Zephaniah 2

Miangona, eny, mivoria ianareo Ry firenena tsy manan-kenatra,
不知羞耻的国民哪,你们应当聚集!趁命令没有发出,日子过去如风前的糠,耶和华的烈怒未临到你们,他发怒的日子未到以先,你们应当聚集前来。
Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin'i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.
并入上节
Mitadiava an'i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina ianareo amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah.
世上遵守耶和华典章的谦卑人哪,你们都当寻求耶和华!当寻求公义谦卑,或者在耶和华发怒的日子可以隐藏起来。
Fa hafoy Gaza, Ary ho lao Askelona; Horoahiny mitataovovonana Asdoda, Ary hofongorana Ekrona.
迦萨必致见弃;亚实基伦必然荒凉。人在正午必赶出亚实突的民;以革伦也被拔出根来。
Lozan'ny mponina any amoron-tsiraka, Dia ny firenen'ny Keretita! Mihatra aminareo ny tenin'i Jehovah, Ry Kanana, tanin'ny Filistina! Haringako tsy hisy mponina eo aminao,
住沿海之地的基利提族有祸了!迦南、非利士人之地啊,耶和华的话与你反对,说:我必毁灭你,以致无人居住。
Ary ny any amoron-tsiraka dia ho tonga tany fiandrasana ondry, izay misy zohy fialofan'ny mpiandry ondry, Sy ho valan'ondry aman'osy,
沿海之地要变为草场,其上有牧人的住处和羊群的圈。
Ary ho tanin'ny sisa amin'ny taranak'i Joda izany, Ka any no hiandrasany ondry; Ny tranon'i Askelona no handriany amin'ny hariva; Fa Jehovah Andriamaniny no hamangy azy Ka hampody azy avy amin'ny fahababoany.
这地必为犹大家剩下的人所得;他们必在那里牧放群羊,晚上必躺卧在亚实基伦的房屋中;因为耶和华─他们的 神必眷顾他们,使他们被掳的人归回。
Efa reko ny fandatsan'i Moaba Sy ny fanaratsian'ny taranak'i Amona, Izay nandatsany ny oloko Sy nireharehany teny amin'ny sisin-taniny.
我听见摩押人的毁谤和亚扪人的辱骂,就是毁谤我的百姓,自夸自大,侵犯他们的境界。
Koa raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, Dia ho tahaka an'i Sodoma tokoa Moaba, Ary ny taranak'i Amona ho tahaka an'i Gomora, Dia ho alan'amiana sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay; Ny sisa amin'ny oloko no hamabo azy, ary ny sisa amin'ny oloko no hahalasa azy.
万军之耶和华─以色列的 神说:我指著我的永生起誓:摩押必像所多玛,亚扪人必像蛾摩拉,都变为刺草、盐坑、永远荒废之地。我百姓所剩下的必掳掠他们;我国中所余剩的必得著他们的地。
Izany no ho valin'ny avonavony, Satria nandatsa ny olon'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy nirehareha taminy izy.
这事临到他们是因他们骄傲,自夸自大,毁谤万军之耶和华的百姓。
Hahatsiravina azy Jehovah, Satria hahamosarena ireo andriamanitra rehetra ambonin'ny tany Izy, Mba hiankohofan'ny any amoron-tsiraky ny jentilisa rehetra eo anatrehan'i Jehovah, Samy any amin'ny fitoerany avy.
耶和华必向他们显可畏之威,因他必叫世上的诸神瘦弱。列国海岛的居民各在自己的地方敬拜他。
Hianareo Etiopiana koa, Ho voatrabaky ny sabatro ianareo.
古实人哪,你们必被我的刀所杀。
Ary haninjitra ny tànany hamely ny avaratra Izy Ka handringana an'i Asyria; Ary hahalao an'i Ninive ho karankaina tahaka ny efitra Izy.
耶和华必伸手攻击北方,毁灭亚述,使尼尼微荒凉,又干旱如旷野。
Ary hisy andiany handry ao aminy, Dia fivorian'ny karazam-biby samy hafa, Ny sama sy ny sokina hitoetra ao amin'ny kapitaliny; Feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely, Ary fandravana no ho eo an-tokonana, Fa hendahany ny rafitra sedera.
群畜,就是各国(国:或译类)的走兽必卧在其中;鹈鹕和箭猪要宿在柱顶上。在窗户内有鸣叫的声音;门槛都必毁坏,香柏木已经露出。
Izany no tanàna niravoravo sady nandry fahizay, Izay nanao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; Endrey! efa tonga lao izy, eny, fandrian'ny biby! Izay rehetra mandalo azy dia hisitrisitra sy hanondro tanana.
这是素来欢乐安然居住的城,心里说:惟有我,除我以外再没有别的;现在何竟荒凉成为野兽躺卧之处!凡经过的人都必摇手嗤笑她。