Esther 10

Ary Ahasoerosy mpanjaka nampandoa hetra ny tany sy ny nosin-dranomasina.
Kong Ahasverus lagde Skat på Fastlandet og Kystlandene.
Ary izay rehetra nataony araka ny fahefany sy ny heriny mbamin'ny filazana ny fahalehibiazan'i Mordekay, araka izay nanandratan'ny mpanjaka azy, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Media sy Persia va izany?
Og alt, hvad han gjorde i sin Magt og Vælde, og en nøjagtig Skildring af den høje Værdighed, Kongen ophøjede Mordokaj til, står optegnet i Mediens og Persiens Kongers Krønike.
Fa Mordekay Jiosy no nanarakaraka an'i Ahasoerosy mpanjaka sady nalaza tamin'ny Jiosy ka nankasitrahan'ny rahalahiny maro, satria nitady hihasoa ny fireneny izy sady nilaza fiadanana tamin'ny olona rehetra iray firazanana aminy.
Thi Jøden Mordokaj havde den højeste Værdighed efter Kong Ahasverus, og han stod i høj Anseelse hos Jøderne og var elsket af sine mange Landsmænd, fordi han virkede for sit Folks vel og talte til Bedste for al sin Slægt.