II Kings 9

Ary Elisa mpaminany niantso ny anankiray tamin'ny zanakalahin'ny mpaminany ka nanao taminy hoe: Misikina, dia ento eny an-tananao ity tavoara feno diloilo ity, ka mankanesa any Ramota-gileada;
ואלישע הנביא קרא לאחד מבני הנביאים ויאמר לו חגר מתניך וקח פך השמן הזה בידך ולך רמת גלעד׃
ary rehefa mby any ianao, dia izahao Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, ary midìra, ka manaingà azy hiala amin'ny namany, ary ento any amin'ny efi-trano anatiny izy;
ובאת שמה וראה שם יהוא בן יהושפט בן נמשי ובאת והקמתו מתוך אחיו והביאת אתו חדר בחדר׃
ary raiso ny tavoara feno diloilo, ka aidino amin'ny lohany, dia lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho. Dia vohay ny varavarana, ka mandosira, fa aza mijanona.
ולקחת פך השמן ויצקת על ראשו ואמרת כה אמר יהוה משחתיך למלך אל ישראל ופתחת הדלת ונסתה ולא תחכה׃
Ary nandeha ilay zatovo, dia ilay zatovon'ny mpaminany, nankany Ramota-gileada.
וילך הנער הנער הנביא רמת גלעד׃
Ary nony mby tany izy, indreo, nipetraka teo ny mpifehy ny miaramila; ary hoy izy: Ry komandy ô, mitondra teny ho aminao aho. Ary hoy Jeho: Amin'iza aminay ireto moa? Ary hoy izy: Aminao, ry komandy ô.
ויבא והנה שרי החיל ישבים ויאמר דבר לי אליך השר ויאמר יהוא אל מי מכלנו ויאמר אליך השר׃
Ary nitsangana izy ka niditra tao an-trano, dia naidiny tamin'ny lohany ny diloilo; ary hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Efa nanosotra anao Aho ho mpanjakan'ny Isiraely oloko.
ויקם ויבא הביתה ויצק השמן אל ראשו ויאמר לו כה אמר יהוה אלהי ישראל משחתיך למלך אל עם יהוה אל ישראל׃
Ary hamely ny tamingan'i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an'i Jezebela ny ran'ny mpaminany mpanompoko sy ny ran'ny mpanompon'i Jehovah rehetra.
והכיתה את בית אחאב אדניך ונקמתי דמי עבדי הנביאים ודמי כל עבדי יהוה מיד איזבל׃
Eny, ho fongotra ny taranak'i Ahaba rehetra; ary haringako avokoa ny lehilahy rehetra amin'ny tamingany, na ny voahazona na ny afaka eo amin'ny Isiraely;
ואבד כל בית אחאב והכרתי לאחאב משתין בקיר ועצור ועזוב בישראל׃
Ary ny taranak'i Ahaba hataoko tahaka ny taranak'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny taranak'i Basa, zanak'i Ahia;
ונתתי את בית אחאב כבית ירבעם בן נבט וכבית בעשא בן אחיה׃
Ary Jezebela hohanin'ny alika ao amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy handevina azy. Dia namoha ny varavarana ilay zatovo ka lasa nandositra.
ואת איזבל יאכלו הכלבים בחלק יזרעאל ואין קבר ויפתח הדלת וינס׃
Ary Jeho nivoaka nankao amin'ny mpanompon'ny tompony ary nanontaniany hoe: Raharaha tsara ihany va? Inona no nalehan'iny ilay adala iny tao aminao? Ary hoy izy taminy: Hianareo mahalala ihany an-dralehilahy sy ny heviny.
ויהוא יצא אל עבדי אדניו ויאמר לו השלום מדוע בא המשגע הזה אליך ויאמר אליהם אתם ידעתם את האיש ואת שיחו׃
Fa hoy ireo: Lainga foana izany; fa ambarao aminay. Dia hoy izy: Izao ka izao no nolazainy tamiko: Izao ny lazain'i Jehovah: Efa nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely Aho.
ויאמרו שקר הגד נא לנו ויאמר כזאת וכזאת אמר אלי לאמר כה אמר יהוה משחתיך למלך אל ישראל׃
Dia samy nandray faingana ny lambany avy izy ireo ka namelatra azy hitoeran'i Jeho teo amin'ny ambaratonga, ary nitsoka ny anjomara izy niantso hoe: Jeho no mpanjaka.
