Genesis 46

Ary niainga Isiraely nitondra izay rehetra nananany ka nankany Beri-sheba, dia namono zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitr'Isaka rainy izy.
ויסע ישראל וכל אשר לו ויבא בארה שבע ויזבח זבחים לאלהי אביו יצחק׃
Ary Andriamanitra niteny tamin'Isiraely tao amin'ny fahitana nony alina ka nanao ho : Ry Jakoba, ry Jakoba ô! Ary hoy kosa izy: Inty aho.
ויאמר אלהים לישראל במראת הלילה ויאמר יעקב יעקב ויאמר הנני׃
Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta ianao, fa hataoko firenena lehibe any ianao.
ויאמר אנכי האל אלהי אביך אל תירא מרדה מצרימה כי לגוי גדול אשימך שם׃
Izaho hiara-midina aminao ho any Egypta; ary Izaho hitondra anao hiakatra indray tokoa ary ny tànan'i Josefa no hanirina ny masonao.
אנכי ארד עמך מצרימה ואנכי אעלך גם עלה ויוסף ישית ידו על עיניך׃
Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny zanak'Isiraely nitondra an'i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin'ny sariety, izay efa nampitondrain'i Farao hitondrana azy.
ויקם יעקב מבאר שבע וישאו בני ישראל את יעקב אביהם ואת טפם ואת נשיהם בעגלות אשר שלח פרעה לשאת אתו׃
Ary nentin'izy ireo ny omby aman'ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy:
ויקחו את מקניהם ואת רכושם אשר רכשו בארץ כנען ויבאו מצרימה יעקב וכל זרעו אתו׃
ny zananilahy sy ny zafini-lahy nomba azy, ary ny zananivavy sy ny zafini-vavy; eny, nentiny nomba azy ho any Egypta avokoa ny zanany rehetra.
בניו ובני בניו אתו בנתיו ובנות בניו וכל זרעו הביא אתו מצרימה׃
Ary izao no anaran'ny zanak'Isiraely izay tonga tany Egypta, dia Jakoba sy ny zananilahy :
ואלה שמות בני ישראל הבאים מצרימה יעקב ובניו בכר יעקב ראובן׃
Robena, lahimatoan'i Jakoba. Ary ny zanakalahin-dRobena dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy
ובני ראובן חנוך ופלוא וחצרון וכרמי׃
Ary ny zanakalahin'i Simeona dia Jemoela sy Jamina sy Ohada sy Jakina sy Zohara ary Saoly, zanakalahin'ny vehivavy Kananita.
ובני שמעון ימואל וימין ואהד ויכין וצחר ושאול בן הכנענית׃
Ary ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata atỳ Merary.
ובני לוי גרשון קהת ומררי׃
Ary ny zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy Onana anefa dia maty tany amin'ny tany Kanana ihany. Ary ny zanakalahin'i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
ובני יהודה ער ואונן ושלה ופרץ וזרח וימת ער ואונן בארץ כנען ויהיו בני פרץ חצרון וחמול׃
Ary ny zanakalahin'Isakara dia Tola sy Pova sy Joba ary Simrona.
ובני יששכר תולע ופוה ויוב ושמרון׃
Ary ny zanakalahin'i Zebolona dia Sereda sy Elona ary Jahalela.
ובני זבולן סרד ואלון ויחלאל׃
lreo no zanakalahin'i Lea izay naterany tamin'i Jakoba tany Mesopotamia, ary Dina zananivavy; ny isan'ny zananilahy rehetra mbamin'ny zananivavy dia telo amby telo-polo.
אלה בני לאה אשר ילדה ליעקב בפדן ארם ואת דינה בתו כל נפש בניו ובנותיו שלשים ושלש׃
Ary ny zanakalahin'i Gada dia Zifiona sy Hagy sy Sony sy Ezbona sy Erỳ sy Aroda ary Arely.
ובני גד צפיון וחגי שוני ואצבן ערי וארודי ואראלי׃
Ary ny zanak'i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria ary Sera, anabavin'ireo; ary ny zanakalahin'i Beria dia Hebera sy Malkiela.
ובני אשר ימנה וישוה וישוי ובריעה ושרח אחתם ובני בריעה חבר ומלכיאל׃
Ireo no zanak'i Zilpa, izay nomen'i Labana an'i Lea zananivavy, ary ireo no naterany tamin'i Jakoba, dia enina ambin'ny folo izy.
