Isaiah 40

Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
נחמו נחמו עמי יאמר אלהיכם׃
Mitoria teny soa mahafaly amin'i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin'ny tànan'i Jehovah izy ho valin'ny fahotana rehetra nataony.
דברו על לב ירושלם וקראו אליה כי מלאה צבאה כי נרצה עונה כי לקחה מיד יהוה כפלים בכל חטאתיה׃
Injany! misy feon'ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an'i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an'Andriamanitsika.
קול קורא במדבר פנו דרך יהוה ישרו בערבה מסלה לאלהינו׃
Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka;
כל גיא ינשא וכל הר וגבעה ישפלו והיה העקב למישור והרכסים לבקעה׃
Dia hiseho ny voninahitr'i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
ונגלה כבוד יהוה וראו כל בשר יחדו כי פי יהוה דבר׃
Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha;
קול אמר קרא ואמר מה אקרא כל הבשר חציר וכל חסדו כציץ השדה׃
Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin'ny fofonain'i Jehovah ireny; Eny, ahitra tokoa ny olona.
יבש חציר נבל ציץ כי רוח יהוה נשבה בו אכן חציר העם׃
Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
יבש חציר נבל ציץ ודבר אלהינו יקום לעולם׃
Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo!
על הר גבה עלי לך מבשרת ציון הרימי בכח קולך מבשרת ירושלם הרימי אל תיראי אמרי לערי יהודה הנה אלהיכם׃
Indro, Jehovah Tompo ho avy amin'ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany.
הנה אדני יהוה בחזק יבוא וזרעו משלה לו הנה שכרו אתו ופעלתו לפניו׃
Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak'ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
כרעה עדרו ירעה בזרעו יקבץ טלאים ובחיקו ישא עלות ינהל׃
Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin'ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin'ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin'ny fandanjana sy ny havoana tamin'ny mizana?
מי מדד בשעלו מים ושמים בזרת תכן וכל בשלש עפר הארץ ושקל בפלס הרים וגבעות במאזנים׃
Iza no nanome hevitra ny Fanahin'i Jehovah, ary iza no mpanolo-tsaina nampianatra Azy?
מי תכן את רוח יהוה ואיש עצתו יודיענו׃
Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny lalan'ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny lalan'ny fahendrena ?
את מי נועץ ויבינהו וילמדהו בארח משפט וילמדהו דעת ודרך תבונות יודיענו׃
Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin'ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madiniKa amin'ny mizana; Indro, ny nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra bitika indrindra.
הן גוים כמר מדלי וכשחק מאזנים נחשבו הן איים כדק יטול׃
Ary Libanona aza tsy ampy hataina, ary ny biby ao tsy ampy ho fanatitra dorana.
ולבנון אין די בער וחיתו אין די עולה׃
Ny firenena rehetra dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, ka ataony ho naman'ny tsinontsinona sy ny zava-poana izy.
כל הגוים כאין נגדו מאפס ותהו נחשבו לו׃
Koa ampitovinareo amin'iza moa Andriamanitra ? Ary endrik'inona no ampanahafinareo Azy ?
ואל מי תדמיון אל ומה דמות תערכו לו׃
Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.
הפסל נסך חרש וצרף בזהב ירקענו ורתקות כסף צורף׃
Izay malahelo ka tsy manan-katerina dia mifidy hazo tsy mety ho lò ary mitady mpiasa mahay zavatra mba hamorona sarin-javatra voasokitra izay tsy hihezongozona.
המסכן תרומה עץ לא ירקב יבחר חרש חכם יבקש לו להכין פסל לא ימוט׃
Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin'ny fanorenan'ny tany?
הלוא תדעו הלוא תשמעו הלוא הגד מראש לכם הלוא הבינתם מוסדות הארץ׃
Izy no mipetraka amin'ny habakabaka ambonin'ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;
הישב על חוג הארץ וישביה כחגבים הנוטה כדק שמים וימתחם כאהל לשבת׃
Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin'ny tany ho tahaka ny zava-poana.
הנותן רוזנים לאין שפטי ארץ כתהו עשה׃
Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin'ny tany ny fotony, dia notsofin'Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin'ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy.
אף בל נטעו אף בל זרעו אף בל שרש בארץ גזעם וגם נשף בהם ויבשו וסערה כקש תשאם׃
Koa ampitovinareo amin'iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina.
ואל מי תדמיוני ואשוה יאמר קדוש׃
Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy noho ny haben'ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.
שאו מרום עיניכם וראו מי ברא אלה המוציא במספר צבאם לכלם בשם יקרא מרב אונים ואמיץ כח איש לא נעדר׃
Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?
למה תאמר יעקב ותדבר ישראל נסתרה דרכי מיהוה ומאלהי משפטי יעבור׃
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.
הלוא ידעת אם לא שמעת אלהי עולם יהוה בורא קצות הארץ לא ייעף ולא ייגע אין חקר לתבונתו׃
Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.
נתן ליעף כח ולאין אונים עצמה ירבה׃
Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;
ויעפו נערים ויגעו ובחורים כשול יכשלו׃
Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.
וקוי יהוה יחליפו כח יעלו אבר כנשרים ירוצו ולא ייגעו ילכו ולא ייעפו׃