וימהרו ויקחו איש בגדו וישימו תחתיו אל גרם המעלות ויתקעו בשופר ויאמרו מלך יהוא׃
Ary Jeho, zanak'i Josafata, zanak'i Nimsy, nikomy tamin'i Jorama (fa Jorama mbamin'ny Isiraely rehetra niaro an'i Ramota-gileada noho ny fananihan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, azy;
ויתקשר יהוא בן יהושפט בן נמשי אל יורם ויורם היה שמר ברמת גלעד הוא וכל ישראל מפני חזאל מלך ארם׃
Nefa Jorama mpanjaka efa niverina hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria), ka dia hoy Jeho; Raha izany ary no sitrakareo, aza avela hisy hiala eto an-tanàna handeha hilaza izany any Jezirela.
וישב יהורם המלך להתרפא ביזרעאל מן המכים אשר יכהו ארמים בהלחמו את חזאל מלך ארם ויאמר יהוא אם יש נפשכם אל יצא פליט מן העיר ללכת לגיד ביזרעאל׃
Dia niakatra teo amin'ny kalesy Jeho ka nankany Jezirela, fa tany no nitoeran'i Jorama. Ary Ahazia, mpanjakan'ny Joda, efa nidina hamangy an'i Jorama.
וירכב יהוא וילך יזרעאלה כי יורם שכב שמה ואחזיה מלך יהודה ירד לראות את יורם׃
Ary ny mpitily mitsangana teo an-tampon'ny tilikambo teo Jezirela ka nahatazana fa indrery olona betsaka tamy niaraka amin'i Jeho, ary hoy izy: Mahita olona betsaka aho. Ary hoy Jorama: Makà mpitaingin-tsoavaly, ka maniraha hitsena azy, ary asaovy manao hoe: Fihavanana va?
והצפה עמד על המגדל ביזרעאל וירא את שפעת יהוא בבאו ויאמר שפעת אני ראה ויאמר יהורם קח רכב ושלח לקראתם ויאמר השלום׃
Dia nandeha ny mpitaingin-tsoavaly anankiray hitsena azy ka nanao taminy hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary hoy Jeho: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao. Ary ny mpitily nilaza hoe: Ny iraka dia tonga teny aminy, nefa tsy niverina.
וילך רכב הסוס לקראתו ויאמר כה אמר המלך השלום ויאמר יהוא מה לך ולשלום סב אל אחרי ויגד הצפה לאמר בא המלאך עד הם ולא שב׃
Dia naniraka mpitaingin-tsoavaly fanindroany Jorama, ary nony tonga teny koa izy, dia nanao hoe: Izao no tenin'ny mpanjaka: Fihavanana va? Ary Jeho namaly hoe: Ahoanao izay fihavanana? fa mankanesa ato aoriako ianao.
וישלח רכב סוס שני ויבא אלהם ויאמר כה אמר המלך שלום ויאמר יהוא מה לך ולשלום סב אל אחרי׃
Ary ny mpitily nilaza indray hoe: Tonga teny aminy koa iny, fa tsy niverina; ary ny fampiriotrany dia hoatra ny fampiriotran'i Jeho, zanak'i Nimsy; fa mampiriotra hoatra ny olona adala izy.
ויגד הצפה לאמר בא עד אליהם ולא שב והמנהג כמנהג יהוא בן נמשי כי בשגעון ינהג׃
Ary hoy Jorama: Ampiomany. Dia nampiomaniny ny kalesiny. Dia nivoaka Jorama, mpanjakan'ny Isiraely, sy Ahazia, mpanjakan'ny Joda, samy nitsangana teo amin'ny kalesiny avy ka nandeha hitsena an'i Jeho, ary nifanena taminy teo amin'ny tanin'i Nabota Jezirelita izy.
ויאמר יהורם אסר ויאסר רכבו ויצא יהורם מלך ישראל ואחזיהו מלך יהודה איש ברכבו ויצאו לקראת יהוא וימצאהו בחלקת נבות היזרעאלי׃
Ary Jorama, nony nahita an'i Jeho, dia nanao hoe: Fihavanana va. ry Jeho? Fa izy namaly hoe: Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan'i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony?
ויהי כראות יהורם את יהוא ויאמר השלום יהוא ויאמר מה השלום עד זנוני איזבל אמך וכשפיה הרבים׃
Ary Jorama nampihodina ka nandositra sady niteny tamin'i Ahazia hoe: Misy fitaka, ry Ahazia.
ויהפך יהורם ידיו וינס ויאמר אל אחזיהו מרמה אחזיה׃
Ary nohenjanin'i Jeho mafy ny tsipìka teny an-tànany, dia nitifitra an'i Jorama izy ka nahavoa azy teo anelanelan'ny sorony, ary ny zana-tsipìka niboroaka tamin'ny fony, ka dia nampianjera azy tao anatin'ny kalesiny.
