Romans 14

Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza ,mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.
信心软弱的,你们要接纳,但不要辩论所疑惑的事。
Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany.
有人信百物都可吃;但那软弱的,只吃蔬菜。
Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray ary.
吃的人不可轻看不吃的人;不吃的人不可论断吃的人;因为 神已经收纳他了。
Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon'ny hafa? Amin'ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo.
你是谁,竟论断别人的仆人呢?他或站住,或跌倒,自有他的主人在;而且他也必要站住,因为主能使他站住。
Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy.
有人看这日比那日强;有人看日日都是一样。只是各人心里要意见坚定。
Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an'ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an'ny Tompo, satria misaotra an'Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an'ny Tompo, sady misaotra an'Andriamanitra koa izy.
守日的人是为主守的;吃的人是为主吃的,因他感谢 神;不吃的人是为主不吃的,也感谢 神。
Fa tsy misy velon-ko an'ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an'ny tenany.
我们没有一个人为自己活,也没有一个人为自己死。
Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany.
我们若活著,是为主而活;若死了,是为主而死。所以,我们或活或死总是主的人。
Fa izany no nahafatesan'i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon'ny maty sy ny velona Izy.
因此基督死了又活了,为要作死人并活人的主。
Fa nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan'ny fitsaran'Andriamanitra isika rehetra.
你这个人,为什么论断弟兄呢?又为什么轻看弟兄呢?因我们都要站在 神的台前。
Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra (Isa. 45. 23).
经上写著:主说:我凭著我的永生起誓:万膝必向我跪拜;万口必向我承认。
Koa samy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra.
这样看来,我们各人必要将自己的事在 神面前说明。
Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan'ny rahalahy.
所以,我们不可再彼此论断,宁可定意谁也不给弟兄放下绊脚跌人之物。
Mahalala sady matoky ao amin'i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany.
我凭著主耶稣确知深信,凡物本来没有不洁净的;惟独人以为不洁净的,在他就不洁净了。
Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy.
你若因食物叫弟兄忧愁,就不是按著爱人的道理行。基督已经替他死,你不可因你的食物叫他败坏。
Aoka ary tsy mba hotenenina ratsy ny fahasoavana azonareo.
不可叫你的善被人毁谤;
Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina.
因为 神的国不在乎吃喝,只在乎公义、和平,并圣灵中的喜乐。
Fa izay manompo an'i Kristy amin'izany zavatra izany no sitrak'Andriamanitra sy eken'ny olona fa tsara.
在这几样上服事基督的,就为 神所喜悦,又为人所称许。
Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.
所以,我们务要追求和睦的事与彼此建立德行的事。
Aza izay hanina no andravanao ny asan'Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an'ny olona izay mihinana amin'ny fahatafintohinana.
不可因食物毁坏 神的工程。凡物固然洁净,但有人因食物叫人跌倒,就是他的罪了。
Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.
无论是吃肉,是喝酒,是什么别的事,叫弟兄跌倒,一概不做才好。
Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan'Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin'izay zavatra ekeny.
你有信心,就当在 神面前守著。人在自己以为可行的事上能不自责,就有福了。
Fa izay miahanahana dia meloka raha homana, satria tsy avy amin'ny finoana izany; fa ota izay rehetra tsy avy amin'ny finoana.
若有疑心而吃的,就必有罪,因为他吃不是出于信心。凡不出于信心的都是罪。