Zephaniah 1

Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Zefania, zanak'i Kosy, zanak'i Gedalia, zanak'i Amaria, zanak'i Hezekia, tamin'ny andro nanjakan'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda.
当犹大王亚们的儿子约西亚在位的时候,耶和华的话临到希西家的玄孙,亚玛利雅的曾孙基大利的孙子,古示的儿子西番雅。
Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin'ny tany, hoy Jehovah;
耶和华说:我必从地上除灭万类。
Eny, hakifako ny olona sy ny biby; Hakifako ny vorona eny amin'ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina. Ary ny zavatra mahatafintohina mbamin'ny ratsy fanahy, Haringako tsy ho amin'ny tany ny olona, hoy Jehovah.
我必除灭人和牲畜,与空中的鸟、海里的鱼,以及绊脚石和恶人;我必将人从地上剪除。这是耶和华说的。
Ary hahinjitro ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin'ity tany ity ny sisa amin'i Bala, Sy ny anaran'ny mpisorona amin'ny andriamani-tsi-izy mbamin'ny tena mpisorona,
我必伸手攻击犹大和耶路撒冷的一切居民,也必从这地方剪除所剩下的巴力,并基玛林的名和祭司,
Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin'izay eny amin'ny lanitra,Ary izay miankohoka sy mianiana ho an'i Jehovah Sady mianiana amin'i Malkama,
与那些在房顶上敬拜天上万象的,并那些敬拜耶和华指著他起誓,又指著玛勒堪起誓的,
Ary izay nihemotra niala tamin'i Jehovah, Sy izay tsy nitady an'i Jehovah na nanontany taminy.
与那些转去不跟从耶和华的,和不寻求耶和华也不访问他的。
Mangina eo anatrehan'i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah; Fa Jehovah efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra Ka efa nanamasina ny olona nasainy.
你要在主耶和华面前静默无声,因为耶和华的日子快到。耶和华已经预备祭物,将他的客分别为圣。
Ary raha mby amin'ny andro hamonoan'i Jehovah zavatra hatao fanatitra, Dia hovaliako ny lehibe sy ny zanak'andriana Mbamin'izay rehetra mitafy ny fitafin'ny firenena hafa.
到了我─耶和华献祭的日子,必惩罚首领和王子,并一切穿外邦衣服的。
Ary amin'izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, Dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon'ny tompony.
到那日,我必惩罚一切跳过门槛、将强暴和诡诈得来之物充满主人房屋的。
Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, Sy fidradradradrana ao amin'ny tanàna ambany, Ary fidarabohana miezinezina any amin'ny havoana.
耶和华说:当那日,从鱼门必发出悲哀的声音,从二城发出哀号的声音,从山间发出大破裂的响声。
Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy; Fa ringana avokoa ny mpandranto rehetra, Eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy.
玛革提施的居民哪,你们要哀号,因为迦南的商民都灭亡了!凡搬运银子的都被剪除。
Ary amin'izany andro izany dia hotsiloviko amin'ny jiro Jerosalema, Ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin'ny faikany, Dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.
那时,我必用灯巡查耶路撒冷;我必惩罚那些如酒在渣滓上澄清的;他们心里说:耶和华必不降福,也不降祸。
Ka dia ho tonga babo ny fananan'ireny, Ary ho lao ny tranony; Dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao, Hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
他们的财宝必成为掠物;他们的房屋必变为荒场。他们必建造房屋,却不得住在其内;栽种葡萄园,却不得喝所出的酒。
Efa antomotra ny andro lehiben'i Jehovah; Eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra, Injay! feon'ny andron'i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any.
耶和华的大日临近,临近而且甚快,乃是耶和华日子的风声;勇士必痛痛地哭号。
Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito.
那日是忿怒的日子,是急难困苦的日子,是荒废凄凉的日子,是黑暗幽冥、密云乌黑的日子,
Andro fahaveloman'ny anjomara sy ny akora, Hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin'ny zorony.
是吹角呐喊的日子,要攻击坚固城和高大的城楼。
Ary hampahory ny olona Aho, Handehanany toy ny jamba, Satria efa nanota tamin'i Jehovah izy; Ny ràny dia haidina toy ny vovoka, Ary ny nofony ho toy ny zezika.
我必使灾祸临到人身上,使他们行走如同瞎眼的,因为得罪了我。他们的血必倒出如灰尘;他们的肉必抛弃如粪土。
Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah, Fa holevonin'ny afon'ny  fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin'ny mponina amin'ny tany.
当耶和华发怒的日子,他们的金银不能救他们;他的忿怒如火必烧灭全地,毁灭这地的一切居民,而且大大毁灭。