Dia nentiny niverina ho eo amin'ny varavaran'ny trano aho; ary, indro,nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin'ny tokonan'ny trano; fa manatrika ny atsinanana ny trano, ary ny rano nidina avy teo ambanin'ny lafiny ankavanan'ny trano teo atsimon'ny alitara.
Zatim me odvede natrag k vratima Doma. I gle: voda izvirala ispod praga Doma, prema istoku - jer pročelje Doma bijaše prema istoku - i voda otjecaše ispod desne strane Doma, južno od žrtvenika.
Ary nony nandeha niantsinanana ralehilahy, nisy famolaina teny an-tànany, ka nandrefy arivo hakiho izy, dia nampitainy ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.
Čovjek pođe prema istoku s užetom u ruci, izmjeri tisuću lakata i prevede me preko vode, a voda mi sezaše do gležanja.
Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy ny rano aho, ka halohalika ny rano. Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy aho, ka havalahana ny rano.
Ondje opet izmjeri tisuću lakata i provede me preko vode, a voda bijaše do koljena. I opet izmjeri tisuću lakata i prevede me preko vode što bijaše do bokova.
Ary nandrefy arivo hakiho indray koa izy, ary efa ony tsy azo itana, fa efa nihalalina ny rano, dia rano holanosina, eny, ony tsy azo itana.
Opet izmjeri tisuću lakata, ali ondje bijaše potok koji ne mogoh prijeći jer je voda nabujala te je trebalo plivati: bijaše to potok koji se ne može prijeći.
Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin'ny tany atsinanana, dia midina any amin'ny tani-hay ka miditra eo amin'ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano.
I reče mi: "Ova voda teče u istočni kraj, spušta se u Arabu i teče u more; a kad se u more izlije, vode mu ozdrave.
Ary ny zava-manan'aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan'ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran'ny ony.
I kuda god potok protječe, sve živo što se miče oživi; i bit će vrlo mnogo riba, jer kamo god dođe ova voda, sve ozdravi i oživi - kuda god protječe ovaj potok.
Ary hisy mpaka hazandrano hitsangana eny amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima; ho famelarana harato izany; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano betsaka dia betsaka any amin'ny Ranomasina Lehibe.
I ribari će ribariti duž mora: od En Gedija do En Eglajima sušit će se mreže; i bit će vrlo mnogo svakovrsnih riba kao u Velikom moru.
Ary eny amoron'ny ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny.
Duž potoka na obje strane rast će svakovrsne voćke: lišće im neće otpadati i s njih neće nestajati ploda; svakog će mjeseca roditi novim plodom jer im voda dotječe iz Svetišta. Plod će njihov biti za jelo, a lišće za lijek'.
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo; anjaran-droa no ho an'i Josefa.
Ovako govori Jahve Gospod: 'Ovo su granice u kojima ćete podijeliti zemlju u baštinu među dvanaest plemena Izraelovih - Josipu dva dijela.
Ary ny fari-taniny dia hatramin'ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy, ary amin'ny avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra.
Granica će se, dakle, protezati od mora do Haser Enona, kojemu je na sjeveru kraj damaščanski i hamatski - sjeverna strana.
Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan'i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin'ny Isiraely dia Jordana; hatramin'ny fari-tany ka hatreo amoron'ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.
Istočna strana: između Haurana i Damaska, između Gileada i zemlje izraelske, pa Jordanom kao granicom prema istočnomu moru do Tamara - istočna strana.
Ary ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara dia hatramin'ny ranon'i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo.
Južna strana: prema jugu od Tamara do Meripskih voda i Kadeša pa potokom prema Velikomu moru - južna strana, prema jugu.
Ary amin'ny filokana no hizaranareo azy ho lovanareo sy ny vahiny monina ao aminareo, izay miteraka ao aminareo; ka izy dia hataonareo ho tahaka ny tena zanak'Isiraely; hiara-manao filokana aminareo hiara-mandova amin'ny firenen'Isiraely izy.
Razdijelit ćete je ždrijebom u baštinu između sebe i između došljaka koji žive među vama i koji među vama djecu narodiše: i njih ćete smatrati domorocima među Izraelovim sinovima, da i oni dobiju ždrijebom baštinu među Izraelovim sinovima.