Deuteronomy 13

Izay rehetra andidiako anareo dia tandremo mba harahina; aza ampianao izany, ary aza anesoranao.
כי יקום בקרבך נביא או חלם חלום ונתן אליך אות או מופת׃
Raha tahìny misy mpaminany na mpanonofy eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao
ובא האות והמופת אשר דבר אליך לאמר נלכה אחרי אלהים אחרים אשר לא ידעתם ונעבדם׃
sady manao hoe: Andeha isika hanaraka andriamani-kafa (izay tsy fantatrao), ka aoka hanompo azy isika, na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao,
לא תשמע אל דברי הנביא ההוא או אל חולם החלום ההוא כי מנסה יהוה אלהיכם אתכם לדעת הישכם אהבים את יהוה אלהיכם בכל לבבכם ובכל נפשכם׃
dia aza mihaino ny tenin'izany mpaminany na mpanonofy izany; fa mizaha toetra anareo Jehovah Andriamanitrareo, hahalalany na miorina amin'ny fitiavana an'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra ianareo.
אחרי יהוה אלהיכם תלכו ואתו תיראו ואת מצותיו תשמרו ובקלו תשמעו ואתו תעבדו ובו תדבקון׃
Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.
והנביא ההוא או חלם החלום ההוא יומת כי דבר סרה על יהוה אלהיכם המוציא אתכם מארץ מצרים והפדך מבית עבדים להדיחך מן הדרך אשר צוך יהוה אלהיך ללכת בה ובערת הרע מקרבך׃
Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin'i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin'ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin'ny lalana izay nasain'i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
כי יסיתך אחיך בן אמך או בנך או בתך או אשת חיקך או רעך אשר כנפשך בסתר לאמר נלכה ונעבדה אלהים אחרים אשר לא ידעת אתה ואבתיך׃
Raha mitaona anao mangingina ny rahalahinao, zanaky ny reninao, na ny zanakaolahy, na ny zanakao-vavy, na ny vady andefimandrinao na ny sakaizanao izay toy ny ainao, ka manao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrao, na ny razanao),
מאלהי העמים אשר סביבתיכם הקרבים אליך או הרחקים ממך מקצה הארץ ועד קצה הארץ׃
dia ny andriamanitry ny firenena izay manodidina anareo, na ny akaikinao, na ny lavitra anao, hatramin'ny faran'ny tany rehetra),
לא תאבה לו ולא תשמע אליו ולא תחוס עינך עליו ולא תחמל ולא תכסה עליו׃
dia aza manaiky azy na mihaino azy ianao; ary aza mba iantran'ny masonao izy, na amindranao fo, na afeninao;
כי הרג תהרגנו ידך תהיה בו בראשונה להמיתו ויד כל העם באחרנה׃
fa vonoy ho faty izy; ny tananao no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan'ny vahoaka rehetra.
וסקלתו באבנים ומת כי בקש להדיחך מעל יהוה אלהיך המוציאך מארץ מצרים מבית עבדים׃
Ary torahy vato ho faty izy, satria izy efa nitady hitaona anao hiala amin'i Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
וכל ישראל ישמעו ויראון ולא יוספו לעשות כדבר הרע הזה בקרבך׃
Ary ny Isiraely rehetra handre izany, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony eo aminao.
כי תשמע באחת עריך אשר יהוה אלהיך נתן לך לשבת שם לאמר׃
Raha mandre teny ianao ny amin'ny tanànanao anankiray izay nomen'i Jehovah Andriamanitrao anao honenana, manao hoe:
יצאו אנשים בני בליעל מקרבך וידיחו את ישבי עירם לאמר נלכה ונעבדה אלהים אחרים אשר לא ידעתם׃
Nisy olona tena ratsy fanahy nivoaka avy teo aminao ka nitaona ny mponina ao an-tanànany nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa (izay tsy fantatrareo).
ודרשת וחקרת ושאלת היטב והנה אמת נכון הדבר נעשתה התועבה הזאת בקרבך׃
dia diniho sy fotory ary adino tsara, ka raha, indro fa nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo aminao izany fahavetavetana izany,
הכה תכה את ישבי העיר ההוא לפי חרב החרם אתה ואת כל אשר בה ואת בהמתה לפי חרב׃
dia asio ny lelan-tsabatra mihitsy ny mponina amin'izany tanàna izany, ka levony ny tanàna sy izay rehetra eo aminy, ary ny biby fiompy dia aringano amin'ny lelan-tsabatra.
ואת כל שללה תקבץ אל תוך רחבה ושרפת באש את העיר ואת כל שללה כליל ליהוה אלהיך והיתה תל עולם לא תבנה עוד׃
Ary ny entana nobaboina rehetra eo dia angòny eo afovoan'ny kianja, ka doroy amin'ny afo avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra ao ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.
ולא ידבק בידך מאומה מן החרם למען ישוב יהוה מחרון אפו ונתן לך רחמים ורחמך והרבך כאשר נשבע לאבתיך׃
Ary aoka tsy hisy hiraikitra amin'ny tananao akory ny zavatra efa natolotra holevonina, mba hitsaharan'i Jehovah amin'ny fahatezerany mirehitra hamindrany fo aminao sy hiantrany anao, ary hahamaroany anao araka izay nianianany tamin'ny razanao, raha hohenoinao ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ka hotandremanao ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, mba hanaovana izay mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao.
כי תשמע בקול יהוה אלהיך לשמר את כל מצותיו אשר אנכי מצוך היום לעשות הישר בעיני יהוה אלהיך׃