Titus 1

Paoly, mpanompon'Andriamanitra sy Apostolin'i Jesosy Kristy hampandroso ny finoan'ny olom-boafidin'Andriamanitra sy ny fahalalana tsara ny marina izay manaraka ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,
 神的仆人,耶稣基督的使徒保罗,凭著 神选民的信心与敬虔真理的知识,
amin'ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain'Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola;
盼望那无谎言的 神在万古之先所应许的永生,
fa tamin'izay andro voatendry dia nasehony ny teniny tamin'ny tori-teny izay natolotra ho adidiko, araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika;
到了日期,借著传扬的工夫把他的道显明了;这传扬的责任是按著 神我们救主的命令交托了我。
ho an'i Titosy, tena zanako araka ny finoana iombonantsika, anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.
现在写信给提多,就是照著我们共信之道作我真儿子的。愿恩惠、平安从父 神和我们的救主基督耶稣归与你!
Izao no namelako anao tany Kreta, dia ny handaminanao izay mbola tsy tanteraka sy hanendrenao loholona amin'ny isan-tanàna, araka ny nandidiako anao;
我从前留你在克里特,是要你将那没有办完的事都办整齐了,又照我所吩咐你的,在各城设立长老。
raha misy tsy manan-tsiny, dia lehilahy manambady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin'ny ratsy na ho maditra.
若有无可指责的人,只作一个妇人的丈夫,儿女也是信主的,没有人告他们是放荡不服约束的,就可以设立。
Fa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, fa mpitandrina ny an'Andriamanitra, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, tsy tia harena maloto,
监督既是 神的管家,必须无可指责,不任性,不暴躁,不因酒滋事,不打人,不贪无义之财;
fa mampiantrano vahiny, tia ny tsara, mahonon-tena, marina, masina, mahonom-po,
乐意接待远人,好善,庄重,公平,圣洁自持;
mitana mafy ny teny marina araka ny efa nampianarina, mba hahaizany hananatra amin'ny fampianarana tsy misy kilema sady handresy lahatra ny mpanohitra.
坚守所教真实的道理,就能将纯正的教训劝化人,又能把争辩的人驳倒了。
Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa ny avy amin'ny voafora -
因为有许多人不服约束,说虚空话欺哄人;那奉割礼的更是这样。
tsy maintsy hotampenam-bava ireo - izay mampivadika mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto.
这些人的口总要堵住。他们因贪不义之财,将不该教导的教导人,败坏人的全家。
Hoy ny anankiray amin'ireny, izay mpaminany teo aminy: "Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda".
有克里特人中的一个本地先知说:克里特人常说谎话,乃是恶兽又馋又懒。
Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin'ny finoana,
这个见证是真的。所以,你要严严的责备他们,使他们在真道上纯全无疵,
tsy mitandrina ny anganonganon'ny Jiosy sy ny didin'ny olona izay mivily miala amin'ny fahamarinana.
不听犹太人荒渺的言语和离弃真道之人的诫命。
Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
在洁净的人,凡物都洁净;在污秽不信的人,什么都不洁净,连心地和天良也都污秽了。
Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.
他们说是认识 神,行事却和他相背;本是可憎恶的,是悖逆的,在各样善事上是可废弃的。