Zechariah 7

Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i Zakaria, tamin'ny andro fahefatra tamin'ny volana fahasivy (Kisleva izany);
大利乌王第四年九月,就是基斯流月初四日,耶和华的话临到撒迦利亚。
ary Betela efa naniraka an'i Serezera sy Regema-meleka sy ny olony hifona amin'i Jehovah
那时伯特利人已经打发沙利亚和利坚米勒,并跟从他们的人,去恳求耶和华的恩,
ka hiteny amin'ny mpisoron'ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy amin'ny mpaminany hoe: Hitomany amin'ny volana fahadimy va aho ka hifady toy ny fanaoko tamin'ny taon-dasa ela?
并问万军之耶和华殿中的祭司和先知说:「我历年以来,在五月间哭泣斋戒,现在还当这样行吗?」
Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, nanao hoe:
万军之耶和华的话就临到我说:
Lazao amin'ny vahoaka rehetra amin'ny tany sy amin'ny mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany tamin'ny volana fahadimy sy ny fahafito tamin'izao fito-polo taona izao, ianareo moa nifady ho Ahy va ianareo?
「你要宣告国内的众民和祭司,说:『你们这七十年,在五月、七月禁食悲哀,岂是丝毫向我禁食吗?
Ary raha mihinana sy misotro ianareo. moa tsy mihinana sy misotro ho an'ny tenanareo ihany va ianareo?
你们吃喝,不是为自己吃,为自己喝吗?
Moa tsy tokony ho nihaino ny teny izay nasain'i Jehovah nantsoin'ny mpaminany fahiny va ianareo, fony mbola nonenana sy nandry fahizay Jerosalema sy ny zana-bohiny manodidina azy, sady nonenana koa ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka?
当耶路撒冷和四围的城邑有居民,正兴盛,南地高原有人居住的时候,耶和华借从前的先知所宣告的话,你们不当听吗?』」
Ary tonga tamin'i Zakaria ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
耶和华的话又临到撒迦利亚说:
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin'ny rahalahiny avy;
「万军之耶和华曾对你们的列祖如此说:『要按至理判断,各人以慈爱怜悯弟兄。
ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
不可欺压寡妇、孤儿、寄居的,和贫穷人。谁都不可心里谋害弟兄。』」
Nefa tsy nety nihaino ireny, fa nampihemotra ny sorony, ary nataony lalodalovana ny sofiny; mba tsy handre.
他们却不肯听从,扭转肩头,塞耳不听,
Eny, nanao ny fony ho mafy,toy ny diamondra Izy, mba tsy hihaino ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain'ny Fanahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, holazain'ny mpaminany fahiny, ka dia tonga izay fahatezerana mafy avy tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro,
使心硬如金钢石,不听律法和万军之耶和华用灵借从前的先知所说的话。故此,万军之耶和华大发烈怒。
Koa toy ny niantsoan'ireny, fa tsy nohenoiny, dia ho toy izany no hiantsoany kosa, fa tsy hohenoiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro;
万军之耶和华说:「我曾呼唤他们,他们不听;将来他们呼求我,我也不听!
fa haeliko amin'ny tafio-drivotra ho any amin'ny firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany no nahalao ny tany tao aoriany, ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy.
我必以旋风吹散他们到素不认识的万国中。这样,他们的地就荒凉,甚至无人来往经过,因为他们使美好之地荒凉了。」