Jeremiah 1

Ny tenin'i Jeremia, zanak'i Hilkia, isan'ny mpisorona tao Anatota, tamin'ny tanin'ny Benjamina,
דברי ירמיהו בן חלקיהו מן הכהנים אשר בענתות בארץ בנימן׃
izay nanambarana ny tenin'i Jehovah tamin'ny andron'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakany,
אשר היה דבר יהוה אליו בימי יאשיהו בן אמון מלך יהודה בשלש עשרה שנה למלכו׃
sy tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda koa, ka hatramin'ny faran'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia hatramin'ny namaboana an'i Jerosalema tamin'ny volana fahadimy.
ויהי בימי יהויקים בן יאשיהו מלך יהודה עד תם עשתי עשרה שנה לצדקיהו בן יאשיהו מלך יהודה עד גלות ירושלם בחדש החמישי׃
Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
ויהי דבר יהוה אלי לאמר׃
Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena.
בטרם אצורך בבטן ידעתיך ובטרם תצא מרחם הקדשתיך נביא לגוים נתתיך׃
Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.
ואמר אהה אדני יהוה הנה לא ידעתי דבר כי נער אנכי׃
Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.
ויאמר יהוה אלי אל תאמר נער אנכי כי על כל אשר אשלחך תלך ואת כל אשר אצוך תדבר׃
Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
אל תירא מפניהם כי אתך אני להצלך נאם יהוה׃
Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko,
וישלח יהוה את ידו ויגע על פי ויאמר יהוה אלי הנה נתתי דברי בפיך׃
ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin'ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.
ראה הפקדתיך היום הזה על הגוים ועל הממלכות לנתוש ולנתוץ ולהאביד ולהרוס לבנות ולנטוע׃
Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako.
ויהי דבר יהוה אלי לאמר מה אתה ראה ירמיהו ואמר מקל שקד אני ראה׃
Dia hoy Jehovah tamiko: Marina ny ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko.
ויאמר יהוה אלי היטבת לראות כי שקד אני על דברי לעשתו׃
Ary tonga tamiko fanindroany indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao; Ary hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany.
ויהי דבר יהוה אלי שנית לאמר מה אתה ראה ואמר סיר נפוח אני ראה ופניו מפני צפונה׃
Dia hoy Jehovah tamiko: Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra amin'ny tany.
ויאמר יהוה אלי מצפון תפתח הרעה על כל ישבי הארץ׃
Fa, indro, hantsoiko firenena rehetra amin'ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan'ny vavahadin'i Jerosalema avokoa hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda.
כי הנני קרא לכל משפחות ממלכות צפונה נאם יהוה ובאו ונתנו איש כסאו פתח שערי ירושלם ועל כל חומתיה סביב ועל כל ערי יהודה׃
Ary hifandahatra aminy Aho noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an'ny andriamani-kafa ary ny niankohofany teo anatrehan'ny asan'ny tànany.
ודברתי משפטי אותם על כל רעתם אשר עזבוני ויקטרו לאלהים אחרים וישתחוו למעשי ידיהם׃
Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
ואתה תאזר מתניך וקמת ודברת אליהם את כל אשר אנכי אצוך אל תחת מפניהם פן אחתך לפניהם׃
Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon'ny tany rehetra, na ny mpanjakan'ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka.
ואני הנה נתתיך היום לעיר מבצר ולעמוד ברזל ולחמות נחשת על כל הארץ למלכי יהודה לשריה לכהניה ולעם הארץ׃
Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
ונלחמו אליך ולא יוכלו לך כי אתך אני נאם יהוה להצילך׃