Psalms 70

Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
خدایا مرا نجات بده، خداوندا، اکنون به فریادم برس.
Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin'ny manjo ahy;
آنانی که قصد جان مرا دارند شرمنده و رسوا شوند و بدخواهان من آشفته و پریشان گردند.
Aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay manao hoe: Hià! sakoa izay!
کسانی‌كه مرا مسخره می‌کنند، هراسان شوند.
Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.
کسانی‌که به تو روی می‌آورند شاد و مسرور گردند. آنانی که به‌خاطر نجات خود از تو سپاسگزارند، همیشه بگویند: «خدا چقدر بزرگ است!»
Fa izaho dia ory sy malahelo; faingàna hankatỳ amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Jehovah ô.
خدایا، من فقیر و نیازمندم، برای کمک به من شتاب کن، تو خداوند و نجات‌دهندهٔ من هستی. پس ای خداوند، تأخیر مکن.