Romans 2

Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.
你这论断人的,无论你是谁,也无可推诿。你在什么事上论断人,就在什么事上定自己的罪;因你这论断人的,自己所行却和别人一样。
Nefa fantatsika fa ny fitsaran'Andriamanitra dia araka ny marina amin'izay manao toy izany.
我们知道这样行的人, 神必照真理审判他。
Ary ianao, ralehilahy, izay mitsara ny manao izany, kanefa manao izany koa ny tenanao, moa ataonao va fa ho afa-mandositra ny fitsaran'Andriamanitra ianao?
你这人哪,你论断行这样事的人,自己所行的却和别人一样,你以为能逃脱 神的审判吗?
Sa hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?
还是你藐视他丰富的恩慈、宽容、忍耐,不晓得他的恩慈是领你悔改呢?
Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin'ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra,
你竟任著你刚硬不悔改的心,为自己积蓄忿怒,以致 神震怒,显他公义审判的日子来到。
Izay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy:
他必照各人的行为报应各人。
ho an'izay maharitra manao soa mandrakariva ka mitady voninahitra sy laza ary tsi-fahafatesana, dia fiainana mandrakizay;
凡恒心行善、寻求荣耀、尊贵和不能朽坏之福的,就以永生报应他们;
fa ho an'izay mitady ny ho an'ny tenany ihany kosa sady tsy manaraka ny marina, fa manaraka ny tsy marina, dia fahavinirana sy fahatezerana,
惟有结党、不顺从真理、反顺从不义的,就以忿怒、恼恨报应他们。
eny, fahoriana sy fahantrana ho an'ny fanahin'ny olona rehetra izay manao ratsy, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa;
将患难、困苦加给一切作恶的人先是犹太人,后是希腊人;
fa voninahitra sy laza ary fiadanana kosa ho an'ny olona rehetra izay manao ny tsara, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa.
却将荣耀、尊贵、平安加给一切行善的人,先是犹太人,后是希腊人。
Fa tsy misy fizahan-tavan'olona amin'Andriamanitra.
因为 神不偏待人。
Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.
凡没有律法犯了罪的,也必不按律法灭亡;凡在律法以下犯了罪的,也必按律法受审判。
Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina;
(原来在 神面前,不是听律法的为义,乃是行律法的称义。
fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian'ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany;
没有律法的外邦人若顺著本性行律法上的事,他们虽然没有律法,自己就是自己的律法。
fa ireo maneho ny asan'ny lalàna ho voasoratra ao am-pony, sady ny fieritreretany no vavolombelony, ary ny fisainany mifampiampanga, nefa mba mifanafaka ihany koa aza,-
这是显出律法的功用刻在他们心里,他们是非之心同作见证,并且他们的思念互相较量,或以为是,或以为非。
amin'ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ny zavatra takona ataon'ny olona, araka ny filazantsarako amin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
就在 神借耶稣基督审判人隐祕事的日子,照著我的福音所言。
Fa raha saingy atao hoe Jiosy ianao ka mitoky amin'ny lalàna sy manao an'Andriamanitra ho reharehanao
你称为犹太人,又倚靠律法,且指著 神夸口;
ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra, satria efa nampianarina ny lalàna ianao
既从律法中受了教训,就晓得 神的旨意,也能分别是非(或作:也喜爱那美好的事);
ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin'ny maizina,
又深信自己是给瞎子领路的,是黑暗中人的光,
mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao manana ny lalàna ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana:
是蠢笨人的师傅,是小孩子的先生,在律法上有知识和真理的模范。
ka moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao?
你既是教导别人,还不教导自己吗?你讲说人不可偷窃,自己还偷窃吗?
Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va ianao?
你说人不可奸淫,自己还奸淫吗?你厌恶偶像,自己还偷窃庙中之物吗?
Hianao izay manao ny lalàna ho reharehanao, mba manala voninahitra an'Andriamanitra ihany va ianao amin'ny andikanao ny lalàna?
你指著律法夸口,自己倒犯律法,玷辱 神吗?
Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentilisa (Isa. 52. 5).
 神的名在外邦人中,因你们受了亵渎,正如经上所记的。
Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.
你若是行律法的,割礼固然于你有益;若是犯律法的,你的割礼就算不得割礼。
Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalàna ny tsy voafora, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza?
所以那未受割礼的,若遵守律法的条例,他虽然未受割礼,岂不算是有割礼吗?
Ary tsy hohelohin'ny tsy mifora izay mankatò ny lalàna va ianao, izay mpandika ny lalàna, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao?
而且那本来未受割礼的,若能全守律法,岂不是要审判你这有仪文和割礼竟犯律法的人吗?
Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana;
因为外面作犹太人的,不是真犹太人;外面肉身的割礼,也不是真割礼。
fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra.
惟有里面作的,才是真犹太人;真割礼也是心里的,在乎灵,不在乎仪文。这人的称讚不是从人来的,乃是从 神来的。