Ecclesiastes 5

Aza haingam-bava, ary aza malaky manonona teny eo anatrehan'Andriamanitra ny fonao; fa Andriamanitra dia any an-danitra ary ianao etỳ an-tany, koa aoka ho vitsy ny teninao.
שמר רגליך כאשר תלך אל בית האלהים וקרוב לשמע מתת הכסילים זבח כי אינם יודעים לעשות רע׃
Fa ny haben'ny fisasarana no mahatonga ny nofy; ary ny haben'ny teny no isehoan'ny rediredin'ny adala.
אל תבהל על פיך ולבך אל ימהר להוציא דבר לפני האלהים כי האלהים בשמים ואתה על הארץ על כן יהיו דבריך מעטים׃
Raha mivoady amin'Andriamanitra ianao, aza manao ampitso lava: fa tsy ankasitrahany ny adala; koa efao ny voadinao.
כי בא החלום ברב ענין וקול כסיל ברב דברים׃
Aleo tsy mivoady toy izay mivoady ka tsy mahefa.
כאשר תדר נדר לאלהים אל תאחר לשלמו כי אין חפץ בכסילים את אשר תדר שלם׃
Aza avela hahatonga heloka amin'ny tenanao ny vavanao; ary aza manao eo imason'ny anjely hoe: Niteny tsy nahy aho; nahoana no ho tezitra amin'ny teninao Andriamanitra ka hanimba ny asan'ny tananao?
טוב אשר לא תדר משתדור ולא תשלם׃
Fa amin'ny haben'ny nofy dia misy zava-poana; ary toy izany koa ny haben'ny teny, fa Andriamanitra no atahory.
אל תתן את פיך לחטיא את בשרך ואל תאמר לפני המלאך כי שגגה היא למה יקצף האלהים על קולך וחבל את מעשה ידיך׃
Raha hitanao ny fampahoriana ny malahelo sy ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny amin'ny tany, dia aza gaga amin'izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony, ary mbola misy ambony noho ireo indray aza.
כי ברב חלמות והבלים ודברים הרבה כי את האלהים ירא׃
Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mahasoa ny tany ny fisian'ny mpanjaka amin'izay tany volena.
אם עשק רש וגזל משפט וצדק תראה במדינה אל תתמה על החפץ כי גבה מעל גבה שמר וגבהים עליהם׃
Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin'ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.
ויתרון ארץ בכל היא מלך לשדה נעבד׃
Raha mitombo ny fananana, dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon'ny tompony, afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany?
אהב כסף לא ישבע כסף ומי אהב בהמון לא תבואה גם זה הבל׃
Mamy ny torimason'ny mpiasa, na homan-kely na homam-be izy; fa ny haben'ny ananan'ny manan-karena kosa no tsy ahitany tory.
ברבות הטובה רבו אוכליה ומה כשרון לבעליה כי אם ראית עיניו׃
Misy ratsy mahory efa hitako atỳ ambanin'ny masoandro, dia harena tehirizin'ny tompony, nefa mampidi-doza amin'ny tenany;
מתוקה שנת העבד אם מעט ואם הרבה יאכל והשבע לעשיר איננו מניח לו לישון׃
sady levona izany harena izany noho ny loza manjo; ary miteraka zazalahy ralehilahy nefa tsy misy na inona na inona eny an-tànany,
יש רעה חולה ראיתי תחת השמש עשר שמור לבעליו לרעתו׃
Toy ny nivoahany mitanjaka avy tany an-kibon-dreniny, dia toy izay nihaviany ihany no hiverenany; ary tsy hisy na inona na inona ho entin'ny tànany ho valin'ny fisasarany.
ואבד העשר ההוא בענין רע והוליד בן ואין בידו מאומה׃
Dia ratsy mahory koa izany, fa toy izay nihaviany indrindra no handehanany; ary inona no soa azony noho ny nisasarany ho an'ny rivotra?
כאשר יצא מבטן אמו ערום ישוב ללכת כשבא ומאומה לא ישא בעמלו שילך בידו׃
Ary koa, homa-maizina amin'ny androny rehetra izy sady manana alahelo be sy fahoriana ary fahasosorana.
וגם זה רעה חולה כל עמת שבא כן ילך ומה יתרון לו שיעמל לרוח׃
Indro, efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin'ny fisasarana rehetra izay isasaran'ny olona atỳ ambanin'ny masoandro amin'izay andro vitsy iainany omen'Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.
גם כל ימיו בחשך יאכל וכעס הרבה וחליו וקצף׃
Ary koa, ny olona rehetra izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin'ny fisasarana, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
הנה אשר ראיתי אני טוב אשר יפה לאכול ולשתות ולראות טובה בכל עמלו שיעמל תחת השמש מספר ימי חיו אשר נתן לו האלהים כי הוא חלקו׃
Fa tsy hahatsiaro loatra ny andro niainany izy, satria ny fahafinaretan'ny fony no avalin'Andriamanitra azy.
גם כל האדם אשר נתן לו האלהים עשר ונכסים והשליטו לאכל ממנו ולשאת את חלקו ולשמח בעמלו זה מתת אלהים היא׃
כי לא הרבה יזכר את ימי חייו כי האלהים מענה בשמחת לבו׃