I Chronicles 18

Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny dia nesoriny tamin'ny tanan'ny Filistina.
ויהי אחרי כן ויך דויד את פלשתים ויכניעם ויקח את גת ובנתיה מיד פלשתים׃
Ary nandresy ny Moabita koa izy, ka dia tonga mpanompon'i Davida nandoa hetra ireo.
ויך את מואב ויהיו מואב עבדים לדויד נשאי מנחה׃
Dia resin'i Davida koa Hadarezera, mpanjakan'i Zoba akaikin'i Hamata, tamin'izy lasa nampiorina ny fanjakany teo amoron'ny ony Eofrata.
ויך דויד את הדדעזר מלך צובה חמתה בלכתו להציב ידו בנהר פרת׃
Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany.
וילכד דויד ממנו אלף רכב ושבעת אלפים פרשים ועשרים אלף איש רגלי ויעקר דויד את כל הרכב ויותר ממנו מאה רכב׃
Ary nony tonga ny Syriana avy any Damaskosy hanampy an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba, dia nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Syriana.
ויבא ארם דרמשק לעזור להדדעזר מלך צובה ויך דויד בארם עשרים ושנים אלף איש׃
Ary nisy namponenin'i Davida tany Syria any Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
וישם דויד בארם דרמשק ויהי ארם לדויד עבדים נשאי מנחה ויושע יהוה לדויד בכל אשר הלך׃
Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena teny amin'ny mpanompon'i Hadarezera ka nentiny nankany Jerosalema.
ויקח דויד את שלטי הזהב אשר היו על עבדי הדדעזר ויביאם ירושלם׃
Ary tao Tibata sy Kona, tanànan'i Hadarezera, no nahazoan'i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan'i Solomona ilay tavin-drano varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.
ומטבחת ומכון ערי הדדעזר לקח דויד נחשת רבה מאד בה עשה שלמה את ים הנחשת ואת העמודים ואת כלי הנחשת׃
Ary nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa Davida efa naharesy ny miaramila rehetra an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba,
וישמע תעו מלך חמת כי הכה דויד את כל חיל הדדעזר מלך צובה׃
dia naniraka an'i Hadorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia fahavalon'i Toy), sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy.
וישלח את הדורם בנו אל המלך דויד לשאול לו לשלום ולברכו על אשר נלחם בהדדעזר ויכהו כי איש מלחמות תעו היה הדדעזר וכל כלי זהב וכסף ונחשת׃
Dia nohamasinin'i Davida mpanjaka ho an'i Jehovah koa izany mbamin'ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tamin'ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita
גם אתם הקדיש המלך דויד ליהוה עם הכסף והזהב אשר נשא מכל הגוים מאדום וממואב ומבני עמון ומפלשתים ומעמלק׃
Ary Abisay, zanak'i Zeroia, naharesy ny Edomita teo amin'ny Lohasahan-tsira, dia lehilahy valo arivo sy iray alina.
ואבשי בן צרויה הכה את אדום בגיא המלח שמונה עשר אלף׃
Ary nametraka miaramila tany Edoma izy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Edomita rehetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
וישם באדום נציבים ויהיו כל אדום עבדים לדויד ויושע יהוה את דויד בכל אשר הלך׃
Ary Davida nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin'ny fahamarinana.
וימלך דויד על כל ישראל ויהי עשה משפט וצדקה לכל עמו׃
Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no komandin'ny miaramila; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana.
ויואב בן צרויה על הצבא ויהושפט בן אחילוד מזכיר׃
Ary Zadoka, zanak'i Ahitoba, sy Abimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; ary Saosa no mpanoratra.
וצדוק בן אחיטוב ואבימלך בן אביתר כהנים ושושא סופר׃
Ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no lehibe tamin'izay nanolotra ny mpanjaka.
ובניהו בן יהוידע על הכרתי והפלתי ובני דויד הראשנים ליד המלך׃