אלה בני זלפה אשר נתן לבן ללאה בתו ותלד את אלה ליעקב שש עשרה נפש׃
Ny zanakalahin-dRahely, vadin'i Jakoba dia Josefa sy Benjamina.
בני רחל אשת יעקב יוסף ובנימן׃
Ary ny zanakalahin'i Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, izay naterak'i Josefa tany amin'ny tany Egypta, dia Manase sy Efraima.
ויולד ליוסף בארץ מצרים אשר ילדה לו אסנת בת פוטי פרע כהן אן את מנשה ואת אפרים׃
Ary ny zanakalahin'i Benjamina dia Bela sy Bakera sy Asbela sy Gera sy Namana sy Ehy sy Rosy sy Mopima sy Hopima ary Arda.
ובני בנימן בלע ובכר ואשבל גרא ונעמן אחי וראש מפים וחפים וארד׃
Ireo no zanakalahin-dRahely, izay naterany tamin'i Jakoba; efatra ambin'ny folo ny isan'izy rehetra.
אלה בני רחל אשר ילד ליעקב כל נפש ארבעה עשר׃
Ary ny zanakalahin'i Dana dia Hosima.
ובני דן חשים׃
Ary ny zanakalahin'i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera ary Silema.
ובני נפתלי יחצאל וגוני ויצר ושלם׃
Ireo no zanakalahin'i Bila, izay nomen'i Labana an-dRahely zananivavy, ary ireo no naterak'i Jakoba; fito no isan'izy rehetra.
אלה בני בלהה אשר נתן לבן לרחל בתו ותלד את אלה ליעקב כל נפש שבעה׃
Ny isan'izay rehetra nankany Egypta niaraka tamin'i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony, afa-tsy ny vadin'ny zanakalahin'i Jakoba dia enina amby enim-polo.
כל הנפש הבאה ליעקב מצרימה יצאי ירכו מלבד נשי בני יעקב כל נפש ששים ושש׃
Ary ny zanakalahin'i Josefa, izay naterany tany Egypta, dia roa lahy; ny isan'ny terak'i Jakoba rehetra, izay tonga tany Egypta, dia fito-polo.
ובני יוסף אשר ילד לו במצרים נפש שנים כל הנפש לבית יעקב הבאה מצרימה שבעים׃
Ary Joda nirahiny nialoha azy hankany amin'i Josefa mba hanoro lalana azy ho any Gosena; dia tonga tany amin'ny tany Gosena izy.
ואת יהודה שלח לפניו אל יוסף להורת לפניו גשנה ויבאו ארצה גשן׃
Ary Josefa nampanamboatra ny kalesiny, dia niakatra hitsena an'Isiraely rainy tany Gosena izy; ary raha niseho taminy izy, dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo amin'ny vozony.
ויאסר יוסף מרכבתו ויעל לקראת ישראל אביו גשנה וירא אליו ויפל על צואריו ויבך על צואריו עוד׃
Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Aoka ho faty amin'izao aho, satria efa hitako ny tavanao, fa mbola velona ihany ianao.
ויאמר ישראל אל יוסף אמותה הפעם אחרי ראותי את פניך כי עודך חי׃
Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny sy ny ankohonan'ny rainy: Hiakatra aho hilaza amin'i Farao ka hanao aminy hoe: Ny rahalahiko sy ny ankohonan'ny raiko, izay tany amin'ny tany Kanana, dia efa tonga atỳ amiko.
ויאמר יוסף אל אחיו ואל בית אביו אעלה ואגידה לפרעה ואמרה אליו אחי ובית אבי אשר בארץ כנען באו אלי׃
Ary mpiandry ondry ireo lehilahy ireo, fa mpiompy omby aman'ondry izy; ary ny ondry aman'osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia nentiny avokoa.
והאנשים רעי צאן כי אנשי מקנה היו וצאנם ובקרם וכל אשר להם הביאו׃
Ary raha hiantso anareo Farao ka hanao hoe : Inona no raharaha fanaonareo?
והיה כי יקרא לכם פרעה ואמר מה מעשיכם׃
dia izao no havalinareo: Miompy omby aman'ondry no raharaha fanaon'ny mpanomponao, hatry ny fony vao zaza ka ambaraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay koa mba hahazoanareo monina ao amin'ny tany Gosena, satria fahavetavetana amin'ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra.
ואמרתם אנשי מקנה היו עבדיך מנעורינו ועד עתה גם אנחנו גם אבתינו בעבור תשבו בארץ גשן כי תועבת מצרים כל רעה צאן׃