Job 38

Ary teo anatin'ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an'i Joba ka nanao hoe:
L'Eternel répondit à Job du milieu de la tempête et dit:
Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana?
Qui est celui qui obscurcit mes desseins Par des discours sans intelligence?
Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:
Ceins tes reins comme un vaillant homme; Je t'interrogerai, et tu m'instruiras.
Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
Où étais-tu quand je fondais la terre? Dis-le, si tu as de l'intelligence.
Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
Qui en a fixé les dimensions, le sais-tu? Ou qui a étendu sur elle le cordeau?
Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
Sur quoi ses bases sont-elles appuyées? Ou qui en a posé la pierre angulaire,
Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra?
Alors que les étoiles du matin éclataient en chants d'allégresse, Et que tous les fils de Dieu poussaient des cris de joie?
Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
Qui a fermé la mer avec des portes, Quand elle s'élança du sein maternel;
Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,
Quand je fis de la nuée son vêtement, Et de l'obscurité ses langes;
Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana
Quand je lui imposai ma loi, Et que je lui mis des barrières et des portes;
Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
Quand je dis: Tu viendras jusqu'ici, tu n'iras pas au delà; Ici s'arrêtera l'orgueil de tes flots?
Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak'andro,
Depuis que tu existes, as-tu commandé au matin? As-tu montré sa place à l'aurore,
Mba horaisiny ny sisin'ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
Pour qu'elle saisisse les extrémités de la terre, Et que les méchants en soient secoués;
Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny,
Pour que la terre se transforme comme l'argile qui reçoit une empreinte, Et qu'elle soit parée comme d'un vêtement;
Ary hosakanana ny fahazavan'ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.
Pour que les méchants soient privés de leur lumière, Et que le bras qui se lève soit brisé?
Moa efa niditra hatrany amin'ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin'ny fanambanin'ny lalina?
As-tu pénétré jusqu'aux sources de la mer? T'es-tu promené dans les profondeurs de l'abîme?
Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin'ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin'ny aloky ny fahafatesana?
Les portes de la mort t'ont-elles été ouvertes? As-tu vu les portes de l'ombre de la mort?
Moa efa voadinikao ny hatrany amin'ny fahalalahan'ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.
As-tu embrassé du regard l'étendue de la terre? Parle, si tu sais toutes ces choses.
Aiza ary no lalana ho any amin'ny fonenan'ny mazava? Ary aiza no fitoeran'ny maizina?
Où est le chemin qui conduit au séjour de la lumière? Et les ténèbres, où ont-elles leur demeure?
Mba hitondranao izany ho amin'ny faran'ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.
Peux-tu les saisir à leur limite, Et connaître les sentiers de leur habitation?
Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin'izay, ary maro ny isan'ny andronao!
Tu le sais, car alors tu étais né, Et le nombre de tes jours est grand!
Moa efa niditra tany amin'ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,
Es-tu parvenu jusqu'aux amas de neige? As-tu vu les dépôts de grêle,
Izay voatahiriko ho amin'ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?
Que je tiens en réserve pour les temps de détresse, Pour les jours de guerre et de bataille?
Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan'ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin'ny tany?
Par quel chemin la lumière se divise-t-elle, Et le vent d'orient se répand-il sur la terre?
Iza moa no nihady lalan-drano ho an'ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an'ny helatry ny kotrokorana,
Qui a ouvert un passage à la pluie, Et tracé la route de l'éclair et du tonnerre,
Handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy mponina,
Pour que la pluie tombe sur une terre sans habitants, Sur un désert où il n'y a point d'hommes;
Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?
Pour qu'elle abreuve les lieux solitaires et arides, Et qu'elle fasse germer et sortir l'herbe?
Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon'ando?
La pluie a-t-elle un père? Qui fait naître les gouttes de la rosée?
Kibon'iza moa no nihavian'ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin'ny lanitra, iza no niteraka azy?
Du sein de qui sort la glace, Et qui enfante le frimas du ciel,
Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin'ny lalina.
Pour que les eaux se cachent comme une pierre, Et que la surface de l'abîme soit enchaînée?
Mahavona ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?
Noues-tu les liens des Pléiades, Ou détaches-tu les cordages de l'Orion?
Mahavoaka ny Mazarota amin'ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin'ny zanany va ianao?
Fais-tu paraître en leur temps les signes du zodiaque, Et conduis-tu la Grande Ourse avec ses petits?
Fantatrao va ny lalàn'ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan'ireny ny tany va ianao?
Connais-tu les lois du ciel? Règles-tu son pouvoir sur la terre?
Mahasandratra ny feonao ho amin'ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?
Elèves-tu la voix jusqu'aux nuées, Pour appeler à toi des torrents d'eaux?
Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
Lances-tu les éclairs? Partent-ils? Te disent-ils: Nous voici?
Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana?
Qui a mis la sagesse dans le coeur, Ou qui a donné l'intelligence à l'esprit?
Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon'ny lanitra,
Qui peut avec sagesse compter les nuages, Et verser les outres des cieux,
Hitambaran'ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?
Pour que la poussière se mette à ruisseler, Et que les mottes de terre se collent ensemble?
Mahay mihaza toha ho an'ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan'ny liona tanora,
Chasses-tu la proie pour la lionne, Et apaises-tu la faim des lionceaux,
Raha mamitsaka ao amin'ny fitoerany izy ary manotrika ao amin'ny kirihitrala?
Quand ils sont couchés dans leur tanière, Quand ils sont en embuscade dans leur repaire?
Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin'Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
Qui prépare au corbeau sa pâture, Quand ses petits crient vers Dieu, Quand ils sont errants et affamés?