Zechariah 14

Indro, hisy andron'i Jehovah ho avy, ka ny babo aminao hozaraina ao am-povoanao.
耶和华的日子临近,你的财物必被抢掠,在你中间分散。
Ary hangoniko ny jentilisa rehetra hamely an'i Jerosalema, dia ho afaka ny tanàna, ka horobaina ny trano, ary hosavihina ny vehivavy; ary ny an-tsasaky ny tanàna dia ho lasan-ko babo, fa ny vahoaka sisa tsy dia hofongorana avokoa amin'ny tanàna.
因为我必聚集万国与耶路撒冷争战,城必被攻取,房屋被抢夺,妇女被玷污,城中的民一半被掳去;剩下的民仍在城中,不致剪除。
Dia hivoaka Jehovah ka hiady amin'ireny jentilisa ireny, tahaka ny fameliny amin'ny andro fiadiana.
那时,耶和华必出去与那些国争战,好像从前争战一样。
Ary amin'izany andro izany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva. izay eo atsinanana tandrifin'i Jerosalema, ary ny Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany hiatsinanana sy hiankandrefana, ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra hifindra hianavaratra, fa ny an-tsasany kosa hianatsimo.
那日,他的脚必站在耶路撒冷前面朝东的橄榄山上。这山必从中间分裂,自东至西成为极大的谷。山的一半向北挪移,一半向南挪移。
Dia handositra ho any amin'ny lohasahan'ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela ny lohasahan'ny tendrombohitra; eny, handositra ianareo tahaka ny nandosiranareo ny horohorontany tamin'ny andron'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin'ny masina rehetra momba Azy.
你们要从我山的谷中逃跑,因为山谷必延到亚萨。你们逃跑,必如犹大王乌西雅年间的人逃避大地震一样。耶和华─我的 神必降临,有一切圣者同来。
Ary amin'izany andro izany dia tsy hisy mazava, ary ireo mamirapiratra tsy hiseho intsony;
那日,必没有光,三光必退缩。
fa hisy andro iray, izay fantatr'i Jehovah, tsy andro na alina; nefa, raha hariva ny andro, dia hisy mazava.
那日,必是耶和华所知道的,不是白昼,也不是黑夜,到了晚上才有光明。
Ary amin'izany andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, ka ny antsasany hankany amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny antsasany hankany amin'ny ranomasina andrefana, na amin'ny fahavaratra na amin'ny ririnina dia samy hisian'izany.
那日,必有活水从耶路撒冷出来,一半往东海流,一半往西海流;冬夏都是如此。
Ary Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany.
耶和华必作全地的王。那日耶和华必为独一无二的,他的名也是独一无二的。
Ho tonga tahaka ny tani-hay ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon'i Jerosalema; ary hasandratra sy honenana ao amin'ny fitoerany izy hatramin'ny vavahadin'i Benjamina ka hatreo amin'ny vavahady voalohany, hatramin'ny vavahady an-jorony, ary hatramin'ny tilikambo Hananela ka hatramin'ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
全地,从迦巴直到耶路撒冷南方的临门,要变为亚拉巴。耶路撒冷必仍居高位,就是从便雅悯门到第一门之处,又到角门,并从哈楠业楼,直到王的酒醡。
Dia hisy mponina any, ary tsy hisy ozona intsony, fa Jerosalema handry fahizay.
人必住在其中,不再有咒诅。耶路撒冷人必安然居住。
Ary izao no areti-mandringana hamelezan'i Jehovah ny firenena rehetra izay efa nanafika an'i Jerosalema: Hataony mihalevona am-pitsanganana ny nofony, ary hihalevona eo amin'ny itoerany ny masony, ary ny lelany koa hihalevona ao am-bavany.
耶和华用灾殃攻击那与耶路撒冷争战的列国人,必是这样:他们两脚站立的时候,肉必消没,眼在眶中干瘪,舌在口中溃烂。
Ary amin'izany andro izany dia hisy fifanaritahana lehibe avy amin'i Jehovah ao aminy, ary hifampihazon-tanana izy, sady samy hanainga tanana hifamely.
那日,耶和华必使他们大大扰乱。他们各人彼此揪住,举手攻击。
Ary ny Joda koa hamely an'i Jerosalema, ary hovorina ny haren'ny firenena manodidina rehetra, dia volamena sy volafotsy ary fitafiana betsaka.
犹大也必在耶路撒冷争战。那时四围各国的财物,就是许多金银衣服,必被收聚。
Ary ho toy izany koa ny areti-mandringana hamely ny soavaly sy ny ampondra sy ny rameva sy ny boriky mbamin'ny biby fiompy rehetra izay ao amin'ireny toby ireny, eny, ho tahaka izany areti-mandringana izany ihany.
那临到马匹、骡子、骆驼、驴,和营中一切牲畜的灾殃是与那灾殃一般。
Ary ny sisa rehetra amin'ny jentilisa rehetra, izay niakatra namely an'i Jerosalema, dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, sy hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
所有来攻击耶路撒冷列国中剩下的人,必年年上来敬拜大君王─万军之耶和华,并守住棚节。
Ary na iza na iza amin'ny firenena samy hafa amin'ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan'ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra any aminy.
地上万族中,凡不上耶路撒冷敬拜大君王─万军之耶和华的,必无雨降在他们的地上。
Ary raha ny firenen'i Egypta tsy mba miakatra ka tsy tonga, dia tsy hisy koa any aminy, sady ho tonga ny areti-mandringana izay hamelezan'i Jehovah ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
埃及族若不上来,雨也不降在他们的地上;凡不上来守住棚节的列国人,耶和华也必用这灾攻击他们。
Izany no fampijaliana an'i Egypta sy fampijaliana ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
这就是埃及的刑罚和那不上来守住棚节之列国的刑罚。
Amin'izany andro izany dia hisy ao amin'ny famohamandrin-tsoavaly manao hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH; ary ny vilany ao an-tranon'i Jehovah ho tahaka ny lovia famafazana eo- anoloan'ny alitara.
当那日,马的铃铛上必有归耶和华为圣的这句话。耶和华殿内的锅必如祭坛前的碗一样。
Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy Joda dia hohamasinina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin'ireny ka hahandro aminy. Ary amin'izany andro izany dia tsy hisy Kananita intsony ao an-tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro.
凡耶路撒冷和犹大的锅都必归万军之耶和华为圣。凡献祭的都必来取这锅,煮肉在其中。当那日,在万军之耶和华的殿中必不再有迦南人。