Amos 5

Henoinareo izao teny izao, izay entiko milaza anareo, dia hira fahalahelovana, ry taranak'Isiraely;
שמעו את הדבר הזה אשר אנכי נשא עליכם קינה בית ישראל׃
Lavo Isiraely virijina ka tsy hahatsangana intsony; Nazera tamin'ny taniny izy, ka tsy misy mangana azy.
נפלה לא תוסיף קום בתולת ישראל נטשה על אדמתה אין מקימה׃
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay tanàna namoaka arivo, dia, indreo, zato monja no sisa: ary izay namoaka zato, dia, indreo, folo monja no sisa ho an'ny taranak'Isiraely.
כי כה אמר אדני יהוה העיר היצאת אלף תשאיר מאה והיוצאת מאה תשאיר עשרה לבית ישראל׃
Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny taranak'Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo;
כי כה אמר יהוה לבית ישראל דרשוני וחיו׃
Fa aza mitady an'i Betela, na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga tsinontsinona.
ואל תדרשו בית אל והגלגל לא תבאו ובאר שבע לא תעברו כי הגלגל גלה יגלה ובית אל יהיה לאון׃
Mitadiava an'i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin'ny taranak'i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo,
דרשו את יהוה וחיו פן יצלח כאש בית יוסף ואכלה ואין מכבה לבית אל׃
Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin'ny tany.
ההפכים ללענה משפט וצדקה לארץ הניחו׃
Ilay nanao an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin'ny tany: Jehovah no anarany,
עשה כימה וכסיל והפך לבקר צלמות ויום לילה החשיך הקורא למי הים וישפכם על פני הארץ יהוה שמו׃
Dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery, ka dia mihatra amin'ny tanàna mimanda ny fandravana.
המבליג שד על עז ושד על מבצר יבוא׃
Halany eo am-bavahady izay mananatra,11 ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina.
שנאו בשער מוכיח ודבר תמים יתעבו׃
Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
לכן יען בושסכם על דל ומשאת בר תקחו ממנו בתי גזית בניתם ולא תשבו בם כרמי חמד נטעתם ולא תשתו את יינם׃
Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady.
כי ידעתי רבים פשעיכם ועצמים חטאתיכם צררי צדיק לקחי כפר ואביונים בשער הטו׃
Koa izay manan-tsaina dia hangina amin'izao andro izao, fa andro mampahory izao.
לכן המשכיל בעת ההיא ידם כי עת רעה היא׃
Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo.
דרשו טוב ואל רע למען תחיו ויהי כן יהוה אלהי צבאות אתכם כאשר אמרתם׃
Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin'izay sisa amin'i Josefa.
שנאו רע ואהבו טוב והציגו בשער משפט אולי יחנן יהוה אלהי צבאות שארית יוסף׃
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana, ary eny an-dalambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao.
לכן כה אמר יהוה אלהי צבאות אדני בכל רחבות מספד ובכל חוצות יאמרו הו הו וקראו אכר אל אבל ומספד אל יודעי נהי׃
Ary any amin'ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana; Fa handeha hamaky eo aminao Aho, hoy Jehovah.
ובכל כרמים מספד כי אעבר בקרבך אמר יהוה׃
Lozan'izay maniry ny andron'i Jehovah! Hataonareo inona moa ny andron'i Jehovah? Dia aizina, fa tsy fahazavana,
הוי המתאוים את יום יהוה למה זה לכם יום יהוה הוא חשך ולא אור׃
Tahaka ny olona mandositra ny liona ka sendra ny bera, ary rehefa tafiditra ao an-trano ka mitehin- tanana amin'ny rindrina, dia kekerin'ny menarana.
כאשר ינוס איש מפני הארי ופגעו הדב ובא הבית וסמך ידו על הקיר ונשכו הנחש׃
Moa tsy aizina va ny andron'i Jehovah, fa tsy fahazavana? Tsy aizim-pito tsy misy mangirana akory va izany?
הלא חשך יום יהוה ולא אור ואפל ולא נגה לו׃
Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masina.
שנאתי מאסתי חגיכם ולא אריח בעצרתיכם׃
Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny zanak'omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.
כי אם תעלו לי עלות ומנחתיכם לא ארצה ושלם מריאיכם לא אביט׃
Atsaharo ny finaonaonan'ny hiranareo, fa maharenina Ahy; Fa tsy hihaino ny fanenon'ny lokanganareo Aho.
הסר מעלי המון שריך וזמרת נבליך לא אשמע׃
Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.
ויגל כמים משפט וצדקה כנחל איתן׃
Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-drà ho Ahy tany an-efitra efa-polo taona va ianareo, ry taranak'i Isiraely?
הזבחים ומנחה הגשתם לי במדבר ארבעים שנה בית ישראל׃
Tsia, fa ny nitondra ny tabernakelin'ny mpanjakanareo sy ny fipetrahan'ny sampinareo ihany no nataonareo, dia ny kintan'ny andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo
ונשאתם את סכות מלככם ואת כיון צלמיכם כוכב אלהיכם אשר עשיתם לכם׃
Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr'i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.
והגליתי אתכם מהלאה לדמשק אמר יהוה אלהי צבאות שמו׃