Isaiah 12

Ary hiteny ianao amin'izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, dia afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao.
ואמרת ביום ההוא אודך יהוה כי אנפת בי ישב אפך ותנחמני׃
Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy.
הנה אל ישועתי אבטח ולא אפחד כי עזי וזמרת יה יהוה ויהי לי לישועה׃
Koa amin'ny fifaliana no hantsakanareo rano amin'ny loharanom-pamonjena.
ושאבתם מים בששון ממעיני הישועה׃
Ary hiteny ianao amin'izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin'ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.
ואמרתם ביום ההוא הודו ליהוה קראו בשמו הודיעו בעמים עלילתיו הזכירו כי נשגב שמו׃
Mankalazà an'i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin'ny tany rehetra izany.
זמרו יהוה כי גאות עשה מידעת זאת בכל הארץ׃
Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin'ny Isiraely.
צהלי ורני יושבת ציון כי גדול בקרבך קדוש ישראל׃