא ואכה את ישמעאל בן נתניה ואיש לא ידע למה יככה נפש ונפצו כל יהודה הנקבצים אליך ואבדה שארית יהודה׃
Fa hoy Gedalia, zanak'i Ahikama, tamin'i Johanana, zanak'i Karea: Aza manao izany ianao, fa miampanga lainga foana an'Isimaela ianao.
ויאמר גדליהו בן אחיקם אל יוחנן בן קרח אל תעש את הדבר הזה כי שקר אתה דבר אל ישמעאל׃