Genesis 12

Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao;
ויאמר יהוה אל אברם לך לך מארצך וממולדתך ומבית אביך אל הארץ אשר אראך׃
dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao;
ואעשך לגוי גדול ואברכך ואגדלה שמך והיה ברכה׃
ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
ואברכה מברכיך ומקללך אאר ונברכו בך כל משפחת האדמה׃
Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy.
וילך אברם כאשר דבר אליו יהוה וילך אתו לוט ואברם בן חמש שנים ושבעים שנה בצאתו מחרן׃
Ary Abrama nitondra an'i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin'ny fananan'izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin'ny tany Kanana, ka tonga tany amin'ny tany Kanana izy.
ויקח אברם את שרי אשתו ואת לוט בן אחיו ואת כל רכושם אשר רכשו ואת הנפש אשר עשו בחרן ויצאו ללכת ארצה כנען ויבאו ארצה כנען׃
Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan'i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay.
ויעבר אברם בארץ עד מקום שכם עד אלון מורה והכנעני אז בארץ׃
Ary Jehovah niseho tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an'i Jehovah Izay niseho taminy.
וירא יהוה אל אברם ויאמר לזרעך אתן את הארץ הזאת ויבן שם מזבח ליהוה הנראה אליו׃
Ary nifindra niala teo izy hankany amin'ny tendrombohitra atsinanan'i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan'i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an'i Jehovah izy ka niantso ny anaran'i Jehovah.
ויעתק משם ההרה מקדם לבית אל ויט אהלה בית אל מים והעי מקדם ויבן שם מזבח ליהוה ויקרא בשם יהוה׃
Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin'ny tany atsimo.
ויסע אברם הלוך ונסוע הנגבה׃
Ary nisy mosary teo amin'ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin'ny tany.
ויהי רעב בארץ וירד אברם מצרימה לגור שם כי כבד הרעב בארץ׃
Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin'i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao,
ויהי כאשר הקריב לבוא מצרימה ויאמר אל שרי אשתו הנה נא ידעתי כי אשה יפת מראה את׃
ka, raha hitan'ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.
והיה כי יראו אתך המצרים ואמרו אשתו זאת והרגו אתי ואתך יחיו׃
Masìna ianao, lazao fa anabaviko ianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao no hamelomany ahy.
אמרי נא אחתי את למען ייטב לי בעבורך וחיתה נפשי בגללך׃
Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan'ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy.
ויהי כבוא אברם מצרימה ויראו המצרים את האשה כי יפה הוא מאד׃
Ary nahita azy ny tandapan'i Farao ka nidera azy tamin'i Farao; dia nentina tao an-tranon'i Farao izy.
ויראו אתה שרי פרעה ויהללו אתה אל פרעה ותקח האשה בית פרעה׃
Ary Abrama nasian'i Farao soa noho ny amin'i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy.
ולאברם היטיב בעבורה ויהי לו צאן ובקר וחמרים ועבדים ושפחת ואתנת וגמלים׃
Dia nasian'i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin'i Saray, vadin'i Abrama.
וינגע יהוה את פרעה נגעים גדלים ואת ביתו על דבר שרי אשת אברם׃
Ary Farao dia nampaka an'i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?
ויקרא פרעה לאברם ויאמר מה זאת עשית לי למה לא הגדת לי כי אשתך הוא׃
Nahoana ianao no nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana.
למה אמרת אחתי הוא ואקח אתה לי לאשה ועתה הנה אשתך קח ולך׃
Dia nomen'i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin'i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra ireo.
ויצו עליו פרעה אנשים וישלחו אתו ואת אשתו ואת כל אשר לו׃