Romans 8

Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy.
如今,那些在基督耶稣里的就不定罪了。
Fa ao amin'i Kristy Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana.
因为赐生命圣灵的律,在基督耶稣里释放了我,使我脱离罪和死的律了。
Fa izay tsy hain'ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin'izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin'ny nofo,
律法既因肉体软弱,有所不能行的, 神就差遣自己的儿子,成为罪身的形状,作了赎罪祭,在肉体中定了罪案,
mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy.
使律法的义成就在我们这不随从肉体、只随从圣灵的人身上。
Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy.
因为随从肉体的人体贴肉体的事,随从圣灵的人体贴圣灵的事。
Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana
体贴肉体的,就是死;体贴圣灵的,乃是生命、平安。
satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany.
原来体贴肉体的,就是与 神为仇;因为不服 神的律法,也是不能服,
Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.
而且属肉体的人不能得 神的喜欢。
Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy.
如果 神的灵住在你们心里,你们就不属肉体,乃属圣灵了。人若没有基督的灵,就不是属基督的。
Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana.
基督若在你们心里,身体就因罪而死,心灵却因义而活。
Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
然而,叫耶稣从死里复活者的灵若住在你们心里,那叫基督耶稣从死里复活的,也必借著住在你们心里的圣灵,使你们必死的身体又活过来。
Ary amin'izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo.
弟兄们,这样看来,我们并不是欠肉体的债去顺从肉体活著。
Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tena dia ho velona ianareo.
你们若顺从肉体活著,必要死;若靠著圣灵治死身体的恶行,必要活著。
Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.
因为凡被 神的灵引导的,都是 神的儿子。
Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.
你们所受的,不是奴仆的心,仍旧害怕;所受的,乃是儿子的心,因此我们呼叫:阿爸!父!
Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika.
圣灵与我们的心同证我们是 神的儿女;
Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
既是儿女,便是后嗣,就是 神的后嗣,和基督同作后嗣。如果我们和他一同受苦,也必和他一同得荣耀。
Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika.
我想,现在的苦楚若比起将来要显于我们的荣耀就不足介意了。
Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra;
受造之物切望等候 神的众子显出来。
fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy,
因为受造之物服在虚空之下,不是自己愿意,乃是因那叫他如此的。
sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin'ny fahafahana izay momba ny voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra.
但受造之物仍然指望脱离败坏的辖制,得享(享:原文是入) 神儿女自由的荣耀。
Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny;
我们知道一切受造之物一同叹息、劳苦,直到如今。
ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan'anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.
不但如此,就是我们这有圣灵初结果子的,也是自己心里叹息,等候得著儿子的名分,乃是我们的身体得赎。
Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan'ny olona izay efa hitany?
我们得救是在乎盼望;只是所见的盼望不是盼望,谁还盼望他所见的呢(有古卷作:人所看见的何必再盼望呢)?
Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.
但我们若盼望那所不见的,就必忍耐等候。
Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.
况且我们的软弱有圣灵帮助,我们本不晓得当怎样祷告,只是圣灵亲自用说不出来的叹息替我们祷告。
Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an'Andriamanitra ny fifonany ho an'ny olona masina.
鉴察人心的,晓得圣灵的意思,因为圣灵照著 神的旨意替圣徒祈求。
Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.
我们晓得万事都互相效力,叫爱 神的人得益处,就是按他旨意被召的人。
satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin'ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro Izy.
因为他预先所知道的人,就预先定下效法他儿子的模样,使他儿子在许多弟兄中作长子。
Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
预先所定下的人又召他们来;所召来的人又称他们为义;所称为义的人又叫他们得荣耀。
Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
既是这样,还有什么说的呢? 神若帮助我们,谁能敌挡我们呢?
Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?
 神既不爱惜自己的儿子,为我们众人舍了,岂不也把万物和他一同白白的赐给我们吗?
Iza no hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy.
谁能控告 神所拣选的人呢?有 神称他们为义了(或作:是称他们为义的 神吗)
Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika.
谁能定他们的罪呢?有基督耶稣已经死了,而且从死里复活,现今在 神的右边,也替我们祈求(有基督....或译:是已经死了,而且从死里复活,现今在 神的右边,也替我们祈求的基督耶稣吗)
Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
谁能使我们与基督的爱隔绝呢?难道是患难吗?是困苦吗?是逼迫吗?是饥饿吗?是赤身露体吗?是危险吗?是刀剑吗?
Araka ny voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay (Sal. 44. 22).
如经上所记:我们为你的缘故终日被杀;人看我们如将宰的羊。
Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika.
然而,靠著爱我们的主,在这一切的事上已经得胜有余了。
Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,
因为我深信无论是死,是生,是天使,是掌权的,是有能的,是现在的事,是将来的事,
na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
是高处的,是低处的,是别的受造之物,都不能叫我们与 神的爱隔绝;这爱是在我们的主基督耶稣里的。