II Corinthians 1

Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy, mamangy ny fiangonan'Andriamanitra izay any Korinto mbamin'ny olona masina rehetra eran'i Akaia:
פולוס שליח ישוע המשיח ברצון אלהים וטימותיוס אחינו אל קהלת אלהים אשר בקורנתוס עם כל הקדשים אשר באכיא׃
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
חסד לכם ושלום מאת האלהים אבינו ואדנינו ישוע המשיח׃
Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra,
ברוך האלהים ואבי אדנינו ישוע המשיח אב הרחמים ואלהי כל הנחמה׃
Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay.
המנחם אתנו בכל לחצנו עד שנוכל לנחם הנלחצים בכל לחץ בנחמה אשר אנחנו מנחמים בה מאת האלהים׃
Fa araka ny haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa amin'ny alalan'i Kristy.
כי כרב ענויי המשיח בנו כן תרבה נחמתנו על ידי המשיח׃
Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin'ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin'izay entinay.
והנה אם נלחץ הוא לנחמתכם ולישועתכם אשר יראה כחה בסבלכם הענוים אשר נסבל אתן גם אנחנו ואם ננחם גם הוא לנחמתכם ולישועתכם׃
Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa.
ותקותנו בעדכם נכונה היא באשר ידענו כי כאשר חלק לכם בענוים כן גם חלק לכם בנחמה׃
Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza;
כי לא נכחד מכם אחי את צרתנו אשר מצאתנו באסיא אשר כבדה עלינו עד למאד ויותר מכחנו עד כי נואשנו מן החיים׃
eny, tsy nanampo izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa amin'Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany.
ואנחנו בלבבנו חרצנו לנו את המות למען לא נהיה בטחים בנפשנו כי אם באלהים המחיה את המתים׃
Ary Izy no nahafaka anay tamin'izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka ihany; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa,
אשר הצילנו ממות כזה ועודנו מציל ולו אנחנו מקוים כי יוסיף להצילנו׃
satria ianareo koa miara-miasa ho anay amin'ny fivavahanareo mba hisaoran'ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin'ny nataon'ny maro.
בעזרכם אתנו בתפלתכם למען יודו רבים בעדנו על מתנת החסד שהיתה לנו על ידי רבים׃
Fa izao no ataonay ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin'ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin'Andriamanitra, tsy tamin'ny fahendren'ny nofo, fa tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin'izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo.
כי זאת היא תהלתנו עדות לבבנו אשר בתם וישר אלהים התהלכנו בעולם וביותר אתכם ולא בחכמת הבשר כי אם בחסד אלהים׃
Fa tsy manoratra teny hafa aminareo izahay, afa-tsy izay vakinareo na izay fantatrareo; ary manantena aho fa mbola ho fantatrareo ihany hatramin'ny farany aza,
כי לא נכתב לכם כי אם מה שאתם קראים או גם ידעים׃
toy ny efa fantapantatrareo ihany fa voninahitrareo izahay, dia tahaka anareo kosa no voninahitray amin'ny andron'i Jesosy Tompontsika.
ואקוה כי כאשר ידעתם אתנו למקצת אף תדעו עד תכלית כי אנחנו תהלתכם כאשר גם אתם תהלתנו ביום אדנינו ישוע׃
Ary tamin'izao fahatokiana izao dia nikasa hankatỳ aminareo aloha aho (mba hahazoanareo soa fanindroany),
ובבטחון הזה חפצתי לבוא אליכם מראש למען תקבלו טובה פעמים׃
ary hankany Makedonia aho, raha avy atỳ aminareo, ary dia vao hiverina ho atỳ aminareo indray raha avy any Makedonia, ary mba haterinareo ho any Jodia.
ולעבר בתוככם אל מקדוניא ולשוב ממקדוניא אליכם ואתם תשלחוני אל ארץ יהודה׃
Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana?
ועתה הכי נמהר הייתי בעצתי אם אשר יעצתי לפי הבשר יעצתי והיה אצלי פעם הן הן ופעם לא לא׃
Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy eny sy tsia;
אכן נאמן האלהים כי דברנו אליכם לא היה הן ולא׃
fa ny Zanak'Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany.
כי בן האלהים ישוע המשיח הנקרא בתוככם על ידינו על ידי ועל ידי סלונוס וטימותיוס הוא לא היה הן ולא כי היו היה בו רק הן׃
Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin'ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay.
כי כל הבטחות האלהים כלן בו היו הן ובו היו אמן לכבוד האלהים על ידינו׃
Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin'i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra,
והמכונן אותנו אתכם במשיח ואשר משחנו הוא האלהים׃
Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika.
אשר גם חתמנו ואשר נתן בלבנו את ערבון הרוח׃
Ary izaho miantso an'Andriamanitra ho vavolombelona ny amin'ny fanahiko, fa ny fialàko nenina aminareo ihany no tsy mbola nankanesako tatỳ Korinto.
ואני את אלהים אקרא להיות עד לנפשי כי בעבור היותי חס עליכם לא באתי עוד לקורנתוס׃
Kanefa tsy mihambo ho tompon'ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.
לא שנמשל באמונתכם כי אם עזרים אנחנו לשמחתכם כי באמונה עמדתם׃