I Corinthians 15

Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo,
Je vous rappelle, frères, l'Evangile que je vous ai annoncé, que vous avez reçu, dans lequel vous avez persévéré,
izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo.
et par lequel vous êtes sauvés, si vous le retenez tel que je vous l'ai annoncé; autrement, vous auriez cru en vain.
Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina,
Je vous ai enseigné avant tout, comme je l'avais aussi reçu, que Christ est mort pour nos péchés, selon les Ecritures;
dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina;
qu'il a été enseveli, et qu'il est ressuscité le troisième jour, selon les Ecritures;
ary niseho tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa.
et qu'il est apparu à Céphas, puis aux douze.
Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan'ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry.
Ensuite, il est apparu à plus de cinq cents frères à la fois, dont la plupart sont encore vivants, et dont quelques-uns sont morts.
Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'i Jakoba Izy, dia tamin'ny Apostoly rehetra.
Ensuite, il est apparu à Jacques, puis à tous les apôtres.
Ary faran'izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa.
Après eux tous, il m'est aussi apparu à moi, comme à l'avorton;
Fa izaho dia ambany indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra aho.
car je suis le moindre des apôtres, je ne suis pas digne d'être appelé apôtre, parce que j'ai persécuté l'Eglise de Dieu.
Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa tamiko.
Par la grâce de Dieu je suis ce que je suis, et sa grâce envers moi n'a pas été vaine; loin de là, j'ai travaillé plus qu'eux tous, non pas moi toutefois, mais la grâce de Dieu qui est avec moi.
Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.
Ainsi donc, que ce soit moi, que ce soient eux, voilà ce que nous prêchons, et c'est ce que vous avez cru.
Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty?
Or, si l'on prêche que Christ est ressuscité des morts, comment quelques-uns parmi vous disent-ils qu'il n'y a point de résurrection des morts?
Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;
S'il n'y a point de résurrection des morts, Christ non plus n'est pas ressuscité.
ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo.
Et si Christ n'est pas ressuscité, notre prédication est donc vaine, et votre foi aussi est vaine.
Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy.
Il se trouve même que nous sommes de faux témoins à l'égard de Dieu, puisque nous avons témoigné contre Dieu qu'il a ressuscité Christ, tandis qu'il ne l'aurait pas ressuscité, si les morts ne ressuscitent point.
Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;
Car si les morts ne ressuscitent point, Christ non plus n'est pas ressuscité.
ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo;
Et si Christ n'est pas ressuscité, votre foi est vaine, vous êtes encore dans vos péchés,
dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy.
et par conséquent aussi ceux qui sont morts en Christ sont perdus.
Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.
Si c'est dans cette vie seulement que nous espérons en Christ, nous sommes les plus malheureux de tous les hommes.
Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry.
Mais maintenant, Christ est ressuscité des morts, il est les prémices de ceux qui sont morts.
Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty.
Car, puisque la mort est venue par un homme, c'est aussi par un homme qu'est venue la résurrection des morts.
Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy.
Et comme tous meurent en Adam, de même aussi tous revivront en Christ,
Nefa samy amin'ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an'i Kristy amin'ny fihaviany.
mais chacun en son rang. Christ comme prémices, puis ceux qui appartiennent à Christ, lors de son avènement.
Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin'izay dia hatolony ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra.
Ensuite viendra la fin, quand il remettra le royaume à celui qui est Dieu et Père, après avoir détruit toute domination, toute autorité et toute puissance.
Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 110. 1).
Car il faut qu'il règne jusqu'à ce qu'il ait mis tous les ennemis sous ses pieds.
Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.
Le dernier ennemi qui sera détruit, c'est la mort.
Fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 8. 6). Fa na dia hataony hoe aza: Ny zavatra rehetra no nampanekena, dia fantatra marina fa tsy mba isan'izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy.
Dieu, en effet, a tout mis sous ses pieds. Mais lorsqu'il dit que tout lui a été soumis, il est évident que celui qui lui a soumis toutes choses est excepté.
Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan'ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany.
Et lorsque toutes choses lui auront été soumises, alors le Fils lui-même sera soumis à celui qui lui a soumis toutes choses, afin que Dieu soit tout en tous.
Raha tsy izany, hanao ahoana izay atao batisa ny amin'ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa ny aminy?
Autrement, que feraient ceux qui se font baptiser pour les morts? Si les morts ne ressuscitent absolument pas, pourquoi se font-ils baptiser pour eux?
Ary nahoana izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva?
Et nous, pourquoi sommes-nous à toute heure en péril?
Lazaiko marina, ry rahalahy, amin'ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan'andro aho.
Chaque jour je suis exposé à la mort, je l'atteste, frères, par la gloire dont vous êtes pour moi le sujet, en Jésus-Christ notre Seigneur.
Raha araka ny fanaon'olona no niadiako tamin'ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin'izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty (Isa. 22. 13).
