Zechariah 10

Mangataha ranonorana amin'i Jehovah ianareo amin'ny andro fara-orana, Dia amin'i Jehovah, Izay manao ny helatra; Ranonorana mivatravatra no homeny azy, Eny, samy homeny ny zava-maitso any an-tsaha ireny.
当春雨的时候,你们要向发闪电的耶和华求雨。他必为众人降下甘霖,使田园生长菜蔬。
Fa ny sampy niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry.
因为,家神所言的是虚空;卜士所见的是虚假;做梦者所说的是假梦。他们白白地安慰人,所以众人如羊流离,因无牧人就受苦。
Amin'ny mpiandry ondry no irehetan'ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon'ny maro, efa namangy ny taranak'i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo amin'ny ady.
我的怒气向牧人发作;我必惩罚公山羊;因我─万军之耶和华眷顾自己的羊群,就是犹大家,必使他们如骏马在阵上。
Avy ao aminy no hihavian'ny fehizoro, Avy ao aminy no hihavian'ny fihantonan-javatra, Avy ao aminy no hihavian'ny tsipìka fiadiana, Avy ao aminy no hihavian'ny mpampahory rehetra.
房角石、钉子、争战的弓,和一切掌权的都从他而出。
Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin'ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.
他们必如勇士在阵上将仇敌践踏在街上的泥土中。他们必争战,因为耶和华与他们同在;骑马的也必羞愧。
Hampahery ny taranak'i Joda Aho, Ary ny taranak'i Josefa hovonjeko ka hampodiko, Satria mamindra fo aminy Aho, Ka ho toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy.
我要坚固犹大家,拯救约瑟家,要领他们归回。我要怜恤他们;他们必像未曾弃绝的一样,都因我是耶和华─他们的 神,我必应允他们的祷告。
Ho toy ny lehilahy mahery Efraima, Ary hifaly toy ny azon'ny divay ny fony; Ny zanany hahita ka ho faly; Hifaly amin'i Jehovah ny fony.
以法莲人必如勇士;他们心中畅快如同喝酒;他们的儿女必看见而快活;他们的心必因耶和华喜乐。
Hisiaka hiantso azy Aho ka hanangona azy, Fa efa nanavotra azy Aho; Ka dia mbola hihamaro toy ny efa nihamaroany ihany izy.
我要发嘶声,聚集他们,因我已经救赎他们。他们的人数必加增,如从前加增一样。
Ary hafafiko any amin'ny firenena izy, Ka any amin'ny tany lavitra no hahatsiarovany Ahy; Ary samy ho velona izy mbamin'ny zanany ka hiverina
我虽然(或译:必)播散他们在列国中,他们必在远方记念我。他们与儿女都必存活,且得归回。
Dia hampody azy avy any amin'ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin'ny tany- Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany
我必再领他们出埃及地,招聚他们出亚述,领他们到基列和黎巴嫩;这地尚且不够他们居住。
Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin'i Neily rehetra, Haetry ny avonavon'i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan'i Egypta.
耶和华必经过苦海,击打海浪,使尼罗河的深处都枯干。亚述的骄傲必致卑微;埃及的权柄必然灭没。
Dia hampahereziko ao amin'i Jehovah izy, Ka ny anarany no handehanany, hoy Jehovah.
我必使他们倚靠我,得以坚固;一举一动必奉我的名。这是耶和华说的。