Zechariah 11

Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô! Handevonan'ny afo ny sederanao
黎巴嫩哪,开开你的门,任火烧灭你的香柏树。
Midradradradra, ry hazo kypreso! Fa efa nianjera ny sedera, Eny, fongotra ireo avo be; Midradradradrà, ianareo ôka any Basana! Fa ripaka ny ala mikirindro
松树啊,应当哀号;因为香柏树倾倒,佳美的树毁坏。巴珊的橡树啊,应当哀号,因为茂盛的树林已经倒了。
Injay! fidradradradran'ny mpiandry ondry! Fa rava ny voninahiny; Injay! fieron'ny liona tanora! Fa rava ny kirihitrala eny amoron'i Jordana
听啊,有牧人哀号的声音,因他们荣华的草场毁坏了。有少壮狮子咆哮的声音,因约旦河旁的丛林荒废了。
Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra: Andraso ny ondry izay hovonoina,
耶和华─我的 神如此说:「你─撒迦利亚要牧养这将宰的群羊。
dia ireo vonoin'ny tompony nefa tsy ananany heloka; ary ny mivarotra azy manao hoe: Isaorana anie Jehovah, fa manan-karena aho; ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy
买他们的宰了他们,以自己为无罪;卖他们的说:『耶和华是应当称颂的,因我成为富足。』牧养他们的并不怜恤他们。
Fa tsy hiantra ny mponina amin'ny tany intsony Aho, hoy Jehovah; fa, indro, Izaho dia hanolotra ny olona samy ho eo an-tànan'ny namany sy samy ho eo an-tanan'ny mpanjakany avy; ary hamely ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka amin'ny tànany Aho.
耶和华说:『我不再怜恤这地的居民,必将这民交给各人的邻舍和他们王的手中。他们必毁灭这地,我也不救这民脱离他们的手。』」
Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry.
于是,我牧养这将宰的群羊,就是群中最困苦的羊。我拿著两根杖,一根我称为「荣美」,一根我称为「联索」。这样,我牧养了群羊。
Ary nandringana ny mpiandry ondry telo Aho tamin'ny iray volana, fa tsy nahatsindry fo taminy intsony, sady tofoka Ahy ny fanahiny.
一月之内,我除灭三个牧人,因为我的心厌烦他们;他们的心也憎嫌我。
Dia hoy Izaho: Tsy hiandry anareo Aho: izay ho faty dia aoka ho faty, ary izay ho ringana dia aoka ho ringana, ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon'ny namany avy.
我就说:「我不牧养你们。要死的,由他死;要丧亡的,由他丧亡;余剩的,由他们彼此相食。」
Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin'ny firenena rehetra.
我折断那称为「荣美」的杖,表明我废弃与万民所立的约。
Ary tapaka tamin'izany andro izany iny, ka dia fantatry ny ondry mahantra, izay nitandrina ny teniko, fa tenin'i Jehovah izany.
当日就废弃了。这样,那些仰望我的困苦羊就知道所说的是耶和华的话。
Dia hoy izaho taminy: Raha tsara eo imasonareo, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany, dia aoka ihany. Ary dia nolanjainy ny karamako, ka sekely volafotsy telo-polo.
我对他们说:「你们若以为美,就给我工价。不然,就罢了!」于是他们给了三十块钱作为我的工价。
Ary hoy Jehovah tamiko: Atsipazo amin'ny mpanefy tanimanga izany vola be nanombanany Ahy izany! Dia noraisiko ny sekely volafotsy telo-polo ka natsipiko tamin'ny mpanefy tanimanga tao an-tranon'i Jehovah.
耶和华吩咐我说:「要把众人所估定美好的价值丢给窑户。」我便将这三十块钱,在耶和华的殿中丢给窑户了。
Dia notapahiko koa ilay tehiko anankiray Fikambanana, hanafoanako ny firahalahian'i Joda sy Isiraely.
我又折断称为联索的那根杖,表明我废弃犹大与以色列弟兄的情谊。
Ary hoy Jehovah tamiko: Alao ho anao koa ny tehin'ny mpiandry ondry adala.
耶和华又吩咐我说:「你再取愚昧牧人所用的器具,
Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin'ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon'ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.
因我要在这地兴起一个牧人。他不看顾丧亡的,不寻找分散的,不医治受伤的,也不牧养强壮的;却要吃肥羊的肉,撕裂他的蹄子。
Lozan'ny mpiandry ondry tsy mahomby izay mandao ny ondry! Ny sabatra no hanely ny sandriny sy ny masony ankavanana; halazo tokoa ny sandriny, ary ho jamba tokoa ny masony ankavanana.
无用的牧人丢弃羊群有祸了!刀必临到他的膀臂和右眼上。他的膀臂必全然枯干;他的右眼也必昏暗失明。」