Si c'est dans des vues humaines que j'ai combattu contre les bêtes à Ephèse, quel avantage m'en revient-il? Si les morts ne ressuscitent pas, Mangeons et buvons, car demain nous mourrons.
Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.
Ne vous y trompez pas: les mauvaises compagnies corrompent les bonnes moeurs.
Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an'Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.
Revenez à vous-mêmes, comme il est convenable, et ne péchez point; car quelques-uns ne connaissent pas Dieu, je le dis à votre honte.
Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?
Mais quelqu'un dira: Comment les morts ressuscitent-ils, et avec quel corps reviennent-ils?
Ry adala, izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha;
Insensé! ce que tu sèmes ne reprend point vie, s'il ne meurt.
ary izay afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voambary, na voa hafa;
Et ce que tu sèmes, ce n'est pas le corps qui naîtra; c'est un simple grain, de blé peut-être, ou de quelque autre semence;
fa Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony, ary ny voany rehetra dia samy omeny ny tenany avy.
puis Dieu lui donne un corps comme il lui plaît, et à chaque semence il donne un corps qui lui est propre.
Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an'ny olona, ary hafa ny nofon'ny biby, ary hafa ny nofon'ny vorona, ary hafa ny an'ny hazandrano.
Toute chair n'est pas la même chair; mais autre est la chair des hommes, autre celle des quadrupèdes, autre celle des oiseaux, autre celle des poissons.
Ary misy tenan'ny any an-danitra, ary misy tenan'ny etỳ an-tany; fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an'ny etỳ an-tany.
Il y a aussi des corps célestes et des corps terrestres; mais autre est l'éclat des corps célestes, autre celui des corps terrestres.
Hafa ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny voninahitry ny kintana; fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray.
Autre est l'éclat du soleil, autre l'éclat de la lune, et autre l'éclat des étoiles; même une étoile diffère en éclat d'une autre étoile.
Dia toy izany koa ny fitsanganan'ny maty: Afafy amin'ny fahalòvana izy, atsangana amin'ny tsi-fahalòvana;
Ainsi en est-il de la résurrection des morts. Le corps est semé corruptible; il ressuscite incorruptible;
afafy amin'ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin'ny voninahitra; afafy amin'ny fahalemena izy, atsangana amin'ny hery;
il est semé méprisable, il ressuscite glorieux; il est semé infirme, il ressuscite plein de force;
afafy tena araka ny fomban'aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban'aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa.
il est semé corps animal, il ressuscite corps spirituel. S'il y a un corps animal, il y a aussi un corps spirituel.
Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan'aina (Gen. 2. 7); Adama farany natao fanahy mahavelona.
C'est pourquoi il est écrit: Le premier homme, Adam, devint une âme vivante. Le dernier Adam est devenu un esprit vivifiant.
Anefa tsy izay amin'ny fanahy no voalohany, fa izay amin'ny manan'aina, dia vao izay amin'ny fanahy.
Mais ce qui est spirituel n'est pas le premier, c'est ce qui est animal; ce qui est spirituel vient ensuite.
Ny olona voalohany avy amin'ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra.
Le premier homme, tiré de la terre, est terrestre; le second homme est du ciel.
Izay amin'ny tany dia tahaka ilay amin'ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any an-danitra.
Tel est le terrestre, tels sont aussi les terrestres; et tel est le céleste, tels sont aussi les célestes.
Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin'ny tany no hitondrantsika ny endrik'ilay any an-danitra koa.
Et de même que nous avons porté l'image du terrestre, nous porterons aussi l'image du céleste.
Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana.
Ce que je dis, frères, c'est que la chair et le sang ne peuvent hériter le royaume de Dieu, et que la corruption n'hérite pas l'incorruptibilité.
Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,
Voici, je vous dis un mystère: nous ne mourrons pas tous, mais tous nous serons changés,
fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana.
en un instant, en un clin d'oeil, à la dernière trompette. La trompette sonnera, et les morts ressusciteront incorruptibles, et nous, nous serons changés.
Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana.
Car il faut que ce corps corruptible revête l'incorruptibilité, et que ce corps mortel revête l'immortalité.
Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona (Isa. 25. 8).
Lorsque ce corps corruptible aura revêtu l'incorruptibilité, et que ce corps mortel aura revêtu l'immortalité, alors s'accomplira la parole qui est écrite: La mort a été engloutie dans la victoire.
Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? (Hos. 13. 14).
O mort, où est ta victoire? O mort, où est ton aiguillon?
Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.
L'aiguillon de la mort, c'est le péché; et la puissance du péché, c'est la loi.
Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
Mais grâces soient rendues à Dieu, qui nous donne la victoire par notre Seigneur Jésus-Christ!
Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.
Ainsi, mes frères bien-aimés, soyez fermes, inébranlables, travaillant de mieux en mieux à l'oeuvre du Seigneur, sachant que votre travail ne sera pas vain dans le Seigneur.