Deuteronomy 20

Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, no momba anao.
Wenn du wider deine Feinde zum Kriege ausziehst und siehst Roß und Wagen, ein Volk, zahlreicher als du, so sollst du dich nicht vor ihnen fürchten; denn Jehova, dein Gott, ist mit dir, der dich aus dem Lande Ägypten heraufgeführt hat.
Ary rehefa hanafika ianareo, dia hanatona ny mpisorona ka hiteny amin'ny olona hoe:
Und es soll geschehen, wenn ihr zum Streite heranrücket, so soll der Priester herzutreten und zu dem Volke reden
Mihainoa, ry Isiraely ô, fa efa hanafika ny fahavalonareo ianareo anio; koa aza ketraka ny fonareo ary aza matahotra, na mikorapaka foana, na mangorohoro noho ny tahotra azy;
und zu ihnen sprechen: Höre, Israel! ihr rücket heute zum Streite heran wider eure Feinde; euer Herz verzage nicht, fürchtet euch nicht und ängstiget euch nicht und erschrecket nicht vor ihnen;
fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin'ny fahavalonareo mba hamonjy anareo.
denn Jehova, euer Gott, ist es, der mit euch zieht, um für euch zu streiten mit euren Feinden, um euch zu retten.
Dia hiteny amin'ny olona ireo mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay efa nanao trano vaovao, nefa tsy mbola nitokanany? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony.
Und die Vorsteher sollen zu dem Volke reden und sprechen: Wer ist der Mann, der ein neues Haus gebaut und es noch nicht eingeweiht hat? er gehe und kehre nach seinem Hause zurück, damit er nicht in der Schlacht sterbe, und ein anderer Mann es einweihe.
Ary iza no olona izay efa nanao tanim-boaloboka, nefa tsy mbola nihinana ny vokatra? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hihinana ny vokatra.
Und wer ist der Mann, der einen Weinberg gepflanzt und ihn noch nicht benutzt hat? er gehe und kehre nach seinem Hause zurück, damit er nicht in der Schlacht sterbe, und ein anderer Mann ihn benutze.
Ary iza no olona izay efa nifofo vady, nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny.
Und wer ist der Mann, der sich ein Weib verlobt und es noch nicht genommen hat? er gehe und kehre nach seinem Hause zurück, damit er nicht in der Schlacht sterbe, und ein anderer Mann sie nehme.
Ary mbola hiteny amin'ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon'ny rahalahiny.
Und die Vorsteher sollen weiter zu dem Volke reden und sprechen: Wer ist der Mann, der sich fürchtet und verzagten Herzens ist? er gehe und kehre nach seinem Hause zurück, damit nicht das Herz seiner Brüder verzagt werde wie sein Herz.
Ary rehefa vitan'ny mpifehy vahoaka ny teny ataony amin'ny olona, dia hasiany mpifehy ny miaramila hitarika azy.
Und es soll geschehen, wenn die Vorsteher aufgehört haben, zu dem Volke zu reden, so sollen sie Heeroberste an die Spitze des Volkes stellen.
Raha mby akaikin'izay tanàna hiadiana ianao, dia milazà fihavanana aminy.
Wenn du dich einer Stadt näherst, wider sie zu streiten, so sollst du ihr Frieden anbieten.
Ary raha fihavanana no avaliny anao, ka mampandroso anao izy, dia hampanaovinao fanompoana ny olona rehetra ao, ka hanompo anao izy.
Und es soll geschehen, wenn sie dir Frieden erwidert und dir auftut, so soll alles Volk, das sich darin befindet, dir fronpflichtig sein und dir dienen.
Fa raha tsy mety manao fihavanana aminao kosa izy, fa te-hiady aminao, dia ataovy fahirano izy.
Und wenn sie nicht Frieden mit dir macht, sondern Krieg mit dir führt, so sollst du sie belagern;
Ary rehefa atolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy, dia hovonoinao amin'ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra ao.
und gibt Jehova, dein Gott, sie in deine Hand, so schlage alle ihre Männlichen mit der Schärfe des Schwertes.
Fa ny babo rehetra ao, dia ny zaza amim-behivavy sy ny biby fiompy ary izay rehetra ao an-tanàna, dia ho entinao ho anao; ary hohaninao ny babo azo tamin'ny fahavalonao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
Doch die Weiber und die Kinder, und das Vieh und alles, was in der Stadt sein wird, alle ihre Beute, sollst du für dich rauben; und du sollst die Beute deiner Feinde essen, die Jehova, dein Gott, dir gegeben hat.
Toy izany no hataonao amin'ny tanàna rehetra izay lavitra anao indrindra ka tsy tanànan'ireto firenena ireto.
Also sollst du allen Städten tun, die sehr fern von dir sind, die nicht sind von den Städten dieser Nationen hier.
Fa ny tanànan'ireto firenena ireto kosa, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay olona rehetra ao.
Jedoch von den Städten dieser Völker, die Jehova, dein Gott, dir als Erbteil gibt, sollst du nichts leben lassen, was Odem hat;
Fa aringano tokoa ireo, dia ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao,
sondern du sollst sie gänzlich verbannen: die Hethiter und die Amoriter, die Kanaaniter und die Perisiter, die Hewiter und die Jebusiter, wie Jehova, dein Gott, dir geboten hat;
mba tsy hampianarany anareo hanao araka ny fahavetavetany rehetra izay nataony tamin'ireo andriamaniny, ka tsy hanotanareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo.
auf daß sie euch nicht lehren, zu tun nach allen ihren Greueln, die sie ihren Göttern getan haben, und ihr nicht sündiget wider Jehova, euren Gott.
Raha hataonao fahirano ela ny tanàna izay tafihinao halaina, dia aza simbana kapaina amin'ny famaky ny hazo eo; fa hisy hohaninao amin'ireo, koa aza kapaina, fa olona va ny hazo any an-tsaha, no hataonao fahirano?
Wenn du eine Stadt viele Tage belagern wirst, indem du Krieg wider sie führst, um sie einzunehmen, so sollst du ihre Bäume nicht verderben, indem du die Axt gegen sie schwingst (denn du kannst davon essen), und sollst sie nicht abhauen; denn ist der Baum des Feldes ein Mensch, daß er vor dir in Belagerung kommen sollte?
Kanefa ny hazo izay fantatrao fa tsy fihinam-boa dia kapao ihany, ka ataovy manda hamelezana ny tanàna izay miady aminao mandra-paharesiny.
Nur die Bäume, von denen du weißt, daß sie keine Bäume sind, von denen man ißt, die darfst du verderben und abhauen; und du magst Belagerungswerke davon bauen wider die Stadt, die Krieg mit dir führt, bis sie gefallen ist.