Romans 6

Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana?
这样,怎么说呢?我们可以仍在罪中、叫恩典显多么?
Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?
断乎不可!我们在罪上死了的人岂可仍在罪中活著呢?
Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany?
岂不知我们这受洗归入基督耶稣的人是受洗归入他的死吗?
Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao.
所以,我们借著洗礼归入死,和他一同埋葬,原是叫我们一举一动有新生的样式,像基督借著父的荣耀从死里复活一样。
Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany;
我们若在他死的形状上与他联合,也要在他复活的形状上与他联合;
fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
因为知道我们的旧人和他同钉十字架,使罪身灭绝,叫我们不再作罪的奴仆;
Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.
因为已死的人是脱离了罪。
Ary raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa isika;
我们若是与基督同死,就信必与他同活。
ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
因为知道基督既从死里复活,就不再死,死也不再作他的主了。
Fa ny amin'ny nahafatesany, dia maty ny amin'ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin'ny ahavelomany kosa, dia velona ho an'Andriamanitra Izy.
他死是向罪死了,只有一次;他活是向 神活著。
Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin'ny ota, fa velona ho an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy.
这样,你们向罪也当看自己是死的;向 神在基督耶稣里,却当看自己是活的。
Koa aza avela ny ota hanjaka amin'ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany;
所以,不要容罪在你们必死的身上作王,使你们顺从身子的私欲。
ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra.
也不要将你们的肢体献给罪作不义的器具;倒要像从死里复活的人,将自己献给 神,并将肢体作义的器具献给 神。
Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana.
罪必不能作你们的主,因你们不在律法之下,乃在恩典之下。
Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany!
这却怎么样呢?我们在恩典之下,不在律法之下,就可以犯罪么?断乎不可!
Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo ianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia mpanompon'izay arahinareo ianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana?
岂不晓得你们献上自己作奴仆,顺从谁,就作谁的奴仆吗?或作罪的奴仆,以致于死;或作顺命的奴仆,以致成义。
Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon'ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban'ny fampianarana izay nanolorana anareo;
感谢 神!因为你们从前虽然作罪的奴仆,现今却从心里顺服了所传给你们道理的模范。
ary rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana.
你们既从罪里得了释放,就作了义的奴仆。
Miteny araka ny fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.
我因你们肉体的软弱,就照人的常话对你们说。你们从前怎样将肢体献给不洁不法作奴仆,以至于不法;现今也要照样将肢体献给义作奴仆,以至于成圣。
Fa fony mpanompon'ny ota ianareo, dia afaka tamin'ny fahamarinana.
因为你们作罪之奴仆的时候,就不被义约束了。
Inona ary no vokatra azonareo fahiny tamin'izay zavatra mahamenatra anareo ankehitriny? fa fahafatesana no hiafaran'izany zavatra izany.
你们现今所看为羞耻的事,当日有什么果子呢?那些事的结局就是死。
Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.
但现今,你们既从罪里得了释放,作了 神的奴仆,就有成圣的果子,那结局就是永生。
Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
因为罪的工价乃是死;惟有 神的恩赐,在我们的主基督耶稣里,乃是永生。