Zephaniah 3

Lozan'ny tanàna miodina sady voaloto, Dia ilay mampahory!
这悖逆、污秽、欺压的城有祸了!
Tsy nihaino ny feo izy, Na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny.
她不听从命令,不领受训诲,不倚靠耶和华,不亲近她的 神。
Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; Amboadia hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela ho tra-maraina.
她中间的首领是咆哮的狮子;她的审判官是晚上的豺狼,一点食物也不留到早晨。
Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; Mandoto izay masina ny mpisorony, Eny, mamadika ny lalàna izy.
她的先知是虚浮诡诈的人;她的祭司亵渎圣所,强解律法。
Jehovah no marina ao afovoany, Tsy manao izay tsy marina Izy; Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin'ny mazava, ka tsy diso izany. Fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra.
耶和华在她中间是公义的,断不做非义的事,每早晨显明他的公义,无日不然;只是不义的人不知羞耻。
Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin'ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina.
我─耶和华已经除灭列国的民;他们的城楼毁坏。我使他们的街道荒凉,以致无人经过;他们的城邑毁灭,以致无人,也无居民。
Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao, Araka izay rehetra voatendriko hamelezana anao; Kanefa nifoha maraina koa izy ka nanao Izay ratsy rehetra.
我说:你只要敬畏我,领受训诲;如此,你的住处不致照我所拟定的除灭。只是你们从早起来就在一切事上败坏自己。
Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin'ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin'ireo, dia ny firehetan'ny fahatezerako rehetra, Ka ho levon'ny afon'ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.
耶和华说:你们要等候我,直到我兴起掳掠的日子;因为我已定意招聚列国,聚集列邦,将我的恼怒─就是我的烈怒都倾在她们身上。我的忿怒如火,必烧灭全地。
Fa amin'izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan'izy rehetra ny anaran'i Jehovah, hanompoany Azy amin'ny firaisan-kina.
那时,我必使万民用清洁的言语好求告我─耶和华的名,同心合意地事奉我。
Avy any an-dafin'ny onin'i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny zanakavavin'izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy.
祈祷我的,就是我所分散的民(原文是女子;下同),必从古实河外来,给我献供物。
Amin'izany andro izany dia tsy ho menatra ianao tamin'izay nataonao rehetra, Izay nanotanao tamiko; Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, Ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masina intsony ianao.
当那日,你必不因你一切得罪我的事自觉羞愧;因为那时我必从你中间除掉矜夸高傲之辈,你也不再于我的圣山狂傲。
Nefa hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, Ary ny anaran'i Jehovah no hialofany,
我却要在你中间留下困苦贫寒的民;他们必投靠我─耶和华的名。
Ny sisa amin'ny Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga, Ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; Fa hihinana sy handry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
以色列所剩下的人必不作罪孽,不说谎言,口中也没有诡诈的舌头;而且吃喝躺卧,无人惊吓。
Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin'ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy.
锡安的民哪,应当歌唱!以色列啊,应当欢呼!耶路撒冷的民哪,应当满心欢喜快乐!
Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao.
耶和华已经除去你的刑罚,赶出你的仇敌。以色列的王─耶和华在你中间;你必不再惧怕灾祸。
Amin'izany andro izany dia holazaina amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona.
当那日,必有话向耶路撒冷说:不要惧怕!锡安哪;不要手软!
Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy.
耶和华─你的 神是施行拯救、大有能力的主。他在你中间必因你欢欣喜乐,默然爱你,且因你喜乐而欢呼。
Hangoniko izay manina ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran'ny latsa izy.
那些属你、为无大会愁烦、因你担当羞辱的,我必聚集他们。
Indro, hasiako amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra.
那时,我必罚办一切苦待你的人,又拯救你瘸腿的,聚集你被赶出的。那些在全地受羞辱的,我必使他们得称讚,有名声。
Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah.
那时,我必领你们进来,聚集你们;我使你们被掳之人归回的时候,就必使你们在地上的万民中有名声,得称讚。这是耶和华说的。