James 3

Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany ianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra.
אחי אל יהיו רבים מכם למורים באשר ידעתם כי בזאת נכביד עלינו את הדין׃
Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
כי כלנו מרבים להכשל ואשר לא יכשל בדבור הוא איש תמים וביכלתו לשום רסן גם לכל גופו׃
Ary raha asiantsika lamboridy amin'ny vavan'ny soavaly mba hanarahany antsika, dia mitondra ny tenany rehetra isika.
הנה בפי הסוסים נשים את הרסן למען אשר ישמעו לנו ונהגנו בו את כל גויתם׃
Indreo koa ny sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin'ny rivotra mahery, dia ahodin'ny familiana kely foana izy ho any amin'izay tian'ny mpitondra.
והנה האניות אף כי גדלות הנה ורוחות קשות יהדפום ינהג אתן משוט קטן אל כל אשר יחפץ החבל כן גם הלשון אבר קטן היא וגדלות תדבר׃
Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon'ny antontan-kazo arehitry ny afo kely!
ראה מה גדול היער ואש קטנה תבעירנו גם הלשון אש היא עולם מלא עולה׃
Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin'ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo izy;
כן הלשון נצבת בין אברינו המגאלת את כל הגוף ומלהטת את גלגל הויתנו והיא להוטה באש גיהנם׃
Fa folaka avokoa ny karazan'ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin'ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny;
כי מין כל בהמה ועוף ורמש וחיות הים יכבש ונכבשים הם על ידי מין האדם׃
fa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty.
אבל הלשון אין אדם יכל לכבשה אין מעצור לרעה הזאת וסם המות מלאה׃
Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik'Andriamanitra.
בה נברך את האלהים אבינו ובה נקלל את האנשים העשוים בצלם אלהים׃
Ny vava iray ihany no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.
מפה אחד יצאת ברכה וקללה וכן לא יעשה אחי׃
Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin'ny vavany iray ihany?
היביע המעין מתוקים ומרים ממוצא אחד׃
Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan'oliva, na ny voaloboka mamoa voan'aviavy? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan'ny mamy.
אחי היוכל עץ התאנה להוציא זיתים או התוכל הגפן להוציא תאנים כן גם מעין אחד לא יוכל נבע מים מלוחים ומתוקים׃
Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin'ny fitondran-tena tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena.
מי בכם חכם ונבון יראה בדרכו הטובה את מעשיו בענות החכמה׃
Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina.
ואם קנאה מרה ומריבה בלבבכם אל תתהללו ואל תשקרו באמת׃
Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an'ny demonia.
אין זאת החכמה הירדת ממעל כי אם חכמת אדמה היא וחכמת היצר והשדים׃
Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra.
כי במקום קנאה ומריבה שם מהומה וכל מעשה רע׃
Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.
אבל החכמה אשר ממעל בראשונה צנועה היא אף אהבת שלום ומכרעת לכף זכות ואיננה עמדת על דעתה ומלאה רחמים ופרי טוב בלא לב ולב ובלי חנפה׃
Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana.
ופרי הצדקה בשלום יזרע לעשי השלום׃