ויהוא מלא ידו בקשת ויך את יהורם בין זרעיו ויצא החצי מלבו ויכרע ברכבו׃
Ary hoy Jeho tamin'i Bidkara lefiny: Betao izy, ka atsipazo ao amin'ny sahan'i Nabota Jezirelita; fa tsarovy fa fony izaho sy ianao samy nitaingina kalesy nanaraka an'i Ahaba rainy, dia nolazain'i Jehovah fa hihatra aminy izao loza voalaza izao hoe:
ויאמר אל בדקר שלשה שא השלכהו בחלקת שדה נבות היזרעאלי כי זכר אני ואתה את רכבים צמדים אחרי אחאב אביו ויהוה נשא עליו את המשא הזה׃
Efa hitako tokoa omaly ny ran'i Nabota sy ny ran'ny zanany, hoy Jehovah, ary Izaho hamaly anao eto amin'ity tany ity, hoy Jehovah. Koa betao izy, ka atsipazo amin'io tany io araka ny tenin'i Jehovah.
אם לא את דמי נבות ואת דמי בניו ראיתי אמש נאם יהוה ושלמתי לך בחלקה הזאת נאם יהוה ועתה שא השלכהו בחלקה כדבר יהוה׃
Ary nony hitan'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, izany, dia nandositra tamin'ny lalana mankamin'ny trano ao anatin'ny saha izy. Ary Jeho nanaraka azy ka nanao hoe: Indry, asio koa iny; dia nasiany teo anatin'ny kalesiny teo amin'ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan'i Jibleama, izy. Ary nandositra nankany Megido Ahazia ka maty teo.
ואחזיה מלך יהודה ראה וינס דרך בית הגן וירדף אחריו יהוא ויאמר גם אתו הכהו אל המרכבה במעלה גור אשר את יבלעם וינס מגדו וימת שם׃
Ary ny mpanompony nitondra azy tamin'ny kalesiny ho any Jerosalema ka nandevina azy tao am-pasany ao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida.
וירכבו אתו עבדיו ירושלמה ויקברו אתו בקברתו עם אבתיו בעיר דוד׃
Ary tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, no vao nanjakan'i Ahazia tamin'ny tany Joda.
ובשנת אחת עשרה שנה ליורם בן אחאב מלך אחזיה על יהודה׃
Dia tonga tany Jezirela Jeho; ary nony nandre izany Jezebela, dia nohosorany loko mainty ny masony, sady noravahany ny lohany, dia nitsidika teo am-baravarankely izy.
ויבוא יהוא יזרעאלה ואיזבל שמעה ותשם בפוך עיניה ותיטב את ראשה ותשקף בעד החלון׃
Ary nony niditra teo am-bavahady Jeho, dia hoy Jezebela: Fihavanana va, ry Zimry, mpamono tompo?
ויהוא בא בשער ותאמר השלום זמרי הרג אדניו׃
Ary niandrandra ny varavaran-kely Jeho ka nanao hoe: Iza aminareo ireo no momba ahy? Iza? Ary nisy tandapa roa na telo teo nitsirika azy.
וישא פניו אל החלון ויאמר מי אתי מי וישקיפו אליו שנים שלשה סריסים׃
Ary hoy Izy: Azerao io vehivavy io. Dia nazerany izy; ka nisy nipitipitika tamin'ny rindrin-trano sy ny soavaly ny ràny; ka dia nohitsahin'i Jeho izy.
ויאמר שמטהו וישמטוה ויז מדמה אל הקיר ואל הסוסים וירמסנה׃
Dia niditra tao an-trano Jeho ka nihinana sy nisotro, ary dia nilaza hoe: Mandehana, Izahao ilay vehivavy voaozona, ka aleveno, fa zanakavavin'ny mpanjaka izy.
ויבא ויאכל וישת ויאמר פקדו נא את הארורה הזאת וקברוה כי בת מלך היא׃
Koa dia lasa ireo handevina azy; nefa tsy nisy tratrany teo afa-tsy ny karan-dohany sy ny tongony ary ny felatanany ihany.
וילכו לקברה ולא מצאו בה כי אם הגלגלת והרגלים וכפות הידים׃
Ary niverina ireo ka nanambara taminy. Ary hoy Jeho: Araka ny tenin'i Jehovah izany, dia ilay nampilazainy an'i Elia Tisbita mpanompony hoe: Ao amin'ny tany Jezirela no hihinanan'ny alika ny nofon'i Jezebela,
וישבו ויגידו לו ויאמר דבר יהוה הוא אשר דבר ביד עבדו אליהו התשבי לאמר בחלק יזרעאל יאכלו הכלבים את בשר איזבל׃
Ary ny fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha, ny amin'ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe Jezebela ity.
והית נבלת איזבל כדמן על פני השדה בחלק יזרעאל אשר לא יאמרו זאת איזבל׃