Genesis 14

Ary tamin'ny andron'i Amrafela. mpanjakan'i Sinara, sy Arioka, mpanjakan'i Elasara. sy Kedorlaomera mpanjakan'i Elama. ary Tidala. mpanjakan'ny Goima,
ויהי בימי אמרפל מלך שנער אריוך מלך אלסר כדרלעמר מלך עילם ותדעל מלך גוים׃
dia nandeha izy ireo ka nanafika an'i Bera, mpanjakan'i Sodoma. sy Birsa, mpanjakan'i Gomora. sy Sinaba, mpanjakan'i Adma, sy Semebera, mpanjakan'i Zeboima, ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany).
עשו מלחמה את ברע מלך סדם ואת ברשע מלך עמרה שנאב מלך אדמה ושמאבר מלך צביים ומלך בלע היא צער׃
Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan'i Sidima (dia ny Ranomasin-tsira izany).
כל אלה חברו אל עמק השדים הוא ים המלח׃
Fa efa nanompo an'i Kedorlaomera roa ambin'ny folo taona ireo, fa tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo kosa dia niodina izy.
שתים עשרה שנה עבדו את כדרלעמר ושלש עשרה שנה מרדו׃
Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka namely ny Refaita tany Astarta-karnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-kiriataima
ובארבע עשרה שנה בא כדרלעמר והמלכים אשר אתו ויכו את רפאים בעשתרת קרנים ואת הזוזים בהם ואת האימים בשוה קריתים׃
ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seira hatrany El­parana, izay eo anilan'ny efitra.
ואת החרי בהררם שעיר עד איל פארן אשר על המדבר׃
Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an'ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.
וישבו ויבאו אל עין משפט הוא קדש ויכו את כל שדה העמלקי וגם את האמרי הישב בחצצן תמר׃
Dia nivoaka ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora sy ny mpanjakan'i Adma sy ny mpanjakan'i Zeboima ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin'ireo teo an-dohasahan'i Sidima,
ויצא מלך סדם ומלך עמרה ומלך אדמה ומלך צביים ומלך בלע הוא צער ויערכו אתם מלחמה בעמק השדים׃
dia tamin'Kedorlaomera, mpanjakan'i Elama, sy Tidala, mpanjakan'ny Goima sy Amrafela, mpanjakan'i Sinara ary Arioka, mpanjakan'i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin'ny mpanjaka dimy.
את כדרלעמר מלך עילם ותדעל מלך גוים ואמרפל מלך שנער ואריוך מלך אלסר ארבעה מלכים את החמשה׃
Ary ny lohasahan'i Sidima, dia be lavak'asfalta, ary nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.
ועמק השדים בארת בארת חמר וינסו מלך סדם ועמרה ויפלו שמה והנשארים הרה נסו׃
Ary izy ireo namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra. dia lasa nandeha.
ויקחו את כל רכש סדם ועמרה ואת כל אכלם וילכו׃
Ary namabo ny zana-drahalahin'i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin'ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota.
ויקחו את לוט ואת רכשו בן אחי אברם וילכו והוא ישב בסדם׃
Ary tonga ny anankiray izay efa nando­sitra ka nanambara tamin'i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre Amorita, rahalahin'i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin'i Abrama.
ויבא הפליט ויגד לאברם העברי והוא שכן באלני ממרא האמרי אחי אשכל ואחי ענר והם בעלי ברית אברם׃
Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin'ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady. ka nanenjika hatrany Dana.
וישמע אברם כי נשבה אחיו וירק את חניכיו ילידי ביתו שמנה עשר ושלש מאות וירדף עד דן׃
Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr'i Damaskosy.
ויחלק עליהם לילה הוא ועבדיו ויכם וירדפם עד חובה אשר משמאל לדמשק׃
Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin'ny vehivavy sy ny vahoaka.
וישב את כל הרכש וגם את לוט אחיו ורכשו השיב וגם את הנשים ואת העם׃
Dia nivoaka ny mpanjakan'1 Sodoma hitsena an'i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan'ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy.
ויצא מלך סדם לקראתו אחרי שובו מהכות את כדר לעמר ואת המלכים אשר אתו אל עמק שוה הוא עמק המלך׃
Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra.
ומלכי צדק מלך שלם הוציא לחם ויין והוא כהן לאל עליון׃
Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;
ויברכהו ויאמר ברוך אברם לאל עליון קנה שמים וארץ׃
Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra.
וברוך אל עליון אשר מגן צריך בידך ויתן לו מעשר מכל׃
Ary hoy ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao.
ויאמר מלך סדם אל אברם תן לי הנפש והרכש קח לך׃
Fa hoy Abrama tamin'ny mpanjakan'i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin'i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
ויאמר אברם אל מלך סדם הרימתי ידי אל יהוה אל עליון קנה שמים וארץ׃
fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin'izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an'i Abrama),
אם מחוט ועד שרוך נעל ואם אקח מכל אשר לך ולא תאמר אני העשרתי את אברם׃
afa-tsy izay efa nohanin'ny zatovo sy ny anjaran'ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin'ireo ny anjarany.
בלעדי רק אשר אכלו הנערים וחלק האנשים אשר הלכו אתי ענר אשכל וממרא הם יקחו חלקם׃