Titus 2

Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema;
但你所讲的总要合乎那纯正的道理。
ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin'ny finoana, amin'ny fitiavana, amin'ny faharetana.
劝老年人要有节制、端庄、自守,在信心、爱心、忍耐上都要纯全无疵。
Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin'ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara,
又劝老年妇人,举止行动要恭敬,不说谗言,不给酒作奴仆,用善道教训人,
mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany,
好指教少年妇人,爱丈夫,爱儿女,
hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin'Andriamanitra.
谨守,贞洁,料理家务,待人有恩,顺服自己的丈夫,免得 神的道理被毁谤。
Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena;
又劝少年人要谨守。
ka amin'ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin'ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana,
你自己凡事要显出善行的榜样;在教训上要正直、端庄,
ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo.
言语纯全,无可指责,叫那反对的人,既无处可说我们的不是,便自觉羞愧。
Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin'ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly,
劝仆人要顺服自己的主人,凡事讨他的喜欢,不可顶撞他,
tsy hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin'ny zavatra rehetra.
不可私拿东西;要显为忠诚,以致凡事尊荣我们救主 神的道。
Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,
因为 神救众人的恩典已经显明出来,
mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao,
教训我们除去不敬虔的心和世俗的情欲,在今世自守、公义、敬虔度日,
miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy,
等候所盼望的福,并等候至大的 神和我们(或作: 神─我们)救主耶稣基督的荣耀显现。
Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany.
他为我们舍了自己,要赎我们脱离一切罪恶,又洁净我们,特作自己的子民,热心为善。
Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin'ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.
这些事你要讲明,劝戒人,用各等权柄责备人;不可叫人轻看你。