Galatians 6

Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.
ای دوستان من، اگر كسی در هنگام ارتكاب خطا دیده شود، شما كه روحانی هستید، او را با روح فروتنی به راه راست آورید. امّا مواظب خود باشید مبادا شما نیز دستخوش وسوسه شوید.
Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy.
بارهای یكدیگر را حمل كنید و به این طریق قانون مسیح را بجا خواهید آورد.
Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.
اگر كسی خود را شخص بزرگی بداند درحالی‌که چیزی نیست، خود را فریب می‌دهد.
Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin'ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin'ny olon-kafa;
هرکس باید رفتار خود را بیازماید و اگر رفتارش پسندیده بود، می‌تواند به خود ببالد و لزومی ندارد كه خود را با دیگران مقایسه كند،
fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.
زیرا هرکس باید متحمّل بار خود باشد.
Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an'izay mampianatra.
محصّلین كلام خدا، معلّم خود را در تمام نعمات خویش شریک سازند.
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany.
فریب نخورید، هیچ‌کس نمی‌تواند خدا را فریب دهد، زیرا آنچه آدمی بكارد، همان را درو خواهد كرد.
Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy.
مثلاً اگر كسی بذر در كشتزار هوی و هوس خویش بكارد، از آن خرمن مرگ را درو خواهد كرد و اگر در كشتزار روح خدا بكارد، از روح، حیات جاودانی را درو خواهد كرد.
Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.
از انجام نیكوكاری خسته نشویم زیرا اگر دست از كار نكشیم، در وقت مناسب محصول خود را درو خواهیم كرد.
Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.
پس تا آنجا كه فرصت داریم، به همه نیكی كنیم مخصوصاً به کسانی‌که در ایمان، با ما اعضای یک خانواده هستند.
Indro ny havaventin'ny soratra izay soratan'ny tanako ho aminareo.
ببینید من با دست خود با چه حروف درشتی برای شما می‌نویسم.
Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin'ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany : fandrao henjehina noho ny hazo fijalian'i Kristy izy.
مقصود آنانی كه شما را به ختنه مجبور می‌کنند این است كه تظاهر كنند. مخصوصاً آنها نمی‌خواهند به‌خاطر صلیب مسیح جفا ببینند.
Fa na dia ny tenan'izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany ho forana koa ianareo, mba hireharehany amin'ny nofonareo.
حتّی آنانی كه ختنه دارند، شریعت را بجا نمی‌‌آورند! آنها می‌خواهند كه شما ختنه شوید تا به اطاعت شما در یک عمل جسمانی ببالند.
Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin'izao tontolo izao.
و امّا من، خدا نكند كه به چیزی جز صلیب خداوند ما عیسی مسیح ببالم كه به وسیلهٔ آن، دنیا برای من مصلوب شد و من برای دنیا.
Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao.
داشتن و یا نداشتن ختنه مهم نیست، بلكه فقط خلقت تازه اهمیّت دارد.
Ary izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny famindram-po, ary ho amin'ny Isiraelin'Andriamanitra.
به همهٔ آنانی كه در زندگی خود از این قاعده پیروی می‌کنند، یعنی به اسرائیل حقیقی خدا، آرامش و رحمت باد!
Amin'izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik'i Jesosy voatomboka eo amin'ny tenako.
دیگر هیچ‌کس مزاحم من نشود، زیرا داغهایی بر بدن خود دارم كه نشان می‌دهند من غلام مسیح هستم.
Ho amin'ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.
ای دوستان من، فیض خداوند ما عیسی مسیح با روح شما باد، آمین.