Song of Solomon 4

Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin'ny fisalobonanao; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan'ny tendrombohitr'i Gileada.
我的佳偶,你甚美丽!你甚美丽!你的眼在帕子内好像鸽子眼。你的头发如同山羊群卧在基列山旁。
Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, fa tsy misy tsy mana-namana.
你的牙齿如新剪毛的一群母羊,洗净上来,个个都有双生,没有一只丧掉子的。
Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao; Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao,
你的唇好像一条朱红线;你的嘴也秀美。你的两太阳在帕子内,如同一块石榴。
Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon'i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an'ny lehilahy mahery.
你的颈项好像大卫建造收藏军器的高台,其上悬挂一千盾牌,都是勇士的籐牌。
Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin'ny lilia.
你的两乳好像百合花中吃草的一对小鹿,就是母鹿双生的。
Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, dia handeha aho ho any amin'ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan'ny ditin-kazo mani-pofona.
我要往没药山和乳香冈去,直等到天起凉风、日影飞去的时候回来。
Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao.
我的佳偶,你全然美丽,毫无瑕疵!
Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon'i Amana, eny an-tampon'i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda.
我的新妇,求你与我一同离开黎巴嫩,与我一同离开黎巴嫩。从亚玛拿顶,从示尼珥与黑门顶,从有狮子的洞,从有豹子的山往下观看。
Efa lasanao ny foko, ry havako ampakariko, efa lasanao ny foko tamin'ny masonao an-ila sy tamin'ny rojo anankiray amin'ny vozonao.
我妹子,我新妇,你夺了我的心。你用眼一看,用你项上的一条金鍊,夺了我的心!
Akory ny hatsaran'ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran'ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon'ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra!
我妹子,我新妇,你的爱情何其美!你的爱情比酒更美!你膏油的香气胜过一切香品!
Mitete tantely toy ny avy amin'ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin'ny lelanao, ary ny fofon'ny fitafianao dia tahaka ny fofon'i Libanona.
我新妇,你的嘴唇滴蜜,好像蜂房滴蜜;你的舌下有蜜,有奶。你衣服的香气如黎巴嫩的香气。
Saha voahidy ny havako ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.
我妹子,我新妇,乃是关锁的园,禁闭的井,封闭的泉源。
Hianao no saha anirian'ny ampongaben-danitra tsara voa, sady misy kofera sy narda,
你园内所种的结了石榴,有佳美的果子,并凤仙花与哪哒树。
Eny, narda sy safrona, veromanitra sy havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitra Mbamin'ny zava-manitra tsara rehetra;
有哪哒和番红花,菖蒲和桂树,并各样乳香木、没药、沉香,与一切上等的果品。
Loharano ao an-tanimboly ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona.
你是园中的泉,活水的井,从黎巴嫩流下来的溪水。
Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan'ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.
北风啊,兴起!南风啊,吹来!吹在我的园内,使其中的香气发出来。愿我的良人进入自己园里,吃他佳美的果子。