Isaiah 1

Ny fahitan'Isaia, zanak'i Amoza, izay hitany ny amin'ny Joda sy Jerosalema tamin'ny andron'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan'ny Joda.
חזון ישעיהו בן אמוץ אשר חזה על יהודה וירושלם בימי עזיהו יותם אחז יחזקיהו מלכי יהודה׃
Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.
שמעו שמים והאזיני ארץ כי יהוה דבר בנים גדלתי ורוממתי והם פשעו בי׃
Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon'ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina.
ידע שור קנהו וחמור אבוס בעליו ישראל לא ידע עמי לא התבונן׃
Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin'ny Isiraely. Efa nihodina izy.
הוי גוי חטא עם כבד עון זרע מרעים בנים משחיתים עזבו את יהוה נאצו את קדוש ישראל נזרו אחור׃
Nahoana no mbola ta-hasiana ihany ianareo noho izao fiodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra.
על מה תכו עוד תוסיפו סרה כל ראש לחלי וכל לבב דוי׃
Hatramin'ny faladia ka hatramin'ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin'ny diloilo izy.
מכף רגל ועד ראש אין בו מתם פצע וחבורה ומכה טריה לא זרו ולא חבשו ולא רככה בשמן׃
Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin'ny afo; Ny tany volenareo dia lanin'ny fahavalo eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan'ny fahavalo.
ארצכם שממה עריכם שרפות אש אדמתכם לנגדכם זרים אכלים אתה ושממה כמהפכת זרים׃
Ary Ziona zanakavavy dia nilaozana tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka, Sy tahaka ny fandriana mihantona an'ny mpiandry voly ao anaty tanimbolim-boantango, Dia tahaka ny tanàna atao fahirano.
ונותרה בת ציון כסכה בכרם כמלונה במקשה כעיר נצורה׃
Raha tsy nosisan'i Jehovah. Tompon'ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma Ary nitovy tamin'i Gomora.
לולי יהוה צבאות הותיר לנו שריד כמעט כסדם היינו לעמרה דמינו׃
Mandrenesa ny tenin'i Jehovah, ry mpitsaran'i Sodoma; Mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gomora.
שמעו דבר יהוה קציני סדם האזינו תורת אלהינו עם עמרה׃
Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran'ny zanak'omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny an'ny zanak'ondry ary ny an'ny osilahy.
למה לי רב זבחיכם יאמר יהוה שבעתי עלות אילים וחלב מריאים ודם פרים וכבשים ועתודים לא חפצתי׃
Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako?
כי תבאו לראות פני מי בקש זאת מידכם רמס חצרי׃
Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!
לא תוסיפו הביא מנחת שוא קטרת תועבה היא לי חדש ושבת קרא מקרא לא אוכל און ועצרה׃
Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan'ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.
חדשיכם ומועדיכם שנאה נפשי היו עלי לטרח נלאיתי נשא׃
Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran'olona ny tananareo.
ובפרשכם כפיכם אעלים עיני מכם גם כי תרבו תפלה אינני שמע ידיכם דמים מלאו׃
Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan'ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy;
רחצו הזכו הסירו רע מעלליכם מנגד עיני חדלו הרע׃
Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin'ny mpitondratena.
למדו היטב דרשו משפט אשרו חמוץ שפטו יתום ריבו אלמנה׃
Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.
לכו נא ונוכחה יאמר יהוה אם יהיו חטאיכם כשנים כשלג ילבינו אם יאדימו כתולע כצמר יהיו׃
Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin'ny tany;
אם תאבו ושמעתם טוב הארץ תאכלו׃
Fa raha mbola mandà sy miodina ihany ianareo, Dia ho lanin'ny sabatra: Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
ואם תמאנו ומריתם חרב תאכלו כי פי יהוה דבר׃
Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran'ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.
איכה היתה לזונה קריה נאמנה מלאתי משפט צדק ילין בה ועתה מרצחים׃
Ny volafotsinao efa tonga tain-drendrika; Ny divainao efa voatsatso rano;
כספך היה לסיגים סבאך מהול במים׃
Ny lehibenao dia mpiodina sady naman'ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin'ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany.
שריך סוררים וחברי גנבים כלו אהב שחד ורדף שלמנים יתום לא ישפטו וריב אלמנה לא יבוא אליהם׃
Ka dia hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Ilay Maherin'ny Isiraely: E! hiala fo amin'ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko.
לכן נאם האדון יהוה צבאות אביר ישראל הוי אנחם מצרי ואנקמה מאויבי׃
Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin'ny lavenona ianao hahafahan'ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.
ואשיבה ידי עליך ואצרף כבר סיגיך ואסירה כל בדיליך׃
Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin'ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan'ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.
ואשיבה שפטיך כבראשנה ויעציך כבתחלה אחרי כן יקרא לך עיר הצדק קריה נאמנה׃
Ziona havotana amin'ny fitsarana, ary izay efa mibebaka ao dia havotana amin'ny fahamarinana;
ציון במשפט תפדה ושביה בצדקה׃
Ary samy haringana avotoa ny mpiodina sy ny mpanota, Eny, ho lany ritra izay mahafoy an'i Jehovah.
ושבר פשעים וחטאים יחדו ועזבי יהוה יכלו׃
Fa hahazo henatra ianareo noho ny amin'ny hazo terebinta izay nifalianareo, ary hangaihay ianareo noho ny amin'ny saha izay natokanareo.
כי יבשו מאילים אשר חמדתם ותחפרו מהגנות אשר בחרתם׃
Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.
כי תהיו כאלה נבלת עלה וכגנה אשר מים אין לה׃
Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon'afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.
והיה החסן לנערת ופעלו לניצוץ ובערו שניהם יחדו ואין מכבה׃